Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Arabia Saodita: Mpikatroka Miampanga Ilay Mpitsara Amin'ny Ady Tombotsoa


Vao maraimbe tamin'ny 20 Febroary, no notontosaina tao amin'ny Fitsarana Misahana ny Heloka Bevava, ao Buraidah, renivohitr'i Al-Qassim, Afovoany avaratr'i Arabia Saodita ny fotoam-pitsarana ilay mpiara-manorina ny Fikambanana miaro ny zo politika sy sivily (ACPRA), Dr Abdulkareem al-Khadr. Roa herinandro lasa izay no tokony nanaovana ny fotoam-pitsarana, saingy tsy tonga nanatontosa izany ny mpitsara. Roa amin'ireo mpiara-manorina ny fikambanana, Dr Abdullah al-Hamid sy Dr Mohammad al-Qahtani no efa niakatra fitsarana sy nalaina ambavany isan-kerinandro nandritra ny enim-bolana. Al-Khadr no mpanoratra ireo lahatsoratra marobe mampisongadina ny tranga momba ny zo ara-politika sy ara-tsivily amin'ny endrika Islamika, izay mifanohitra amin'ny fijery ofisialin'ny fanjakana.

Navoakan'ny ACPRA ny lisitr'ireo fiampangana an'i al-Khadr. Izay mitovy amin'ny fiampangana an'i al-Hamid sy al-Qahtani ary tafiditra amin'izany fiampangana izany ihany koa izy roa ireo [ar]:

الدعوة والتحريض على مخالفة النظام، وإشاعة الفوضى، والإخلال بالأمن والطمأنينة العامة، من خلال إعداد وصياغة ونشر بيان يدعو إلى التظاهر في الميادين العامة [...]
Fiantsoana sy fitarihana hanitsakitsaka lalàna, fanakorontanana sy fanohintohinana ny filaminam-bahoaka mbamin'ny ny fiarova-pirenena amin'ny alalan'ny fanoratana sy fandefasana lahatsoratra miantso fihetsiketsehana eny ankalamanjana [...]
وصف نظام الحكم السعودي – ظلماً وتعدياً – بأنه نظام بوليسي يقوم على الجور والقمع ويتبرقع بالدين واستخدام القضاء لتقنين الظلم من أجل استمرار الفتك المنهجي بحقوق الإنسان.
Fiantsoana tsy ara-drariny ny fitondrana Saodiana ho fitondrana miaramila izay napetraka tamin'ny tsy rariny sy tamin'ny famoretana ary tamin'ny fampiasana tafahoatra ny fivavahana mba hanamarinana ny tsy rariny sy ny fanohizana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona.
A photo taken inside the courtroom via @alajmi01

Sary nalaina tao anatin'ny efi-pitsarana, avy amin'i @alajmi01

Olona 50 no tafiditra tao amin'ny efi-pitsarana, saingy tsy tafiditra kosa ireo folo hafa satria tery ilay efitra. Tsy mitovy tamin'ny fotoam-pitsarana natao tao Riyadh, fa navela hiditra miaraka amin'ny findainy sy navela haka sary ireo mpanatrika.

Tamin'ny taona 2008, teo anatrehan'ny mpitsara izay nanameloka an'i al-Hamid sy nanome sazy an-tranomaizina efa-bolana ho azy no nitarihan'i al-Khadr ny ekipa mpiaro an'i Hamid tamin'izany, tamin'ity farany voampanga ho nanohana ireo mpanao fihetsiketsehana. Niangavy ny mpitsara tsy hitsara ny raharaha ny ekipa mpiaro an'i al-Khad noho ny ady tombontsoa manokana eo aminy sy ny toriana izay mety hisy ifandraisany tamin'ny asany teo aloha. Nilaza ilay mpitsara fa ny lehiben'ny fitsarana no tompon'andraikitra amin'izany fanapaha-kevitra izany.

Nangataka ny fandraràna an'i al-Khadr tsy hivezivezy ny mpampanoa lalàna, ary ny fampiharana ny andininy faha-6 ao amin'ny Fehezan-dalàna momba ny heloka an-tserasera (cyber-criminalité) [ar], izay toy izao ny sazy hita amin'izany:

يعاقب بالسجن مدة لا تزيد على خمس سنوات وبغرامة لا تزيد على ثلاثة ملايين أو بإحدى هاتين العقوبتين

Sazy an-tranomaizina mety tafakatra hatramin'ny 5 taona sy onitra mety ho tafakatra hatramin'ny telo tapitrisa riyals [~800,000USD], na iray amin'ireo sazy roa ireo.

Amin'ny 10 Aprily indray ny fotoam-pitsarana manaraka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny