Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Tenifototra Fankahalàna Manonjanonja Ao Amin'ny Twitter

Nanonjanonja tao amin'ny Twitter nandritra ny andron'ny Sabotsy 22 Desambra ny tenifototra  #SiMonFilsEstGay. Fandrisihana ny olona hankahala ireo olona mitovy nefa mifanambady, mody ampiarahana amin'ny hanihany diso toerana izay ny tena fototra dia ny hanomezana izay heverina ho sazy sahaza ny zanaka lahy raha toa izy ka mpitia lehilahy toa azy. Tena faran'izay mahery setra ny fanehoan-kevitra sasany :

@Jow_Breezy_Pgn: #SiMonFilsEstGay asaiko pehan'ny soavaly lery dia sesehana sira be!!

 

@Trapsneymo#SiMonFilsEstGay na tapahako ny tendany, na lery atsipiko ao amin'ny reniranon'ny Seine, na ariako any aminà fiantsonan'ny fiarandalamby faran'izay lavitra tena lavitra be any lery

Ary nibitsika i ‏@Kenny_koms hoe:

@Kenny_koms: #SiMonFilsEstGay entiko any amin'ny firaisana dia tonga dia ovaiko  avy hatrany ny anarany

Mazava loatra, voaresaka matetika ny adihevitra mikasika ny fanambadian'ireo  olona mitovy, izay mampizarazara hevitra an'i Frantsa.

‏@Cardinaurelien mpikatroka iray ao amin'ny UMP nilaza hoe :

@Cardinalaurelien: #simonfilsestgay antenaiko ny tsy hahafahan'i lery manam-bady! #manifpourtous

Tamin'ny faran'ny tolakandro, napetrak'ilay onjam-pankahalàna ho eny amin'ny laharana voalohan'ireo lohahevitra resahana betsaka ilay tenifototra. Tsy ela ihany koa dia nipoitra ireo fanehoan-kevitra manohitra, miaraka aminà bitsika marobe manameloka ireo fomba fiteny mankahala ny olona mitovy taovam-pananahana nefa mifanambady :

dikasary avy amin'ny fàfana iray tao amin'ny twitter #Simonfilsestgay

‏”@matfouf : Ireo mpankahala mampiasa ny tenifototra #SiMonFilsEstGay, mampalahelo. Aza adino fa natao ho an'ny daholo be ny Twitter ary azo enjehana saziana ny bitsika alefanareo.

 

‏”@ErwanSands: #SiMonFilsEstGay Tena faran'izay tretrika aho sahala amin'ny hoe manambady vehivavy ihany lery ! Tsy manova ny maha-izy ny olona iray ny resaka fironana ara-pananahany ! #NB

Ary maro ireo nanandrana nanaitra ny Twitter mba hibahana ilay tenifototra:

“ @MOMIETTKM: @twitter azo atao ve ny mibahana io tenifototra manavakavaka sy feno fankahalàna ny tsy mitovy amin'ny tena io azfd #SiMonFilsEstGay . Mba misy fetrany ihany ny fahalalahana maneho hevitra !”

@thomas_gardize, mpianatra filaozofia aza, dia nanandrana mihitsy namoaka sata maromaro mifanohitra, mba hitsapàna ny fahatsapan'ny olona.
Nambarany aloha ny hoe :

@thomas_gardize#SiMonFilsEstGay TT loharanom-pifandirana. Handefa bitsika amin'ny zotra roa aho raha izany mba hahitako ireo fanehoan-kevitra mifanohitra.

narahany hoe :

@thomas_gardize #SiMonFilsEstGay hodorako eo ambony kitay.

Ary avy eo :

@thomas_gardize:  #SiMonFilsEstGay Ho reharehako izy.

Mampahatsiahy ilay onjam-pankahalana jiosy teo amin'io tambajotra sosialy io ilay zava-nitranga, ny tenifototra #UnBonJuif tamin'ny Oktobra 2012 no resaka tamin'izany, izay niteraka ihany koa teny mahery .

Betsaka ireo mpampiasa no nijery izay ifandraisan'ireo, toa an'i @epelboin izay manamarika hoe :

@epelboin:  #SiMonFilsEstGay no #UnBonJuif amin'ny endrika vaovao? Frantsa mahonena :(“

Farany, aoka hampahatsiahivintsika fa ao Frantsa, voasazy lamandy sy famonjàna ny fanaovana teny miaro fankahalàna ny tsy mitovy amin'ny tena. Ary misy resaka fanentanana ny olona ho amin'ny herisetra ihany koa ilay izy. Izany angamba  no nahatonga ny hoe tamin'ny fiafaran'iny andro iny, marobe ireo bitsika mifandraika tamin'izy ity no toa nofafan'ny tompony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny