Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Mpilatro Breziliana Lasa Mpangataka Niteraka Adihevitra Ara-Panavakavaham-bolonkoditra

Lava, manga maso ary mirakotra bodofotsy rehefa mirenireny eny amin’ny lalana Curitiba, ao atsimon’i Brezila, Rafael Nunes, mpilatro Breziliana taloha (ankehitriny fantatra toy ny mpangataka tia maka sary ao Curitiba) nanjary nahasarika ny sain’izao tontolo izao rehefa nivezivezy sy nalaza tao amin’ny Facebook sy Twitter ny sariny sy ny tantarany.

Rafael, 30 taona, lasa mpiirenireny manerana ny lalana noho ny fiankinan-doha tamin’ny kokainina (rongony), nanomboka fantatra ny tantarany rehefa nanatona  ilay mpizahantany Indy Zanardo i Rafael ary nangataka azy raha mba alaina sary izy. Rehefa nandrakitra izany sary izany tao amin’ny rindrin’ny Facebook-ny [pt], hoy I Indy Zanardo nanazava:

Este rapaz chegou ate mim nas ruas de Curitiba e me pediu se eu poderia tirar uma foto dele e eu perguntei para que, ele me respondeu: Para colocar na “radio” quem sabe eu fico famoso :) … Na “radio” eu nao posso por mas aqui no mural do meu Face sim, e ele sera famoso entre meus amigos.

Photo by Indy Zanardo on Facebook

Nanatona ahy teny an-dalana ao Curitiba ity lehilahy ity ary nangataka tamiko raha afaka maka sary azy aho, ka nanontaniako izy hanaovana inona, ary hoy izy namaly: mba handefa izany amin’ny “onjam-peo” amin’izay mety mba halaza aho, iza no mahalala:-)… Kanefa tsy afaka nandefa izany tamin’ny onjam-peo aho ka napetrako tao amin’ny rindrin’ny Facebook-ko ny sary amin’izay izy malaza amin’ireo namako..

Ankoatra ireo fihetseham-po amin'ny ankapobeny manoloana ny endriny falifaly sy ny tantarany mampalahelo noho ny fiankinan-doha tamin’ny rongony, nanjary nitarika adihevitra momba ny fanavakavaham-bolokoditra ny adihevitra mikasika an’i Rafael, izay adihevitra mikasika ny fomba fihetsiky ny fiaraha-monina Breziliana izay tezitra manoloana ny fanavakavahana ara-piaraha-monina raha toa ka fotsy ireo olona voakasika ary ‘Eoropeana jerena'.

Na dia iray amin’ireo fiaraha-monina ahitana firazanana isan-karazany indrindra aza ny Breziliana eo amin’izao tontolo izao,  mbola ny Breziliana fotsy ihany no tena mibahana eo amin’ny toerana ambony amin’ny ambaratonga ara-toekarena sy sosialy ary toy ny tombotsoan’izany vondrona izany ny fianarana, ny fahazoana  fitsaboana sy ny asa.

Bilaogera Robson Fernando Souza ao amin’ny consciencia.blog.br [pt] nandresy lahatra fa vitsy dia vitsy ny olona mihevitra tahaka izany raha toa ka Breziliana-Afrikana ilay mpangataka:

Em outras palavras, para nossa sociedade, não é normal ver em mendicância e miséria um branco de aparência europeia. Para ela, brancos merecem muito mais do que isso. Mas, por outro lado, negros nas ruas pedindo esmolas e implorando por dignidade é considerado algo mais que normal.

Na koa, tsy normaly mihitsy ho an’ny fiarahamonintsika ny manaiky olona fotsy manana fomba  Eoropeanina ka sahirana sy anaty fahantrana. Ho antsika, mendrika kokoa noho izany ny fotsy, raha toa sokajiana ho toy ny zavatra normaly raha mangatangata-bola eny an-dalana ny olona mainty hoditra. Efa izay no mahazatra.

Fatima Tardelli, izay mibilaogy amin’ny Bule Voador [pt], nandresy lahatra fa mifototra amin’ny mpilatro fotsy (hoditra mazava, manga maso, tso-bolo) ny modelin’ny fahatsarana Breziliana, famantarana mazava nefa mampidi-doza tsy raharahian'ny fiaraha-monina, satria misy ny fijerena ambaratongam-pirazanana ao Brezila. Ohatra amin’izany fijery tsy mety izany ny nanambarany :

Outras pessoas em vários portais mostraram-se assustadas com o fato de um homem branco ‘bonito’  ser mendigo, chegaram a dizer que era golpe de marketing ou viral. Alguém já pensou do porquê desse ‘susto’?

Maro tamin’ireo olona tao amin’ny fampahalalam-baovao sosialy no tafintohina nahita fa mety ho mpangataka ny olona fotsy sy “be fiantra”, ary maro koa aza ny nilaza fa toa hetsika dokambarotra ny zava-drehetra. Misy olona mahita ny “antony” maha-sanganehana ny olona ve?

“Hung - Dreams burned by inequality. São Paulo-Brazil.” Photo by cassimano on Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Famantarana hafa hisian’ny fanavakavahana ara-tsosialy no adihevitra tao amin’ny Twitter indrindra mikasika ny an’i Rafael izay tokony ho eny amin’ny filatroana fa tsy eny an-dalana, vitsy dia vitsy ny manipika ny amin'ny lohahevitra ara-tsosialy  izay mahatonga ny fotsy manga maso ho olona kamo kanefa misy ireo mainty sy metisy an'arivony eo amin'ny firenena no “tsy hita maso” ao amin'ny fiarahamonina.

Tao amin'ny Twitter [pt], mpanao gazety Jéssica Batista (@jessicabatista) nanipika am-piesoesoana ity fomba roa (double-standard) ity:

O mendigo de Curitiba foi pra rehab. Legal. Mas só pq era branco de olho claro e todos ficaram com dó. CLAP CLAP CLAP

Nanaraka fitsaboana fialàna amin'ny zava-mahadomelina ilay mpangataka Curitiba. Saingy mahatsiaro malahelo azy ny sasany satria sady fotsy izy no manana maso manga.  CLAP CLAP CLAP.

Mazava loatra, tsara ny fihetseham-pon'ny tambajotran-tserasera nahitana ny zana-nanjò an'i tamin'i Rafael manokana ary fomba iray ahazoany manarina ny fiainany rehefa mitsabo tena amin'ny fialàna amin'ny zava-mahadomelina izy. Na dia izany aza, araka ny voalazan'i Fatima Tardelli sy ny olom-pirenena hafa ao amin'ny tambajotra, misy olana ara-tsosialy lalina avy amin'ny fahitana ireo fanehoan-kevitra feno fahagagana sy fahatezerana mikasika ny tranga mahazo azy, nefa matetika tsy raharahian'ny olona tanteraka ny tranga mikasika ireo olona mahantra sy ny voina mahazo azy manokana.

Satria any am-pototr'ity olana ity ny efa fanekena ao amin'ny tantara fa mifamatotra ny firazanana sy ny fahantrana, ka “ekena” io fifamatorana io raha toa ka mainty ilay olona, raha tokony hijerena azy ho vokatry ny taonjato maro nampiharana fanilikilihana ara-tsosialy sy ny politikam-panjakana tery saina ka vao haingana no nihevitra indray ny momba ny olana ara-pirazanana sy ny tsy fitoviana eo amin'ny firenena nefa 51 isan-jato [pt]n'ny mponina no taranaka Afrikanina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny