Manohitra Ny Fakana Lahatsary Miafina Avoaka Fahitalavitra Ny Mpikatroky Ny Zon'ny Pelaka ao Zeorzia

Nanambara [ka] ny sampan-draharahan'ny Fampanoavana ao Zeorzia tamin'ny 14 Janoary 2013, fa naka lahatsary miafina ireo olona fanta-daza manao firaisam-batana amin'ny olona mitovy fananahana aminy ny lehiben'ny Polisy[-n'ny] Miaramila teo aloha Megis Kardava. Nolazain'ilay sampan-draharaha fa nampiasaina hanerena (chantage) ireo olona fanta-daza ireo hiara-miasa amin'ny governemantan'ny filoha Mikheil Saakashvili ireny lahatsary ireny.

Namoaka kinova manjavozavon'ireo lahatsary tany amin'ny fantso-pahitalavitra Zeorziana ny mpitsara hanesorana ny fisalasalàna amin'izay lazain'izy ireo. Fa niteraka sahotaka noho ny fanitsakitsahana ny fiainan'ny olona manokana tsy tokony idikidirana ilay fampielezana ny sary.

Image by Eric Politzer for Identoba. From their Facebook page.

Sary avy amin'i Eric Politzer ho an'ny Identoba. Hitao ao amin'ny takelaka Facebook.

Na dia natao manjavozavo aza ny sary dia misy ny sasany milaza fa mbola azo nofantarina ao amin'ny lahatsary ihany ireo lehilahy hita ao ary nilaza ny heviny ny vondrona mpiaro ny zon'ny vitsy an'isa fa mety mampidi-doza ireo azo sary ny lahatsary mivoaka amin'ny firenena, tahaka an'i Zeorzia, izay maro dia maro an'isa ny ôrtôdôksa. 

Maro ireo fikambanana mpandala ny zon'olombelona, tahaka ny LGBT Georgia [ka] no niangavy ny manampahefana hampitsahatra ny famoahana ireo lahatsary ireo amin'ny alalan'ny fantsona fahitalavitra:

 @Dato_Shubladze: The Association “LGBT Georgia” appeals to the Georgian President, Prime Minister, Public Defender and Prosecutor General. http://bit.ly/11yOttZ

Miantso ny Filoha Zeorziana, ny praiminisitra, ny mpiaro ny vahoaka ary ny lehiben'ny fampanoavana ny fikambanana “LGBT Geogia”

Araka ny Transparency International Georgia:

 In our opinion, there is no public interest in seeing these secretly recorded videos, while there is a strong interest of the people affected by this case to have their privacy protected.

Amin'ny hevitrareo dia tsy misy tombontsoan'ny olona amin'ny fahitana ireo lahatsary narakitra miafina ireo, nefa misy ny tombontsoa lehibe ho an'ny olona tafiditra ao amin'ity raharaha ity ka [maniry] ny mba hananan'izy ireo fiainana manokana voaaro. 

Araka ny dradradradrain'ny fikambanana ihany koa dia misy Fitsipi-pitondra-tenan'ny Mpampiely feo sy sary [pdf] tsy voahaja satria :

shall not show sex in programs aired before midnight and shall only portray sex or discussions about sex between 20:00 and 23:00 if this is justified by public interested and edited in a proper form.

tsy mahazo mampiseho fandaharana vetaveta mialoha ny sasakalina fa mahazo miresaka na miady hevitra momba ny fananahana anelanelan'ny amin'ny 8 ora alina ka hatramin'ny 11 ora alina raha toa ka mahaliana ny olona sy amin'ny endrika madio [manokana].  

Nolazain'ny Fitsipi-pitondra-tena ihany koa rehefa mitatitra raharahan-keloka “ny hitadiavan'ny mpampiely feo sy sary izay handanjalanjàna ny fahalalaham-pitenenana sy ny fametrahana mialoha ny olona ho tsy mbola meloka sy fanajana ny fiainana manokan'ny ahiahiana, voampanga, voaheloka, vavolombelona ary ny niharany [lasibatra].”

Nanaraka io tsikera io, ny 15 Janoary, Archil Kbilashvili, Lehiben'ny Fampanoavana ao Zeorzia no nanazava fa tsy nanitsakitsaka ny zon'olombelona ny sampan-draharahan'ny fampanoavana tamin'ny nampisehoana ny lahatsary tafaporitsaka, satria sarotra ny mahafantatra ireo olona hita ao.

Tsy mahafaka ahiahy anefa izany fanazavana izany, vao maika aza mahatonga ireo ireo azo sary sy ireo tsy azo sary ihany koa hana-tahotra hatrany:

 @lishtotah  Systemic homophobia – still alive RT@CivilGe: Public Defender criticizes release of ‘gay honey trap’ videoshttp://www.civil.ge/eng/article.php?id=25644 … #tbilisi

Fankahalana pelaka – mbola velona RT@CivilGe: Mitsikera ny famoahana lahatsary ‘Fandrika tantely pelaka’ ny Mpiaro Vahoaka

Nanomana Hetsika Facebook [ka] hanoherana ny ‘chantage’ (fanerena), famandrihana ary fanalana baraka olona noho ny fironana ara-pananahana, eo anoloan'ny Sampan-draharahan'ny Fampanoavana ao Zeorzia, ireo fikambanana LGBT maro ao Zeorzia. Vao haingana ihany koa ny Fikambanana “IDENTOBA” [ka] no nanao fanentanana an-tserasera hoe “Tratraro Aho” [ka].

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.