Shina : Mpitati-Baovao Nametra-pialàna Fa Nanao Vazivazy Ratsy Momba Ilay Vehivavy Mpanamory Sambondanitra

Nisolotena tamin'ny fandefasana ny Fiarandanitra Shenzhou 9, iraka an-habakabaka ho fanehoana ny voninahi-pirenen'i Shina i  Liu Yang vehivavy mpanamory sambondanitra. Talohan'izay anefa,  nisy fanapahan-kevitry ny iray avy amin'ny mpanao gazetin'ny “Southern People Weekly” Cao Linhua hikosoka ny hatsikana maloto nataon-dry zareo tamin'ny sehatra media sosialy be mpisera indrindra ao Shina, Weibo Sina, momba an'i Liu sy ireo mpanamory sambondanitra miara-miasa aminy izay niafara tamin'ny fametraha-pialàny.

Tamin'ny datin'ny 12 jona ( fa voafafa, saingy navoakan'ny gazety mpiseho isan'andro ao Malazia Sin Chew Daily indray) ny fanehoan-kevitr'i Cao voalohany.

2男1女上天,要是上天下來後檢查懷了孕怎麼辦?這是不是國家培訓太空人計劃之一?

Lehilahy 2 ary vehivavy 1 mankany an-danitra, kanefa ahoana raha toa bevohoka ity farany tafaverina avy any? sa anisan'ny fanazarana ireo mpanamory sambondanitra izany?

Liu Yang, vehivavy mpanamory sambon-danitra voalohany any Shina. Saripika avy amin'ny Off Beat China.

Nahatezitra ireo mpiserasera aterineto indrindra ilay vazivazin'i Cao, nefa tamin'io fotoana io koa no nanasongadinan'ireo mpisera aterineto hafa ny fahatsapany amin'ny fampitahana an'ireto vehivavy roa, Liu Yang sy Feng Jianmei any Shina.

Ny voalohany dia natao ho masoivohon'ny Fanjakana ary  nahazo ny lanitra, raha tafalatsaka tany amin'ny helo amin'io fotoana io ihany noho ny herin'ny fahefana hanala zaza ny farany.

Liz Carter avy ao amin'ny Tea Leaf Nation nanazava ny fihetseham-pony tamin'ny alalan'ny dikantenin'i “Sudd's” (@假裝在紐約‘s) Sina Weibo:

 Afaka mandefa vehivavy taikonaut mahefa tsara eny an-habakabaka isika, ary afaka manala zaza ambohoka fito volana hiala an-tanindrazana koa. Asehon'ny anjara sy vintan'ireto vehivavy roa, 33 ans, Liu Yang ary 22 taona [sic] Feng Jianmei, ny fanasongadinana mazava indrindra ny “faharovitan” (fahasimban)'ity firenena ity. Raha toa ka mampamirapiratra ny henatra sy ny fahadisoam-panantenana ny voninahitra sy ny nofinofy, miara-dalana ny teknolojia avo lenta sy ny fanosihosena ny vahoaka. Manidina eny an-habakabaka ny balafomanga raha mirefarefa amin'ny tany ny maoralin'ny vahoaka, mitsangana ny firenena ary ny olona mandohalika ao anatin'ny fankatoavana. Izany no fihaonan'ny fotoana tsara indrindra sy ny fotoana ratsy indrindra.

Voafindran'ny bilaogera malaza Han Han tamin'ireo mpankasitraka azy an-tapitrisany indray avy eo ny bilaogy bitik'i Sudd, nahazo fanamarihana betsaka nanerana ny sehatra media sosialy izany [Voafafa ihany koa ny filazan'ny Han Han]

Na izany aza, nifanohitra indrindra tamin'ny nahazo vintan'ilay vahinin'ny CCTV Yang Rui, izay nanamarika fandatsana avokoa mikasika ilay  “fanadiovana ireo fako vahiny” izay narovan'ireo mpanentana ao amin'ny haino aman-jerim-panjakana izany, Vaovaon'ny Vahoaka [zh] nanatsonga fanadihadiana tao amin'ny fitsapa-kevitra Weibo [zh] natsangan'ilay mpisera Maenliesimao (@大史公說),ary ny valiny nivoaka dia ny 91% amin'ireo mpisera aterineto nahatsapa fa tokony hametra-pialana amin'ny gazety i Cao [ambanin'ny 87% rehefa tapitra ny fitsapa-kevitra].

Nanao fialan-tsiny ampahibemaso i Cao ny tamin'ny 19 Jona. Saingy nisy fanisana misaraka[zh] nataon'ny Zhang Hai  (@烟大張海) izay nampiseho fa ny 64,8% tamin'ireo namaly no manohitra ilay fangatahana ny fametram-pialan'ny M.Cao, toy ny manampy olona iray izay naniratsira, tsy ireo mpanamory sambondanitra ihany fa ny iray tamin'ireo tetikasa hanomezam-boninahitra ny firenena koa ny hevi-bahoaka.

Amin'izany, indreto misy adi-hevitra vitsivitsy tao amin'ny Weibo tamin'ilay fametraham-pialan'i M.Cao [zh]:

@九成博友: 曹林华的错误属于言论型错误,这种错误受到惩罚的程度主要取决于扩散范围和影响。作为知名报社的记者,他在微博上发表言论导致的扩散范围和影响远超过普通网民。如果是普通网民,不可能有这么多人关注,也就不会造成如此大的扩散范围和影响。

@九成博友:Nanao fahadisoana i Cao, ny famaizana amin'izany dia miankina amin'ny ambaindainy sy ny fahefany. Amin'ny maha-mpanao gazety amin'ny sampan'orinasa gazety malaza azy, manana ny lazany kokoa ny soratany amin'ny bilaogy bitika noho izay soratan'olontsotra hafa.

@金台-夕照: 人只因其犯的错受到惩罚,而不因其所在的地位而受到惩罚,曹记者出口轻浮、隐念不堪、性别歧视,这远远超过“调侃”范畴。无论其是不是知名报社的记者都应 当受到惩罚,有些人会因为没有人注意到而没有受到惩罚 。

@金台-夕照Voasazy noho ny fahadisoany ihany ny olona fa tsy noho ny satany. Tsy misy vidiny ny tenin'i Cao, ary ambony noho lavitra noho ny kivalavala nataony ny fanavakavahana ny vehivavy tamin'ny teniny; tokony hosaziana izy, na mpanao gazety izy na tsia, na nisy namaky na tsia ny zavatra nosoratany

@麦道与波音 我仍然坚持这是言论自由。道歉可以,上升到辞职就拔高了,捍卫他人的权益最终即是捍卫自己的权益

@麦道与波音Antitrateriko fa resaka fahafahana maneho hevitra io. Ilaina ny fialan-tsiny, fa tafahoatra kosa ny hoe fametraha-pialana. Mino aho, fa amin'ny fiarovana ny zon'ny hafa, any ambadik'izany miaro ny zontsika ihany isika.

@柯华上海:他的话是玩笑?他的话是对女性的侮辱!

@柯华上海Sangisangy ve izay? faniratsirana ny vehivavy izany!

@木易金昆:“发微博的时候是一名公民”?公民就有肆意辱骂他人的权利么? @曹林华 就是个法盲加流氓,必须要让他付法律责任。大家可以联名起诉他。

@木易金昆Nilaza ve izy hoe olom-pirenena rehefa mibilaogy? Manan-jo minia haniratsira ny hafa ve ny olom-pirenena iray? dombo izy ary tsy mahafantatra na inona na inona mikasika ny lalàna. Tokony hizaka ny andraikiny ara-dalàna izy ary melohina ho nanao faniratsirana.

@莲花台888: 发微博和不发微博的时候都是人。人,在任何时候都不能把自己降低到畜生的档次。

@莲花台888  Olombelona ianao ka tsy jerena raha mamahana bilaogy ianao na na tsia. Tokony hihevitra ny tenanao ho olombelona ianao fa tsy manambany ny tenanao.

@美国移民律师事务所老叶:为什么要带这么大的帽子给这个年轻记者?美国直接就是讨论太空人的性生活问题,新浪昨天也有报道。

@美国移民律师事务所老叶Fa nahoana ity mpanao gazety mbola tanora no nahazo ny mahamay toy izany? ny Amerikana no miresaka malalaka ny fananahana eny an'habakabaka, izaho ary vao omaly nahita fitantarana vaovao mikasika izany tao amin'ny Sina.com

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.