GlobalVoices anaty

Lahatsary momba ny “One Billion Rising” Hetsika Manerantany miady ho an'ny Zon'ny Vehivavy

DikantenyLahatsoratra voadika amin'ny teny:

Italiano · Video nel mondo sugli eventi di "One Billion Rising"
English · Videos of "One Billion Rising" Global Protests
Français · «One Billion Rising» dans le monde, en vidéos
Nederlands · 'One billion Rising': video's van wereldwijde protesten in het kader van vrouwenrechten
Español · Videos de las protestas globales "Un Billón de Pie"
Aymara · Uraqpachan sartasiwinak waraqt’ata "waranqanak sayt’asitapa"
Català · [Vídeos] Protesta global "One Billion Rising" contra la violència de gènere
বাংলা · বিশ্ব জুড়ে নারী অধিকার অন্দোলন “ওয়ান বিলিয়ন রাইজিং” –নামক প্রতিবাদের এর ভিডিও
日本語 · ダンスで女権運動を-『ワン・ビリオン・ライジング』動画集
Deutsch · Videos von weltweiten Protesten im Rahmen von «One Billion Rising»
Foto vom Flashmob auf dem Waisenhausplatz in Bern, Schweiz

Flashmob tany Waisenhausplatz – Bern, Soisa

Vehivavy iray ao anatin'ny telo no iharan'ny herisetra amin'ny fiainany. Tamin'ny 14 Febroary 2013, olona aman'arivony manerantany no nanao fihetsiketsehana nanohitra ireo herisetra andavanandro tamin'ny alalan'ny dihy-flashmob [fihetsika mirindra], hetsika artistika sy maro hafa. Teo ambanin'ny teny faneva “One Billion Rising["Iray Miliara Mijoro"] no nanao fihetsiketsehana amin'ny anaran'ny vehivavy iray tapitrisa manerantany izay iharan'ny vono na fanolànana amin'ny fiainany izy ireo, araka ny fanadihadina nataon'ny Firenena Mikambana.

Tany amin'ny firenena toa i Afganistana, Pakistana ary Bangladesh dia nidina an-dalambe ihany koa ny vehivavy.

Photo of a flashmob on the Polyterrasse at the ETH in Zürich, Switzerland

Flashmob teo amin'ny Polyterrasse ETH any Zürich, Soisa

Fikambanana mihoatra ny 13.000 tamina firenena miisa 200 no nandray anjara tamin'ity hetsika manerantany ity. Ireto manaraka ireto misy lahatsary vitsivitsy tamin'ny 14 Febroary.

Flashmob tany Bern, Soisa:

Ny fikambanana “United Societies of Balkans” dia nandrakitra lahatsary misy lehilahy sy vehivavy manerantany manazava amin'ny “One Billion Rising” ny antony nahatonga azy ireo nidina an-dalambe tamin'ny 14 Febroary:

Tatitra nataon'i NDTV tany Mumbai, India:

Ity dihy manaraka ity dia nomanina ary nataon'ny tovovavy avy ao amin'ny “New Light”, fikambanana tsy miankina iray miasa ao amin'ny tanànan'ny mpivarotena any Calcutta, India:

Lahatsary tany Khartoum, Sodàna:

Oronantsary “Stop-Motion” tany São Paulo, Brezila:

Flashmob tany Bali, Indonezia:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.


Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny