GlobalVoices anaty

Lahatsary: Fipoahana Volokano San Cristobal Tao Avaratry Nikaragòa

DikantenyLahatsoratra voadika amin'ny teny:

Español · Video: Erupción del volcán San Cristóbal al norte de Nicaragua
বাংলা · ভিডিওঃ উত্তর নিকারাগুয়ায় সান ক্রিস্টোবাল আগ্নেয়গিরির উদ্গিরণ
Shqip · Video: Shpërthimi i vullkanit "San Cristobal" në Nikaraguan Veriore
Filipino · Bidyo: Pagsabog ng Bulkang San Cristobal sa Hilagang Nicaragua
عربي · فيديو: ثوران بركان سان كريستوبال في نيكاراجوا
Français · Nicaragua : Des vidéos de l'éruption du volcan San Cristóbal
English · Video: San Cristobal Volcano Eruption in Northern Nicaragua

Manana ny lisitry ny lahatsary mampiseho fipoahana volokano nanohina tao Nikaragòa tamin'ny 8 Septambra lasa teo ireo mpisera YouTube. Volokano San Cristobal, izay avo indrindra ao amin'ity firenena Amerika Afovoany ity, no nipoaka tamin'ny Asabotsy maraina tamin'ny 9:02, namoaka setroka sy lavenona ka nahatonga ny manampahefana tao an-toerana namindra ireo mponina maherin'ny 3000 tao Chinandega.

Mampiseho ny fiakaran'ny lavenona ity lahatsary ity ka manontany ny fomba rehetra tokony atao ireo naka ny sary raha tokony hoesorina ao amin'ny faritra izy ireo:

Amin'ity lahatsary hafa ity, hita fa miitatra mankao an-tanàna mpifanolo-bodirindrina ao Chichigalpa ny setroky ny lavenona:

Amin'ity lahatsary iray manaraka ity kosa, tamin'ny 1:09,  setroka sy lavenona hafa indray no nivoaka avy tao anatin'ilay volokano, ka nahatonga ny olona naka ny sary haneho hevitra fa mbola tsy nahita fipoahana volokano mahery vaika tahaka izao izy:

San Cristobal Volcano Nicaragua September 8th explosion by Ricci Rich Silva

Volokano San Cristobal Volcano nipoaka tamin'ny  9 maraina ny  8  Septambra 2012 tao Nikaragoa. Sary avy amin'i Ricci Rich Silva via Twitpic.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.


Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny