Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

“Atsangano ny Tanana! Fangalarana izao!”: Mitohy ny Hetsi-Panoherana ao Espaina

Nidina maro an-dalambe hampiseho ny fahatezerany indray ny Madrileños tamin'ny faran'ny herinandro teo noho ny fiheverana ny Praiminisitra Mariano Rajoy ho nanao kolikoly. Tamin'ny alakamisy teo ny gazety nasionaly El País no namoaka [es] sarin'ny kaontim-boky ahitana an-d Rajoy sy ny mpikambana hafa ao amin'ny antokom-bahoaka ho mandray vola tsy amin'ny ara-dalàna (#lospapelesdebarcenas [es]). Nizotra teo ivelan'ny Foiben'ny Antoko ny Hetsi-Panoherana nandritra ny faran'ny herinandro.

Nitaky ny fialan'i Rajoy, tamin'ny alatsinainy teo ny avy ao amin'ny Antoko Sosialista ao amin'ny fanoherana. Notazonin'i Rajoy fa “diso tanteraka” ny filazana ary tsipahiny ny hoe fandraisana ireo vola ireo. Tsipahiny ny antso hialany ary nambarany fa ny antokony no mety indrindra amin'ny firenena hamakivakiana ny fahasarotana ara-toe-karena mihatra amin'izao fotoana.

Indro ny raki-tsarin'ny faran'ny herinandro nopihan'ny mpanoratra.

Presidente Delincuente
Our President the Crook
Photo by Anna Williams

Presidente Delincuente
Ny filohanay ilay mpisoloky, sarin'i Anna Williams

Por un Jaguar, Yo "mato"
For a Jaguar, I'd "kill" - a reference to Health Minister Ana Mato, who is alleged to be part of the scandal.
Photo by Anna Wiliams

Por un Jaguar, Yo “mato”
Raha Jaguar iray, mety “hamono” aho - filazana an-kolaka ny minisitry ny fahasalamana Ana Mato, izay heverina ho ao anatin'ilay fanafintohinana.
Saripikan'i Anna Wiliams

¡No falta dinero sobran ladrones!
There's not a lack of money, there are too many thieves!
Photo by Anna Williams

¡No falta dinero sobran ladrones!
Tsy ny vola no tsy ampy fa ny mpangalatra no be loatra!
saripikan'i Anna Williams

¡Chorizo!
Thief!
Photo by Anna Williams

¡Chorizo!
Mpangalatra!
Sarin'i Anna Williams

¡Manos arriba esto es un atraco!
Hands up! This is a robbery!
Photo by Anna Williams.

¡Manos arriba esto es un atraco!
Atsangano ny tanana! halatra ity!
sarin'i Anna Williams.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

• Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
• iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.