Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Madagasikara: mpiasa 200-n'ny QMM no tsy afa-nandao orinasa nohon'ny mpikomy

Atoa Bill no mitatitra ao amin'ny gazety Madagascar Tribune ny rotaka izay nanery ny fitsaharanasa tao amin'ny orinasa QMM any Taolagñaro [fr] nanomboka tamin'ny Alakamisy faha-10 Janoary lasa teo:

les activités de la société QMM qui extraie l’ilménite à Fort Dauphin sont depuis ce jeudi 10 janvier fortement perturbées par une manifestation de foule. On parle même de suspension de l’exploitation d’ilménite [...]

“nanomboka tamin'ny Alakamisy 10 Janoary dia nihena mafy ny raharaha fitrandrahana Ilmenita ataon'ny orinasa QMM any Taolagñaro nohon'ny mpirotaka. Toa re aza fa nahantona mihitsy izany fitrandrahana Ilménite izany [...]“

Ny foiben'ny Rio Tinto dia nanambana ny fampitsaharana ny asa fitrandrahana raha mitohy ny rotaka [en]:

“If the blockage persists [ndlr. 200 staff], QMM will be in the obligation to stop all its activities,” the company said in a statement Friday.

“Raha mitohy ny fanampenandalana [ndlr. mpiasa 200], dia hovoatery ny hampitsahatra ny asa aman-draharaha rehetra izahay” araky ny fanambaran'ny foiben'ny orinasa QMM tamin'ny zoma 11 Janoary lasa teo”

Ny fidiran'ireo miaramila antsehatra vao nanafaka ireo mpiasa raikitra tao amin'ny orinasa, araky ny fanambaran'i Guillaume Venance olobe any Anosy [en]:

Soldiers surprised the protesters early this morning, dispersed them and could then free the staff

“Notampohin'ireo miaramila vao marain-dratsy ireo mpikomy ka dia niparitaka ary dia nanafaka ireo mpiasa hivoaka malalaka”

Ny gazety L'Express de Madagascar kosa no nahafantarana fa am-polony ny isan'ireo voasambotra [fr]:

Les forces de l’ordre ont démantelé le barrage qui a bloqué l’accès à l’usine de Mandena. Une dizaine de personnes ont été arrêtées

“Noravan'ireo mpitandro ny filaminana ireo barazy izay nanampina ny làlana mandeha any Mandena [ndlr. any amin'ny orinasa QMM]. Manodidina ny folo eo ho eo ireo olona vosambotra”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.