Namoaka rakitsary an-tserasera izay “manome feo ho an'ny andaniny sy ankilany mpanohana an'i [Hugo] Chávez sy i [Henrique Capriles]” ny mpaka sary Portiogey Eduardo Leal.” Ao amin'ny ‘Endrika sy Feon'ny Fifidianana Iray’ no pihan'i Eduardo ny eritreritra sy ny tsinapan'ny vahoaka Venezoelana araka izay hanazavan-dry zareo izay hofidiany mandritra ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny Alahady 7 Oktobra 2012.
Ataony teny fampidirana ao amin'ny rakitsariny ny ambangovangon'ny 14 taona nitondran'ny filoha Hugo Chávez:
Tamin'ny fahatongavany teo amin'ny fitondrana nitondra ny sosialisma vaovao no nanova endrika ny firenena, izay nalaza tamin'ny hatsara-tarehin'ny mpifaninana ho oliravina sy amin'ny maha-toerana nahaterahan'i Simón Bolivar, mpanafaka an'i Amerika Latina azy teo aloha.
Najoro ny fanavaozana socialy, nanampy ny mahantra nitombo isa hanana fonenana sy fandaharam-pianarana. Omena feo ireo tsy nahazo izany mihitsy.
Notohizan'i Eduardo ny fanazavana fa, kely indrindra ny fanoherana, nandritra ny fotoana maro nitondran'i Chávez. Ny fanoherana izay “avy amin'ny saranga ambny nianoka tombontsoa maro tao amin'ny firenena manankarena solika nandritra ny taompolo maro,” araka ny filazany. Saingy navoitran'i Eduardo fa, nitombo [tsikelikely] hatrany ny fanoherana an'i Chávez rehefa nihanivandravandra ny olana isan-karazany.
Tonga tany amin'ny dingana mbola tsy nahitana azy hatramin'izay ny herisetra, izay mametraka an'i Caracas ho eny amin'ny faratampon'ny tanàndehibe mampidi-doza indrindra manerantany. Niteraka rivo-baovao sy nampahazo vahana ny fanoherana ny fahatapatapahan'ny herinjiro sy ny sakafo, ny fidangan'ny vidim-piainana ary ny kabary mivaivay nataon'ny Filoha.
Indry i Eduardo miresaka ny fisarahan'ny fiaraha-monina Venezoelana:
Ny mpanohana an'i Chávez, fantatra amin'ny hoe Chavistas, etsy ankilany ary ny etsy andaniny kosa ny mpanohitra dia ahitana tsy ny saranga antonony sy ambony fotsiny tahaka ny teo aloha, fa ahitana ny olo-tsotra rehetra mahatsapa fa mila fiovana ny firenena.
Ataony ho fanoharana i Henrique Capriles, mpanohitra an'i Chávez, ho tahaka ny tavan'ny “fijoroan'ny mpanohitra” sy “ny iray sambany afa-mifanindry hery amin'ny filoha Hugo Chávez.”
Amin'ny alalan'ity tetikasa ity i Eduardo no tia “hanangana fifankahazoana amin'izay eritreretin'ny vahoaka Venezoelana amin'ny fanovana sy ny fanantenany ho an'ny Firenena.”
Tsidiho ny rakitsariny an-tserasera raha te-hijery sy hamaky ny ‘Tava sy Feon'ny’ Venezoelana.
Azonao atao ihany koa ny manaraka ny asan'i Eduardo amin'ny alalan'ny Twitter (@Eduardoleal80), Facebook, ary Tumblr.