GlobalVoices anaty

Iran: “Avelao Any I Syria, Mba jereo Ny Aminay”

DikantenyLahatsoratra voadika amin'ny teny:

فارسی · ایران: "سوریه رو رها کن، فکری به حال ما کن"
বাংলা · ইরানঃ “সিরিয়াকে একা থাকতে দিন, আমাদের কথা ভাবুন”
Español · Irán: "Dejen a paz a Siria, piensen en nosotros"
Français · Iran: "Laissez tomber la Syrie, pensez plutôt à nous"
русский · Иран: «Оставьте Сирию в покое, подумайте о нас»
Ελληνικά · Ιράν: "Αφήστε ήσυχη τη Συρία, σκεφτείτε εμάς"
Nederlands · Iran: "Vergeet Syrië, denk aan ons!"
اردو · "ایران: "شام کو اکیلا چھوڑ دو، ہمارے بارے میں سوچو
Aymara · Iran: “Sapak Siria-r Jaytxapxam, Jiwasat Lup’ipxam”
English · Iran: “Leave Syria Alone, Think About Us”

Mpitandro filaminana any Teheran ny 3 Oktobra 2012, Loharano: Greencity

Tsy nisy tranombarotra nivoha tany amin'ny Tsenaben'i Teheran ny Alakamisy 4 Oktobra 2012, andro iray taorian'ny nanaovan'ireo mpitàna tranombarotra sy ireo mpivarotra fitokonana hanoheran'izy ireo ny fitotongan'ny sandam-bolam-pirenena tato ho ato ny Alarobia. Namoaka lahatsary maro mikasika ireo fitokonana tamin'ny Alarobia; ny fisian'ireo mpitandro filaminana tany amin'ireo faritry ny tsenabe, sy ireo tranombarotra nihidy ireo Iraniana mpampiasa aterineto. Kalmeh, vohikalan'ny mpanohitra dia mitatitra fa mpanao fitokonana maro no voasambotra tamin'ny Alarobia.

“Avelao i Syria ho any, mba jereo ny aminay”

Nihoraka ny vahoaka “Avelao i Syria ho any, mba jereo ny aminay” tany amin'ny Kianjan'ny Toopkhone tany Teheran. Nanambara imbetsaka ny Fanjakana Iraniana fa manohana ny fitondrana Syriana, ary ireo tatitra-nà vaovao farany milaza fa namindra $10 lavitrisa dollars tany amin'i Syria i Iran. Vaovao mampitroatra izany satria anatin'ny fotoana hararian'ny vahoaka Iraniana noho ny vokatry ny krizy ara-toekarena lalina nateraky ny sazy iraisam-pirenena mihatra amin'Iran.

Ireo Mpitandro filaminana tany amin'ny Tsenaben'i  Teheran

“Tokony hidina ny sandan'ny Dollar”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.


Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny