Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Nosakanana ny Fandefasana Mivantana Ny Kaonferansa Nokarakarain'ny Firenena Mikambana

GV Mpisolovava Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahafaha-miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra

Araka ny filazan'ireo mpikatroka ao Bahrain, nosakanana ny fandefasana mivantana ny Filankevitry ny Firenena Mikambana Misahana ny Zon'olombelona.

 

Mohamed Al-Maskati, filohan'ny Fikambanan'ny Tanora Bahrainita miaro ny Zon'olombelona, niresaka momba ny famoretana nahazo ireo mpikatroka ao Bahrain, sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona miseho ankehitriny. Nilaza ihany koa i Maryam Al-Khawaja, tale lefitra ao amin'ny Foiben'ny Helodrano ho an'ny Zon'olombelona, fa nahazo fandrahonana ho faty ireo  Bahrainita mpiaro ny zon'olombelona tonga nanatrika ny Filankevitry ny Zon'olombelona tao Genève.

Ankoatra ny sivana, nanenjika ireo bilaogera sy mpikatroka misera ny fampahalalam-baovao sosialy ihany koa ny governemanta ao Bahrain. Voasazy higadra an-tranomaizina 15 taona i Ali Abdulemam, mpanoratra ao amin'ny Global Voices. Nanjavona izy ary tsy misy olona mahafantatra izay misy azy. Nigadra ihany koa i Nabeel Rajab, mpiaro ny zon'olombelona sy filohan'ny Foibe miaro ny Zon'olombelona ao Bahrain noho ny sioka nalefany tao amin'ny Twitter izay milaza momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Bahrain.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny