Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tsaitsaikan'ny Nenti-paharazana, Nandray Ny Taona Vaovao i Kiobà

[Amin'ny teny Espaniola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fiovana]

Nanamarika ny taona 2012 ny fitsidihan'ny Papa Benoît XVI tao Kiobà, ny fahasimbana nateraky ny tafio-drivotra Sandy, ny fametrahana lalàna mampiady hevitra momba ny fampiasan'ny vahoaka ny mozika, anisan'ireo zava-niseho nanamarika ihany koa ny tontolon'ny bilaogy tao amin'ny nosy izany.

Anisan'ny nahatonga fanadihadiana tamin'ny bilaogy sasany ny fankalazana ny Krismasy tao Kiobà. Tamin'ny lahatsoratra navoakany tao amin'ny ‘La cultura de la Navidad’ (Ny Kolontsain'ny Krismasy), Roberto Méndez nanafangaro vaovao manan-tantara momba ny fivoaran'ity fety netim-paharazana ao amin'ny nosy ity.

Hasta muy avanzados los años 60 del pasado siglo (…) aunque solo una porción de la población fuera auténticamente cristiana, era común celebrar esta época en familia (…) La orientación atea del gobierno a partir de 1961 y, sobre todo, la suspensión de los festejos navideños en torno a la zafra de 1970, convirtió a la Navidad en algo casi clandestino. (…) Con el avance de los años 80, ciertas prohibiciones oficiales fueron relajándose, aunque lo navideño quedaba sumido en el ambiguo terreno de los ‘festejos de fin de año'.

Hatramin'ny fiafaran'ny taona 60 tamin'ny taonjato farany (…) na dia ampahany fotsiny amin'ireo olona aza no tena kristianina, efa mahazatra ny olona ny fankalazana izany fotoana izany miaraka amin'ny fianakaviana (…) Nanova ny Krismasy ho saiky fotoana mangingina ny fiompanan'ny governemanta any amin'ny tsy finoana an'Andriamanitra nanomboka tamin'ny taona 1961, ary indrindra, ny fampitsaharana ny fety Krismasy manodidina ny fotoam-piotazana 1970 (…) Tamin'ireo fandrosoana tamin'ny taona 80, niha-nalefaka hatrany hatrany ireo fandraràna ofisialy sasany, na dia mbola tsy mazava tsara aza ny toeran'ny Krismasy amin'ireo fetin'ny faran'ny taona.

Rosana Berjaga, tao amin'ny bilaoginy Yo Me Mi… pero contigo, nitanisa indray ny dikan'ny hazo Krismasy ho an'ny  zazalahy zanaky ny iray tampò aminy 7 taona.

A Ernesto no le importa la apología a lo extranjero. Mi sobrino no puede entender qué es una tradición importada, qué es un consumo inconsciente, en su cabecita de 6 años no hay espacio para entender que la tradición de la navidad y la de Papá Noel y la de los Reyes Magos, nos fue impuesta por la colonización económica.

Mi sobrino hace apología de una navidad sin nieve porque es el momento del año en que todos juntos, como una familia, armamos el enorme arbolito de mi abuela.

Tsy miraharaha ny hiaro izay avy any ivelany i Ernesto. Tsy mahatakatra mihitsy ilay zazalahy zanaky ny iray tampò amiko hoe inona izany fetim-paharazana avy any ivelany izany, izany fandaniana tsy nahy izany, tsy ho takatry ny saina kelin'ity zaza 6 taona ity fa ny fety netim-paharazana Krismasy, sy ny Dadabe Noely ary ireo Anjely Telo dia nolovaintsika tamin'ny fanjanahantany ara-toekarena.

Mankalaza ny Krismasy tsy misy oram-panala ilay zaza satria izay no fotoana ao anatin'ny taona hiarahanay rehetra, mpianakavy, mandravaka ny hazo Krismasy goavambe an'ny renibeko.

Ny tanànan'i Santiago ao Kiobà, tanàna lehibe niharan'ny Tafio-drivotra Sandy, nankalaza ny fahatongavan'ny taombaovao tahaka izany ihany koa.

Motivos de Navidad en las calles de La Habana, Cuba. (Foto: Cortesía de Jorge Luis Baños)

Mariky ny Krismasy ao amin'ny araben'i Havana, Kiobà. (Sary: Jorge Luis Baños)

Tao amin'ny bilaoginy i Musilla Traviesa,nitantara fankalazana efa niseho tamin'ny taona 1990 ny mpanoratra.

Es la fiesta de la Bandera, acto único en todo el país y de su género en el mundo, que se desarrolla ininterrumpidamente desde el 31 de diciembre de 1900. Oportunidad en la que el entonces Alcalde de Santiago de Cuba, Don Emilio Bacardí Moreau izó en el edificio gubernamental una Bandera Cubana justo a las 12:00 de la noche.

Esta fiesta tuvo su origen cuando el señor Ángel Moya conocido por los santiagueros como ‘Chichi', ‘concibió la idea de regalar a la ciudad la primera bandera cubana que debía ondear oficialmente en el edificio municipal, una vez proclamada la república libre y soberana.’

Ity Fety fanangana-tsaina, fomba fanao miavaka ao amin'ny firenena ary tsy manam-paharoa manerantany, izay nankalazaina tsy an-kiato hatramin'ny 31 Desambra 1900. Fotoana izay nampakaran'ilay ben'ny tanàn'i Santiago teo aloha, Don Emilio Bacardí Moreau ny saina Kiobàna tao amin'ny tranoben'ny governemanta tamin'ny misasakalina tsy diso.

Avy amin'i Sir Ángel Moya, fantatry ny santigueros (mponina ao Santiago) hoe ‘Chichi' izany fankalazana izany, raha nanan-kevitra ny hanome saina Kiobàna voalohany ho an'ny tanàna izy mba hanangana izany [saina] amin'ny fomba ofisialy ao amin'ny lapan'ny tanàna, rehefa nambara ofisialy fa Repoblika afaka sy masi-mandidy ny firenena.

Lohahevitra noresahana teo amin'ny tontolon'ny bilaogy Kiobàna tamin'ny faran'ny taona ihany koa ny fanitarana ny fahazoana miditra aterineto. Araka ny voalaza tao amin'ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny gazety ofisialy, Granma, tokony efa am-perinasa ny hosina tsora-bera (fibre optique) eo Kiobà sy Venezoela hatramin'ny volana Jolay 2011. Ny fampiasam-bola, 70 tapitrisa dolara tamin'izany dia tokony “nampitombo ny hafainganan'ny fampitam-baovao, ny sary sy ny feo izay ananan'i Kiobà ho in-3000 avo heny amin'izay misy ankehitriny.” Tamin'ny fiafaran'ny taona 2012, ho an'i Luis Rondón Paz, mpanoratra ny Ciudadano Cero, “mbola mihitsoka amin'ny adin'ny Aterineto sy ny Anatineto (Intranet)  isika, raha ny Aterineto no milaza izay ivelan'i Kiobà fa ny Anatineto kosa milaza izay ao anatiny.”

Ny mahaliana (mampiahiahy) ny tontolon'ny bilaogy, araka ny filazan'i Rogelio Díaz, “ny taona izay nifarana tamin'ity Alatsinainy 31 Desambra ity, araka ny hita ao amin'ny alimanakan'ny Tandrefana, dia tsy dia tsara ho an'ny fitsikilovana, adihevitra na ny fahalalaham-pitenenana noho ireo fahasamihafam-pomba fijery sy hetaheta tsy azo ihodivirana eo amin'ny Kiobàna tsirairay.”

Nanampy trotraka tamin'ny ahiahin'i Diaz ny fanakatonana bilaogy sasany tahaka ny La Joven Cuba noho ny lahatsoratra miresaka governemanta, hoy izy nanavoitra:

¿Por qué a la juventud, llamada a desempeñar roles protagónicos en todo proceso revolucionario y enaltecida con el llamado guevariano al Hombre Nuevo, le decapitan todo intento de desbordar el rol asignado de obediencia? ¿Qué mensajes clarísimos emiten estos sucesos? Evidentemente, que el horno no está para galleticas; que toda voz fresca, espontánea, que se atreva a poner en juicio las políticas de la burocracia imperante, está en peligro de ser suprimida en el momento en que así se estime conveniente. No habrá tolerancia al debate abierto, al análisis sincero de ideas diversas, ni siquiera dentro del campo de las corrientes que respeten ideales socialistas desde distintos matices. La unidad monolítica y la obediencia a la clase burocrática imperante seguirá siendo el único estandarte aceptable.

Nahoana izy ireo no “manapa-doha” ny fikasan'ny tanora izay te-hiala amin'ny adidy fankatòavana, raha ry zareo no antsoina hiandraikitra fitarihana ny fomban'ny revolisionera iray manontolo ka direderaina tamin'ilay lazaina ho antso ‘Guevarian’ ho Olom-baovao? Hafatra mangarahara tahaka ny ahoana no atolotr'izany fotoana izany? Mazava ho azy, fa tsy natao ho an'ny biskoiy ny lafaoro, fa ny feo nivoaka farany mahasahy miahiahy ny politikan'ny biraokraty manjaka amin'izao fotoana dia ahiana ho voafafa eo amin'ny fotoana mahamety azy. Tsy hisy ny fahazakana adihevitra misokatra, na fanadihadiana mahitsy momba ireo hevitra samihafa, tsy hisy izany na dia any amin'ny sehatra iraisan'ny samy manaja ny firehan-kevitra sosialista avy amin'ny fijery samihafa aza. Mbola hitohy ho hany fomba fanao azo ekena ny firaisam-bato tokam-bolo sy ny fankatoavana ireo biraokratsy manjakazaka.

Na dia izany aza, tamin'ny andro farany tamin'ny taona, bilaogera Kiobàna sady mpanao gazety Luis Sexto nandefa ity hafatra ity: “Sahiko ny manolo-kevitra anao, tsy hivavaka amin'ny alin'ny faran'ny taona isika (…) hanaovana litania ny fitsikerana ny fiainana. Tsy tamin'izay very, na amin'izay mbola ho very”.

*Avy amin'ny flippinyank ny sary, nalaina tao amin'ny Flickr,r Licence CC BY-2.0.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.