Ny Talata 24 Aprily 2012, maty i John Alexander Larrahondo, 12 taona, herinandro taorian'ny namonoan'ny telo tamin'ireo mpiara-mianatra aminy azy noho ny niarovany zazavavy 9 taona avy ao amin'ny kilasin'izy ireo, araka ny tatitra. Tany amin'ny Sekoly Los Gómez [es], any amin'ny faritra ambanivohitr'i Itagüí, kaominin'ny Departemantan'i Atioquia manakaiky an'i Medellín no nitrangan'io loza io.
Na dia nanambara aza ny mpitsabo mpahay lalàna[es] fa aretin'ny taolana no nitarika ny fahafatesany, nandà izany fanapahan-kevitra izany ny reniny [es] sy ireo manam-pahaizana vitsy [es] ary nilaza fa ilay fidarohana azy no antony tena niteraka ny fahafatesany.
Nanokatra [es] fanadihadiana ny Biraon'ny Mpampanoa Lalàna, ary nanambara ny Minisiteran'ny Fitsaràna fa “tsy azo ekena” ny fidarohana ary tsy maintsy iadian'ireo manampahefana tomponandraikitra (dia ny Minisitry ny Fanabeazana sy ny Fitsaràna, ny Biraom-panjakana Kolombiana misahana ny Fiahiana ny Fianakaviana, ary ny Biraon'ny Mpampanoa Lalàna). Mandritra izay fotoana izay, nilaza [es] ny loholon'ny Antoko Maitso Gilma Jiménez fa hitondra ilay raharaha any amin'ny Kongresy ny tenany.
Ao amin'ny Twitter, manoratra i @mariaramitas (1, 2) [es]:
El problema de los chinos de ahora es que ven el matoneo como simple mamadera de gallo. Y los profesores no es que hagan mucho tampoco. Y si lo del matoneo sigue así, no demoran dos culicagados y agarrar el colegio a bala a lo Columbine. Pilas profesores.
Amin'alahelo, mitoraka bitsika i Juan Gonzalo Benítez (@juanbenitez1973) [es]:
Triste, indignado… un niño de 12 años murio por una paliza. Lo mataron a patadas porque “puso la queja” de que agredieron a otra niña
Maneho ny faharatsian'ny eritreriny i María Isabel Ángel (@MaisAngel) [es]:
A mí lo de la muerte del niño por matoneo en Itagüí me quita aún más la fe en la humanidad. Queda uno desmoralizado
Mihetsi-po [es] amin'ny fanapahan-kevitr'ilay mpitsabo mpahay lalàna i Lina Rouge (@linarouge):
Bueno espero que ahora que se sabe que el niño no murió por los golpes, no nos hagamos los bobos con el asunto del “matoneo” en los colegios
Namoaka bitsika maro momba io raharaha io (1, 2, 3, 4) ny mpanao gazety Víctor Solano (@solano), [es] ary namelabelatra izany tamin'ny dikan-teny Kolombiana tanatin'ny pejy natokana ho azy [es] ao amin'ny gazety Kolombiana maimaim-poana mivoaka isanandro, Metro [es]:
Anoche creo que a varios se nos escurrieron las lágrimas con la nota del niño asesinado por sus compañeros de clase por defender a una niña. Y eso que la nota no fue amarillista; simplemente mostró que nuestra sociedad está incubando una generación movida por el odio. […] Nuestra sociedad perdió los lacrimales por agotamiento; nos secamos cuando la violencia se volvió paisaje y la indolencia nos gobernó. La muerte de ese niño nos comprueba que tocamos fondo, pero aún así seguimos cavando como esperando encontrar lo peor de nosotros.
Manoratra i Carolina Ruiz (@CaroRuizG) [es] milaza fa tsy nahaloa-bava izy, raha nitoraka bitsika kosa i @lncognito [es] fa tokony ho vahana amin'ny alalan'ny fanabeazana izany olana izany fa tsy amin'ny alalan'ny famoretana.
Anatin'ny tontolon'ny bilaogy, manoratra [es] momba ny andraikitr'ireo ray aman-dreny, ireo mpampianatra, ny Fanjakana i colombiaopina, ary mangataka ny famerenana hijery ireo lalàna:
Urge entonces una revisión e integración de las normas que tienen que ver con las conductas delictivas de infantes y adolescentes, haciendo más drásticas las medidas cautelares en desarrollo de la implementación del Sistema de Responsabilidad Penal de niños y adolescentes de que trata el Decreto 4652 de 2006.
Jaime Andrés Jaramillo Botero, ao amin'ny Ojo en lupa, manoratra hoe [es]:
Pero el control y la observancia, como dijo Fajardo, deben partir de nosotros como padres, responsables del futuro de nuestros hijos; y de la Escuela, como el aparato ideológico por excelencia, al cual le confiamos la educación de nuestra descendencia.
Farany, mitsikera [es] ny kaominin'i Itagüí sy ny media noho ny fifantohan'izy ireo amin'ilay zava-nitranga nefa tsy mitatitra ny tontolon'ilay fianarana any ambanivohitra sy ny toerana misy ireo mpampianatra any amin'ny manodidina, i Wilmar Mejía:
El matoneo entre los escolares implicados es objeto de noticia, pero nada se comenta porque no hay interés en hacerlo, acerca de la historia reciente de la Institución Educativa, de sus procesos académicos y administrativos, del déficit de oportunidades de recreación, cultura, deportes o de continuidad en el ciclo de formación técnica, tecnológica o profesional, para los niños y jóvenes que residen en las veredas.