Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Afrika: Hialàna Amin'ny Ozon'ny Harena An-kibon'ny Tany

‘Ozon'ny harena an-kibon'ny tany’ – ho an'ireo firenena Afrikana maro, mitondra ozona sy tsy azo ialàna ireo teny roa ireo. Manome fanazavana lojika ho anà hevitra izay mbola tsy hay hazavaina sy tsy azo leferina ho an'ireo mpandinika maro ihany koa ireo: ‘Maninona ireo firenena Afrikana feno harena voajanahary tahaka ny Repoblika Demokratikan'i Kongô, Nizeria na Madagasikara raha tsy hilaza afatsy vitsivitsy, no tratran'ny fahantrana raiki-tampisaka?’

Sehatra iray saro-takarina ny ozon'ny otrikarena, izay natao hanazava ny fomba fiasa  mitondra ireo faritra manan-karena voajanahary ho anatin'ny fahantrana mandritra ny fotoana maharitra. Anatinà lahatsoratra iray nivoaka vao haingana, nanome ity fanairana manaraka ity, izay mikasika ny sehatry ny ozon'ny harena an-kibon'ny tany, ilay mpahay toekarena nahazo Nobel momba ny toekarena Joseph Stiglitz:

Raha ny salanisa, mbola mahantra lavitra noho ireo firenena tsy ahitàna otrikarena ireo firenena izay manana izany harena izany. Miadana ny fitombon'izy ireo, ary miharihary ny tsy fitoviana – mifanohitra tanteraka amin'ny eritreretin'ny olona [...] be mpahafantatra ny telo amin'ireo singa ara-toekarena mamorona ny ozona:

  • Mirona mankamin'ny fanànana vola matanjaka ireo firenena manan-karena an-kibon'ny tany, izay manelingelina ireo fanondranana hafa;
  • Koa satria matetika dia kely ny asa foronin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany, mitombo ny tsy fanànan'asa;
  • Mitarika tsy fahatomombanan'ny fivoarana ny fiovaovan'ny vidin'ireo harena an-kibon'ny tany, ampian'ireo banky iraisam-pirenena izay mihazakazaka rehefa miakatra ny sandam-bidin'ireo akora voajanahary ary mialà ohatra ny tsy teo vantany vao mihena izany (mitaratra ny fepetra mamaritra fa tsy mampindram-bola afa-tsy amin'ireo firenena tsy mila ny volany ireo banky).

Ankoatra izay, matetika dia tsy manaraka paikady fivoarana maharitra ireo firenena manan-karena an-kibon'ny tany. Tsy tonga saina izy ireo hoe rehefa tsy averiny ampiasaina aminà fotodrafitrasa mamokatra hita maso ety ambonin'ny tany ny vokatr'ireo harena an-kibon'ny tany azony , dia mampahantra azy hatrany. Manampy trotraka ny olan'ny tsy fahatomombanana ara-politika, satria miteraka fiakaran'ireo governemanta mpanao kolikoly sy tsy demaokratika ny fifandirana eo amin'ny fahazoana ny tombontsoa azo avy amin'ny harena an-kibon'ny tany.

Land construction in Madagascar. Photo by Foko Madagascar, used with the author's authorization

Fanamboarana tany any Madagasikara. Sary an'ny Foko Madagascar, nampiasaina teo ambany famelàn'ny tompony

Mety hamaritra ny toerana misy ireo firenena maro ity lisitra eto ambany ity,  avy amin'ny kaontinanta Afrikana ny ankamaroan'izy ireo. Ny fanontaniana mibahan-toerana anatin'ny sain'ny vahoaka sy ireo maro nahita fianarana dia ny hoe “inona ary no vahaolana”?

Nizeria

Mandrakotra 923.768 km² i Nizeria ary manana tahirina solika tombatombanana eo amin'ny 35 lavitrisa barika (5.6×109 m3) eo ho eo sy entona voajanahary mihoatra ny 100 ‘trillion cubic feet’ (2.800 km3).

Nizeria no mpiara-miasa be indrindra amin'i Etazonia amin'ny resaka varotra any Afrika atsimon'i Sahara ary manome azy ampaha-dimin'ny solikany (11% amin'ireo fanafàrana solika). Amin'izao fotoana izao dia miatrika fivelarana ara-toekarena goavana i Nizeria, nefa nandritra ny fotoana maharitra dia izy no firenena nisongadina indrindra noho ny tsy fahaiza-mampiasa ny harena voajanahary.

Anatin'ny boky ‘The Political Economy of Poverty, Equity and Growth: Nigeria and Indonesia‘ (Ny Toekarena Ara-politkan'ny Fahantràna, ny Fitoviana ary ny Fandrosoana), mandinika ireo harena ara-toekarena misandrahaka any Indonezia sy Nizeria ny taona 1950 ka hatramin'ny faramparan'ny 1990 ireo mpahay toekarena David Bevan, Paul Collier ary Jan Willem Gunning:

Mamaritra karazanà singa mifandray amin'ny toekarena, politika ary rafitra sosialin'ireo firenena ireo tsirairay avy izy ireo. Ny voalohany dia ny fahitàna fa niharanà fiovaovàna kokoa tamin'ny vidin-tsakafo maneran-tany noho i Nizeria i Indonezia tamin'ny taona 1950 ka hatramin'ny 1980 satria mpanafatra vary betsaka izy. Nahatonga ny governemanta Indoneziana nisaina kokoa ny amin'ny fanandratana ny fampandrosoana ny fambolena mihoatra noho ny governemanta Nizeriana izany. Ny faharoa dia satria mamaly ny mahantra kokoa ny governemanta Indoneziana noho ny miaramila Indoneziana nahatsiaro tena ho manana ‘asa roa'’ – dia ny andraikitra amin'ny sosialy sy politika  ary ireo asa miaramila. Ny fahatelo dia satria manam-piaviana avy any Shina ny sangany indrindra ara-barotra ao Indonezia, singa iray mahatonga azy marefo ara-politika, raha avy any Atsimon'ny firenena kosa ny matanjaka ara-barotra indrindra ao Nizeria, izay itoeran'ny mpanohitra goavana indrindra ny mpitondra eo an-toerana. Nidika izany fa nanana antony samy hafa nandrisika azy ireo mpitondra mitarika ireo firenena roa raha ny resaka fanalalahana ny toekarena.


Miresaka mikasika ireo fiantraikan'ny fanondranana loharano voajanahary eo amin'i Afrika ny mpahay toekarena Paul Collier. Lahatsary an'ny Carnegie Council

Amin'izao fotoana izao dia nirotsaka anatin'ny fanalalahana ny toekarena i Nizeria ary manao ho laharam-pahamehana ny fivoaran'ny sehatra tsy miankina mba hanosehana ny toekareny ka nahitàny fivoarana 8% tsy miova nandritra ireo enin-taona lasa. Na eo aza izany, mbola maro ireo loharano voajanahary tahaka ny entona voajanahary, arintany, bauxite, tantalite, volamena, tin, vy, calcaire, niobium, firaka sy ny varahina no tsy voatrandraka araka ny tokony ho izy.

Tsy afaka hamaha samy irery ny ozon'ny otrikarena ny fanalalahana. Mba hampiatoana ny fandanindaniam-poana ireo harena an-kibon'ny tany ireo, tsy maintsy misaina fepetra hafa, tahaka ny voalazan'ireo manam-pahaizana Subramanian sy Martin :

  • Tokony hahazo zara mitoby amin'ny solika ny vahoaka Nizeriana.
  • Fananganana vola enti-miasa na fitsinjaràna ireo vola miditra ankehitriny
  • Famotsiana ny trosa
  • Fiaraha-miasa amin'ireo orinasa mpamokatra solika any ivelany

Madagasikara

I Madagasikara dia iray amin'ireo firenena mahantra indrindra eran-tany, na eo aza ny loharano voajanahary maro ananany (isan'izany ny rofia, trondro ary ny fitrandrahana ny ala), fantatra indrindra izy noho ny tsy fahaiza-mitantana ireo tany famboleny. Nanoratra i Marc Bellemare tanatinà lahatsoratra vao haingana izay (Jolay 2012) mikasika ireo zo amin'ny fananan-tany ao Madagasikara:

Satria fananam-panjakana ireo tany tsy misy baorina sy tsy misy voly, miantona ireo fangatahana an-tapitrisany maro hahazo ireo tanin'ny governemanta. (..) Rempotra ny masoivohon'ny governemanta foibe miandraikitra ny resaka tany. Banky rompitra ny rafitra fanomezana taratasy fananan-tany ary maro ireo tompon-tany no mahatsapa tena ho tsy voaaro amin'ny taniny manokana. Ankoatra izany, miseho matetika ny ady tany, sarotra dia sarotra ny mahazo taratasy fananan-tany raha tsy manao risoriso amin'ny manam-pahefana tompon'andraikitra, ary toa tsy manana ny faharisihana handany vola amin'ny taniny manokana ireo tompon-tany.

Mampiroborobo ny kolikoly ny rafitra tahaka izany, singa iray goavana amin'ny fivoaran'ny ozon'ny otrikarena. Niadian'ny Hetsika Hampangarahara Ny Orinasa Mpitrandraka (EITI) hevitra io ozon'ny harena an-kibon'ny tany  io tamin'ny 2007:

Nirotsaka tanatin'ny mangarahara i Madagasikara amin'ny fitantanana ireo vola miditra avy amin'ny harena an-kibon'ny tanin'i Madagasikara. Manamafy ny fahalinany tsy miato amin'ny ady amin'ny kolikoly ny Governemantan'i Madagasikara ary manome toky ny mangarahara hanatratrarana ireo tanjon'ny fivoarana. Nanao “fanambarana” ampahibemaso ho an'ny EITI ireo solontena avy amin'ireo orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany dimy: Rio Tinto / QMM (ilmenite); ExxonMobil (solika an-dranomasina); Dynatech/Sherritt (nikela/cobalt); Madagascar Oil (solika ambanin'ny tany); ary ny KROAMA (krôma). Ho valin'ny fanontaniana, nanazava ny solontenan'ny orinasa iray fa ireo fandoavam-bola taterin'ny orinasa sy ireo vola niditra taterin'ny governemanta dia ho ampitahaina sy hodinihan'ny vondron'olona iray mahaleontena.

Nanapaka izany tanjona izany *ny fiovan'ny fitondrana tamin'ny 2009 ary tsy mazava ny toeran'i Madagasikara eo amin'ny olan'ny fangaraharana ho an'ny harena an-kibon'ny taniny. Ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena tamin'ny 2010 dia manamarika fa mbola tena manify dia manify ny mangarahara amin'ireo raharaha fitrandrahana harena an-kibon'ny tany, indrindra eo ambanin'ny governemantan'ny tetezamita:

Eo ambanin'ny governemantan'ny tetezamita, toa nendahana ny asan'ny kadasitry ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany manontolo, miaraka amin'ireo fanapahan-kevitra mikasika ny fanomezana fahazoan-dàlana vaovao navoaka tsy nampandalovina ireo mpanao politika. Miaraka amin'ny fitomboan'ny fangatahana zo hitrandraka ao Madagasikara, toa hitombo ity fakàm-panahy ity. Raha mihanaka izany, mety hiteraka hampihena ny vola enti-mitrandraka amin'ny fizahana sy ny fitsapana ny tombontsoan'i Madagasikara amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany mandritra ny fotoana maharitra ny fitadiavam-dola ity. [..] Misy risika ny amin'ny hitadiavan'ireo mpitondra politika hihemotra amin'ny sehatry ny hetra ho an'ireo orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany goavana. Koa satria tsy maharitra sy mbola miovaova ny fiaraha-mitantana eo amin'ireo mpitondra amin'izao fotoana, amporisihana ny paikady ‘fanavotana’ mandritra ny fotoana fohy. Indrindra rehefa eo ambanin'ny famoretana ara-ketra, mety hametraka ny fahalinany mandritra ny fotoana fohy amin'ireo vola azo avy amin'ireo orinasa indostrialy mpitrandraka ireo sangany ara-politika raha tokony hifantoka amin'ny tanjona mandritra ny fotoana maharitra hisarihana ny famatsiam-bola amin'ny hoavy avy amin'ny alalan'ireo firotsahana an-tsehatra azo antoka.

Mba hialan'i Afrika amin'ny kolikoly sy ny ozon'ny harena an-kibon'ny tany, mazava fa mila mandray fepetra maro sy ezaka goavana avy amin'ireo mpandray anjara matanjaka maro, na izany avy amin'ny sehatra tsy miankina na ny an'ny fanjakana. Na dia mety harefo aza ny fivoarana, tena misy izany ho an'ireo firenena Afrikana vitsy manan-karena an-kibon'ny tany tahaka an'i Nizeria. Làlana iray afaka hakan'ireo firenena mbola tena an-dalam-pandrosoana sahala amin'i Madagasikara tàhaka izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.