“Ny fanjaitra” Tantara Iray Hafa Mikasika Ny Vondrom-piarahamonin'ireo Nanova Taovam-pananahana Any Porto Rikò

Matetika amin'ny alina no ahitàna mpikambana avy amin'ny vondrompiarahamonin'ireo ‘trans’ (olona nanova taovam-pananahana) ao Porto Rico, mivenjivenjy manao ny asany eny amin'ny kihon-dàlana ny sisin-dalamben'ireo ‘avenue’ any Santurce, ao afovoan-tananan'i San Juan. Mivaona amin'ny tokony ho izy ny fomba fitafin'izy ireo, manao solovolo ary kiraro avo. Ny sasany amin'ny tantaran'izy ireo dia voarakitra anaty boky, horonantsary ary rakitsary maromaro nanaraha-maso azy ireo mivenjivenjy amin'ny alina.  “Ny fanjaitra”, fanadihadiana vaovao iray tarihan'ilay mpanao horonantsary iray avy eo an-toerana antsoina hoe Carmen Oquendo-Villar, izay tsy miompana loatra amin'ny zava-mitranga eny an-dàlana; fa mifantoka kosa amin'ny endrika ambadiky ny sehatra dia fandraharahàna momba ny hatsaran-tarehy hita eny an-dalana izay ametrahan'ireo mpiasan'ny sisin-dàlana fitokisana.

Natodik'i Oquendo-Villar sy i José Correa Vigier, tale mpanampy azy ny fakàntsarin-dry zareo ho any amin'i José Quiñones izay mitantana klinika tery kely iray ivelan'ny trano fonenany ao Santurce miompana amin'ny fikolokoloina ny tarehy .

Cosmetics expert José Quiñones is the main subject of the documentary "The Needle". Used with permission.

José Quiñones, ilay manam-pahaizana amin'ny fikolokoloina tarehy no lohahevitra nisongadina tao anatin'ilay fanadihadiana “The Needle” (Ny Fanjaitra). Ampiasàna miaraka amin'ny fahazoan-dàlana.

Miaraka amin'ireo fanjaitrany feno  “collagen” (Fanamarihan'ny mpandika: collagen: singa misy proteina hita any anaty hoditra, taolana) sy “hormones”  dia lasa izy no ‘mpiandry vavahadin'ny  hatsaran-tarehy lafatry ny maha-vehivavy izay andrandrain'ireo mpanjifany novainy ho lahy na vavy.

“Fony aho mbola niasa tany Porto Riko no nahitako azy,” hoy i Oquendo-Villar, izay mizara ny fotoanany ho roa eo anelanelan'ilay Nosikely sy ny tananan'i New York.  “Nanatontosa horonantsary maneho ny endrik'ireo olona nanova taovam-pananahana eny anaty fiarahamonina aho tamin'izany, ary tamin'izany dia ny tale mpanampy ahy no nitondra ahy ho any aminy.”

Mahay lavitra noho ny fitazonana fanjaitra fotsiny i Quiñones .  Lasa toerana fivorivorian'ny mpanjifany ny tobim-pitsaboany, alohan'ny fidinana eny an'arabe , mifanakalo ankosotra izy ireo, na miresadresaka fotsiny na koa mivanivany.

“Toy ny mpitari-dàlana ara-panahy izy,” hoy i  Oquendo-Villar, izay nandany iray volana maninjitra nandray feo azy ary ny telo taona taorian'io namoahany ny zavatra  miavosa voahangony.  “Raha manatona azy ianao dia maka toerana mihitsy izy ary miresaka aminao. Mankeo aminy ireo mpanjifany ary miezaka ny mamaha ny olan'izy ireo izy.”

http://vimeo.com/48602201

Fetiben'ny horonantsary Puerto Rico Queer

Ilay horonantsary naharitra 40 minitra no nahazo ny laharana voalohany teo amin'ny famoahana tao New York ny Alakamisy (15 Novambra) lasa teo tao DOC NYC, fetiben'ny horonantsary tsy ahitana zava-noforonina izay nolalaovina tao amin'ny ivonterana IFC tao Manhattan.  Mbola nitohy ny Alahady ny fanadihadiana ny andro faharoan'ny fisokafana tamin'ny Fetiben'ny Horonantsary Puerto Rico Queer , izay mifantoka manokana amin'ny horonantsary maneran-tany miaraka amin'ireo lohahevitra sy ny olan'ny LGBTT .

“Irinay tokoa raha toa ka  Porto Rikò no hanokatra ny Fetiben'ny Horonantsary noho  ny tantara,” hoy i  Oquendo-Villar.  “Maniry toerana iray hahafahan'i Quiñones mahatsapa fahalalahana izahay, toerana izay ahitàna vahoaka mahay mihaino,” hoy izy nanampy momba ny horonantsariny, izay miresaka ny vondrom-piarahamonin'ireo atao an-jorom-bàla ao amin'ilay Nosy.

Io Fetiben'ny Horonantsary Puerto Rico Queer io, izay mbola nitohy ny faha 21 Novambra, dia nahatratra ny faha efa-taonany amin'izao.  Ireo mpamorona ilay Fetibe -Víctor González, Rebeca Fraticelli ary Jaime Santiago- dia nandahatra  horonantsary mihoatra ny 15 avy aminà  firenena miisa folo nandray anjara tamin'ity  andiany ity.  Efa ao anatin'ny resaka anjoron'ny BoriQueer ihany koa ireo mpamokatra horonantsary avy eo an-toerana, izay natolotra manokana ho an'i Porto Rikana.

Nanjary lasa toerana fihaonan'ny vondrom-piarahamonin'ireo LGBTT sy mpankafy horonantsary manerana an'i Porto Rikò io Fetibe io, izay miteraka adihevitra sy fifanakalozan-kevitra tsy an-kiato mikasika ny zavatra azo tsoahina ao anatin'ilay  horonan-tsary.  “Ny Fanjaitra”, miaraka amin'ny foto-kevitra mafonja sy ny fitaovana rehetra ampiasaina ao anatiny dia manolotra fomba fijery vaovao mikasika izany resaka izany.

*Azonao vakiana amin'ny fiteny Espaniola eto ny mikasika bebe kokoa io horonantsary io .

 

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.