GlobalVoices anaty

Frantsa : Fihetseham-po An-tsary ny Valim-Pifidianana Filoham-Pirenena

DikantenyLahatsoratra voadika amin'ny teny:

English · France: Reactions to Presidential Election Results in Photos
Nederlands · Frankrijk: Reacties op uitslag presidentsverkiezingen in foto's
polski · Francja: Reakcje na wyniki wyborów prezydenckich na zdjęciach
Filipino · Pransiya: Mga Litrato ng Reaksyon Matapos ang Halalan sa Pagkapangulo
Deutsch · Frankreich: Reaktionen auf die Ergebnisse der Präsidentschaftswahlen in Bildern
عربي · فرنسا: صور تظهر ردود الأفعال على نتائج الإنتخابات الرئاسية
বাংলা · ফ্রান্সঃ ছবিতে রাষ্ট্রপতি নির্বাচনের প্রতিক্রিয়া
Български · Франция: Реакциите след президентските избори в снимки
македонски · Франција: Реакциите од резултатите од претседателските избори преку фотографии
繁體中文 · 法國:以照片回應總統大選結果
简体中文 · 法国:以照片回应总统大选结果
Português · França: Reações ao Resultado da Eleição Presidencial em Fotos
Español · Francia: Reacciones en fotos a las elecciones presidenciales
Français · France : Les réactions aux résultats de l’élection présidentielle en photos

Nivoaka ny valim-pifidianana ny filoham-pirenena frantsay 2012, ny fahafolo nandritra ny Repoblika fahadimy ny 6 mey 2012. Tamin'ny fifidianana fiodinana voalohany 22 avrily, nitarika i François Hollande ka teo alohan'i Nicolas Sarkozy tamin'ny ampaham-bato 28,63 % sy 27,18 % tamin'ny vato manankery. Tamin'ny fiodianana faharoa kosa, François Hollande nahazo ny ampaham-bato 51,90% tamin'ny safidy raha 48,10% kosa ny an'ilay filoha am-perinasa Nicolas Sarkozy. Hanaraka ny fifidianana filoham-pirenena ny fifidianana antenimiera izay hotontosaina amin'ny 10 sy 17 jona 2012 ho avy izao.

Teo am-piandrasana ny valim-pifidianana 

Nifamotoana ao amin'ny Mutualité ny mpanohana an'i Nicolas Sarkozy nialoha ny nifanaovana fotoana teo amin'ny Place de la Concorde (Fiovana tamin'ny ora farany no nanafoana ny fihaonana teo amin'ny place de la Concorde).  Indro ny sary tao amin'ny Mutualité tamin'ny 7 ora alina :

Efitranon ny Mutualité tamin ny 7 ora hariva @fgerschel hita Twitter

Ny mpanohana an'i François Hollande kosa nifamory teo amin'ny lalana Solférino mialoha ny hizorana ho eny amin'ny la Bastille raha mby amin'izay fandresena.

Kianja la Bastille à tamin ny 7 ora hariva @Laurent_Berbon hita Twitter

Mitaintaina miandry ny voka-pifidianana ny tanànan'i Tulle nifidy an'i François Hollande ho Ben'ny tanàna :

Kianja afovoan-tanànan i Tulle araka an i @webarticulista

Fanambarana ny vokatra

Ny tsy fahazoana milaza ny vali-pifidianana mialoha ny amin'ny valo ora no niteraka ny mpisera hampiasa tetika maro samihafa hiady hevitra momba ny tombana hita any amin'ny haino amanjery vahiny. Nifaninanana nampiasaina tamin-kefetsena ny tenifototra  #radiolondres teo amin'ny mpisera :

le Hash tag #radiolondres sur twitter

Hafaliana sy alahelo 

Maro ny mpikatroka no nifety ny voka-pifidianana teo am-panambarana azy :

Fankalazana teny amin'ny la Bastille @samschech

Alahelo nisoritra teny amin'ny mpanohana ny filoha am-perinasa :

mpikatroka UMP nitomany hitan i @Alexsulzer

Matroka ny soritra hita teny anoloan'ny mutualité teo am-pihainoana ny voka-pifidianana :

Teo am-pandrenesana ny voka-pifidianana teo anoloan ny mutualité, nahita i @eanizon

Mety ho hita amin'ireto tranonkala manaraka ireto ny kabarim-pamaranana ny fifidianana eo amin'ny kandidà : (François Hollande sy Nicolas Sarkozy).

 

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.


Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny