Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Miatrika Fanamby Vaovao Ny Politikam-Pifindra-monina Breziliana

Raha efa ela no niadian-kevitra tany Eoropa sy Etazonia ity resaka ity dia vao haingana kosa vao niha-nalaza ny lohahevitra momba ny fifindra-monina mankany Brezila. Efa fantatra ho firenena mpandray vahiny mandra-pahatonga ny fotoana vitsivitsy izay, ny zavamisy vaovao izay niainan'ny firenena tao anatin'ny fotoana vitsivitsy izay no mametraka fanamby vaovao indray, ahitana fiantraikany mazava eo amin'ny toekarena, politika ivelany ary ny lalàna, izay tsy maintsy iomanan'ny fiaraha-monina sy ny fitondrana Breziliana haingana raha mivaingana ho marina ny tombana hiakaran'i Brezila eo amin'ny sehatra manerantany.

Mpifindramonina miditra sy mivoaka an'i Brezila
Tahaka ny firenena Amerikana hafa nozanahan'ny Eoropeana, nifanesy ny fifindramonina avy amin'ny faritra maro teto amin'izao tontolo izao noraisin'i Brezila. Ny voalohany nanomboka tamin'ny fibodoan'ny Portiogey ny sisintany Breziliana tamin'ny taonjato XIV, narahin'ny fanondranana andevo mpiasa avy any Afrika ary taorian'ny fanafoanana ny fanandevozana tamin'ny 1888, ny fanoloana ny Afrikana noterena hiasa ho mpifindramonina Eoropeana. Nanomboka hatreo, niova tanteraka ny fiaraha-monina Breziliana noho ny firohotr'ireo mpifindra-monina ireo, mahatonga ny isam-panjakana hanana foko sy kolontsainy ahafantarana azy manokana.

Celebration of Carnaval in Vila Maria, São Paulo, 2008. Photo by Leo Caobelli on Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Vila Maria, São Paulo, 2008. Saripikan'i Leo Caobelli hita Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Ho an'ireo Breziliana nifindra monina nivoaka ny fireneny voalohany, dia ny firenena manodidina aloha no nandehanany, fa tsy ela dia tafapaka hatrany Etazonia, Eoropa ary Japana. Anisan'ny nahatonga ny fandaozana ny firenena ny fahakelezan'ny faravodilanitra ahafaha-miakatra ara-tsosialy, ny tsy fananan'asa ary ny fisondrotry ny vidim-piainana haingana izay nihatra tany Brezila nandritra ny taompolo 1980. Mandritra izany fotoana izany, misy ny fisian'ny tambajotra efa tafapetraka izay manamora ny fahatongavan'ireny nifindra monina ireny firenena ireny tahaka an'i Japan (izay nanorenan'ny dekasegis fonenana) sy Portiogaly. Mitombo tahaka ny fanainga ny isan'ny Breziliana mitady fiainana tsaratsara kokoa any ivelan'ny fireneny nanomboka tamin'izany fotoana izany ary eo ho eo amin'ny 3 arivoarivo [tapitrisa] eo ny fitambarany, ka ao daholo na ny ara-dalàna na an-tsokosoko.

Zavamisy ankehitriny: fodian'ny Breziliana
Amin'ny krizy ara-toekarena misy ankehitriny, maro ireo niala an-tanindrazana no niverina any Brezila, indrindra ny any amin'ny fanjakana São Paulo, Paraná ary Minas Gerais. Ny bilaogin'i Geo-Conceição [pt] mampiseho antontanisa mahaliana mifandraika amin'ireo [sokaji-na] mpifindra-monina ireo :

(…) 65% dos imigrantes são, na verdade, brasileiros que retornaram ao país. São os chamados “imigrantes internacionais de retorno”. Em 2000, os brasileiros que voltavam para casa representavam 61% do total de imigrantes.
O maior número de brasileiros retorna principalmente dos Estados Unidos, Japão, Portugal, Espanha, Paraguai e Bolívia. Alguns dados sobre a imigração de retorno chamam atenção, como o fato de 84,2% dos imigrantes dos Estados Unidos serem de brasileiros voltando ao país. No caso do Japão, esse percentual chega a 89,1% e no de Portugal, a 77%.

(…) 65% amin'ny mpifindra monina, raha ny tena marina, no Breziliana nody an-tanindrazana. Ireo no lazaina hoe  ”mpifindramonina iraisampirenena mody”. Tamin'ny 2000, Ny Breziliana nody no mahasehaka ny 61% n'ny mpifindra monina.
Ny ankamaroan'ny mpifindramonina dia avy any Etazonia, Japana, Portiogaly, Espaina, Paraguay ary Bolivia. Mahatalanjona ny antontanisan'ny mody an-tanindrazana sasantsasany, tahaka ny fahafantarana fa 84.2% amin'ny mpifindramonina Breziliana no avy any Etazonia. Eo amin'i Japana kosa dia mahatratra hatramin'ny 89.1% ary izay any Portiogaly kosa 77%.

Misy ny sokajim-piarahamonina Breziliana no manaraka tsara ny fizotry ny fifindra-monina io. Ohatra, Ny Sampan-draharaha Breziliana Manohana ny Fandraharahana bitika sy madinika (SEBRAE) nilaza fa nanao soniam-pifanekena [pt] tamin'ny MRE (Minisiteran'ny Raharaham-Bahiny3) hametraka fiaraha-miasa hanampiana ireo Breziliana mody an-tanindrazana :

O Sebrae em Minas Gerais e o Itamaraty [MRE] firmaram nesta sexta-feira (23) uma parceria de auxílio a brasileiros que vivem no exterior e pretendam abrir e gerir um negócio próprio quando retornarem ao Brasil. Com a atual crise econômica nos Estados Unidos e em países da Europa, a expectativa é de que aproximadamente 500 mil dos cerca de 3 milhões de emigrantes retornem ao país dispostos a tocarem seus próprios empreendimentos.

Nanao soniam-piaraha-miasa tamin'ny Zoma 23 [nov] hanampiana ireo Breziliana monina any ivelany ka mikasa ny hanangana fandraharahana rehefa mody eto Brezila ny SEBRAE ao Minas Gerais sy ny Itamaraty (MRE) . Noho ny fisian'ny krizy ara-toekarena any Etazonia sy Eoropa, heverina fa eo ho eo amin'ny 500.000 amin'ny nandao tanindrazana 3 arivoarivo no hitody eto an-tanindrazana ary vonona ny hanangana ny orinasany manokana.

Tamin'ny fanambaràna [pt], vao haingana nataon'ny minisitra Moreira Franco avy ao amin'ny Sekretarian'ny Afera stratejikan'ny Prezidansan'ny Repoblika (SAE), nilaza fa efa lany andro ny lalàna momba ny fifindra-monina ka manasarotra ny fampidirana ireo mpiasa za-draharaha na manam-pahaizana, tsy afa-nanao na inona na inona tany amin'ny firenena niaviany.

É claro, conforme destacou Moreira Franco, que a educação é a melhor ferramenta para o País alcançar o desenvolvimento necessário. Mas esse é um caminho mais demorado. Por isso, ele salientou a importância de o Brasil aproveitar este momento de grande oferta no cenário internacional.

Mazava, araka ny nasongadin'i Moreira Franco, fa ny fampianarana no fitaovana tsara indrindra ho an'ny firenena hanatrarana ny haavom-pampandrosoana ilaina. Saingy mbola lalan-davitra izany. Izany no mahatonga azy handrandrana ny maha-zava-dehibe ho an'i Brezila izao fotoana izao indrindra maka [mpiasa manampahaizana] eo amin'ny sehatra iraisampirenena.

Misy fifanoheran-kevitra ihany ny fanambaran'ny minisitra, satria iray amin'ny takian'ny saranga ambany ao Brezila indrindra hatry ny ela ny fahafahana mahazo fampianarana tsara kokoa. Voambara mazava ao amin'ny fitakiana ny hanomezana vatsim-pianarana ho an'ny mpianatra avy amin'ny fianakaviana sahirana, ny fanomezan-danja ny asam-pampianarana amin'ny alalan'ny fametrahana ambaratongam-piakarana mazava sy karama mendrika ary ny fahazoana boky mora.

Lava ny lisitra ary raha jerena miaraka ireo rehetra voalaza teo aloha, dia hita fa manarinary fahatany ny mponiny manokana i Brezila. Heverin'ny minisitra fa tsy tena ilaina loatra ny fanitsiana haingna ny lalàna izay mahasahana ny fanomezana visa ho an'ny vahiny sy ny fampianarana manokana azy ireo amin'ny hahatafiditra azy tsara ao amin'ny firenena vaovao – ka anisan'izany ny fianarana teny portiogey – raha misy ny drafitra hanamorana ny fodian'ny vahiny, ary mandritra izany fotoana izany, ampitomboina ny fampiasam-bola ho fampianarana ny tanora any Brezila.

Celebration of Oktoberfest by the German community in Rio Grande do Sul. Photo by Pedro Rocha on Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Fankalzana ny Oktoberfest ataon'ny vondro-piarahamonina Alemana ao Rio Grande do Sul. Saripikan'i Pedro Rocha on Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Tamin'ny fihazakazahana hahazo ireo manampahaizana vahiny i Brezila dia lasa mifaninana amin'ny firenena tahaka an'i Aostralia sy Canada, indrindra i Quebec [fr], izay manana fandaharan'asa manao izay hanintonana ireo mpifindra-monina tena manampahaizna hameno ny tsy fahampian'ny mpiasa vokatry ny fahanteran'ny mponina. Fa Mifanohitra amin'ny any Brezila ny momba an-dry zareo voatonona, satria i Brezila dia sady tanora ny ankamaroan'ny mponina no maro rahateo satria manodidina ny  2 alinalina [200 arivoarivo] ny isany, ary tsy misy loatra ny elanelam-ponina amin'ireo firenena ireo, raha tsy isaina ireo  nandao tanindrazana 3 arivoarivo izay maniry ny hiverina an-tanindrazana.

Maminavina [pt] ny profesora amin'ny Fifandraisana Iraisampirenena Oliver Stuenkel avy ao amin'ny Fundação Getúlio Vargas amin'izay ho avy rahatrizay :

O número crescente de pessoas do exterior em busca de emprego mudará a forma como o Brasil se relaciona com estrangeiros. Visitantes do exterior são bem quistos no Brasil, pois são poucos, ricos e não costumam ficar por muito tempo. No futuro, os imigrantes virão em maiores números, serão relativamente pobres, e terão a intenção de se instalar no Brasil. [...] Embora possa levar décadas para que imigração ao Brasil chegue às proporções conhecidas na Europa, resta a ver quão bem o Brasil lidaria com uma nova onda de imigração, e os desafios que a acompanham.

Hampiova ny fifandraisan'i Brezila amin'ny vahiny ny fitomboan'isan'ny vahiny avy any ivelany mitady asa. Mahazo fitiavana tsara ny vahiny mitsidika any Brezila, satria mbola vitsy an'isa ry zareo, mpanankarena ary tsy mijanona maharitra. Rahatrizay,ho maro kokoa ny mpifindramonina, ho mahantra ny ankamaroany, ary mihevitra ny hanorim-ponenana any Brezila ry zareo. [...] Na dia mbola mety hisy taompolo maromaro aza vao hahatratra ny ambaratonga hita any Eoropa ny fifindra-monina ao Brezila, dia mbola tiana ho fantatra ihany hoe hanao ahoana ny hitantanan'i Brezila ny fahatongavan'ny andiana mpifindra monina vaovao, sy ny fanamby miaraka amin'izany.

Iray amin'ny zavatra mety hitranga dia ho diso lalana indray amin'ny politika efa nataony nahatonga ny Breziliana 3 tapitrisa handao ny tanindrazana indray i Brezila: mampivondrona ny fidiram-bola ho eo am-pelatanan'ny vondron'olona tsy manana eritreritra hanao izany rariny ara-tsosialy izany. Zavatra mety hitranga hafa dia ny fahaizan'ny firnena maka lesona tamin'ny “taonan'ny firamainty” [fotoana nisian'ny fangejana indrindra tamin'ny fitondrana miaramila tao Brezila, nanomboka ny 1968 ka hatramin'ny 1974] ary hifantoka amin'ny trosa omen'ny Breziliana nandao sy ireo nijanona an-tanindrazana, hijery ho ambonin'ny zava-drehetra ny fampianarana, ka manaraka izany avy eo ny zo hanana asa mendrika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.