Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Kiobà: Nafoanan'ny Governemanta Ny Famerana Fandehanana Ho An'ny Olom-pirenena

Nanambara drafitra hanafoanana ny famerana ireo fivoahana mampiady hevitra ho an'ny vahoaka Kiobàna ny governemanta Kiobàna ,ny 16 Oktobra teo. Nandritra ny taompolo maro, dia mangataka alàlana any amin'ny governemanta ny Kiobana vao afaka mandao ny fireneny. Araka ny Gaceta Oficial de Cuba, gazety ofisialim-panjakana ho an'ny daholobe momba ny fanovàna ara-dàlana sy araka ny hitsiny, dia foana manomboka amin'ny Janoary 2013 io fepetra io.

Amin-kafaliana no namalian'ny mpampiasa Twitter sasany izany. Nibitsika i Francisco Vergara (@vergaraf1),

Celebro la decisión del gobierno de #Cuba de eliminar el permiso de salida a sus ciudadanos. Libre albedrío puro.

Ankalazaiko ny fanapahankevitry ny governemanta Kiobàna amin'ny fanafoanana ny fangatahana alàlana hivoaka ho an'ny vahoakany. Fahalalahana madio.

Luis A. Gonzalez (@3L_V0C3R0) nandre ny vaovao ary nanamarika fa ny fiovàna politika dia mety hitondra Kiobàna be dia be any Miami :

“Cuba elimina permiso de salida” A partir del enero 14 del 2013 los Cubanos podrán salir libremente de su país. Ahora es q Miami será Cuba

“Nofoanan'i Kiobà ny fangatahan-dàlana hivoaka” Manomboka amin'ny 14 Janoary 2013 afaka mandao ny fireneny malalaka ny Kiobàna. Ankehitriny dia ho tonga Kiobà i Miami

Pasipaoro Kiobàna. Sary tamin'ny Wikimedia  – sehatra ho an'ny daholobe.

Amin'ny fizotry ny fangatahana hivoaka ankehitriny, dia tsy maintsy mampiseho antontan-taratasy maro manambara ny anton-diany ny tsirairay ary avy eo dia mahazo taratasy fanasàna ôfisialy avy any amin'ilay olona na ny vondrona ivelan'ny firenena izay handray azy ireo mandritra ny fotoana hijanonany any. Ny mpiaro ny  zon'olombelona sy ny  tompon'andraikitra amin'ny governemanta vahiny dia manasokajy io politika io ho toy ny fanitsakitsahana ny zon'ny Kiobàna amin'ny fivezivezena. Na dia an'arivony aza ny Kiobàna mahazo fahazahoan-dàlana hivoaka isan-taona, dia tsapa  [es] fa ireo olona izay “tsara fitondran-tena” ara-politika amin'ny governemanta ihany no mahazo izany fahazahoan-dàlana hivoaka izany.

Raha toa ka manafoana ireo sakatsakana manahirana sy mandany vola any amin'ny birao mba ahazahoana mivoaka ny politika vaovao, dia mbola voasoratra ao amin'ny lalàna ihany fa ny governemanta dia mbola manana fahalalahana amin'izay olona tiany omena na tsy omena fahazahoan-dàlana amin'ny alàlan'ny fombafomban'ny pasipaoro. Nanazava i Martí Noticias [es] ny amin'ny mety handàvan'ny governemanta tsy hanome pasipaoro ho an'ny manana karazan'asa sasany ( mba hialàna amin'ny “fanasàna atidoha”) sy noho ny antony hafa ho fiarovam-pirenena.

Manoratra i Yoani Sánchez [es] bilaogera malaza sady mavitrika monina any Havana hoe

[A]hora en la propia confección y validación del pasaporte se definirá quiénes lograran franquear las fronteras nacionales y quiénes no.
[...]
esta no es la nueva ley de migración que estábamos aguardando. Demasiado limitada, demasiado estrecha. Pero al menos ha quedado por escrito una legalidad a partir de la cual ahora empezaremos a exigir, protestar, denunciar.

Ankehitriny ny fanaovana sy ny fankatoavana ny pasipaoron'ny tsirairay no hamaritra izay afaka  handingana ny sisintany na tsia.
[...]
Tsy izao ny lalàna momba ny fifindrà-monina vaovao nantenainay. Voafetra loatra, tery loatra izany. Fa farafaharatsiny, misy lalàna voasoratra izay ahafahantsika mangataka, manohitra , mitory.

Marta López [@aircag] dia naneho ny fahadisoam-panantenana mitovy amin'izany ao amin'ny Twitter:

#Cuba No se necesitara permiso de salida pero el gobierno tiene el derecho de no otorgarte el pasaporte si lo estima pertinente.

Tsy mila fahazahoan-dàlana hivoaka intsony ianareo fa ny  governemanta no manan-jo tsy hanome pasipaoro anareo raha izay no tiany.

Nanoratra i Larry Press teknology any Etazonia, izay mifantoka amin'ny foto-drafitrasan'ny aterineto any Kiobà :

Mora ny maka sary an-tsaina fa fomba ampiasaina tsy hanomezana pasipaoro ho an'ny olona tahaka ny bilaogera mampisaritaka, ny matihanina amin'ny tambajotra, ary ny mpianatra momba ny solosaina sy ny mpampianatra io. Azo sainina ihany koa fa hihamalalaka kokoa ny fivezivezen'ny vaovao sy ny fitaovam-pifandraisana sy teknolojia — indrindra eo amin'i Kiobà sy i Etazonia.

Ny haino aman-jery ao an-toerana dia mamakafaka ny vokatra mety ho entin'io fivoarana io any amin'ny firenena toa an'i Rosia sy Etazonia, izay firenena samy miavaka amin'ny politikan'ny fifindrà-monina ho an'ny Kiobàna. Any Etazonia, araka ny Lalàna tamin'ny 1966 momba ny Fandaminana ny Mpitsoa-ponenana Kiobàna, dia tsy mahazo fahazahoan-dàlana honina maharitra any ny Kiobàna raha tsy efa nipetraka herintaona tany.

Tsy vao voalohany izao fanafoanan'ny governemanta Kiobàna ny famerana ny fivoahan'ny olom-pireneny izao.Tamin'ny krizin'i Mariel Boatlift 1981 sy ny Krizin'i Balsero 1994 , navela nandao ny fireneny ny Kiobàna ka nandeha rodobe. Amin'ireo tranga roa ireo dia nahita ireo mpandinika ny tantara fa io fanovàna vonjimaika ny politikan'ny fivezivezena nataon'ny governemantan'i Castro io dia tetika amelana ireo mponina tsy faly handao ny fireneny, hetsika iray heverina fa hampihena ny tsindry mahazo ny governemanta hanova ny politika mametra ny zo ho an'olo-tsotra, eo amin'ny fifidianana, ny politika ary ny toe-karena. Raha nampitaha ireo tranga ireo sy ny zava-misy ankehitriny ny ankamaroan'ny haino aman-jery, tsy mazava loatra ilay fanapahan-kevitra noraisina tamin'ny herinandro lasa raha ao anatin'ny sokajin'ireo krizy voatonona ireo.

Ny manam-pahaizana Kiobàna momba ny toe-karena Phil Peters dia mahalala ireo teboka ireo, saingy nametraka ilay politika ho dingana tsara hampivoatra ny fiainam-pianakaviana izay voasaratsaraka ao Kiobà sy any amin'ny firenena hafa, ary hampisy fifanakalozana lehibe kokoa ara-pahalalàna sy ara-kevitra, ary ao koa ny renivola, eo amin'i Kiobà sy ireo firenena sisa maneran-tany.

Ny fanamby amin'izao fotoana izao dia toy ny hoe matanjaka kokoa i Kiobà miaraka amin'ny politikan'ny fifindrà-monina manara-dalàna kokoa sy maharaka toetr'andro- ary Kiobàna maro no mahazo fahalalahana hivezivezy, hamangy fianakaviana sy hijery izao tontolo izao ary avy eo mody.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny