Lahatsary: Fikambanana Tsy Maka Tombombarotra Mampiseho ny Asany an-Dahatsary Nahazoany Loka

Nambara tamin'ny 5 Aprily 2012 lasa teo ny mpandresy tamin'ny Loka doGooder andiany faha-enina ho an'ny lahatsary mendrika indrindra avy amin'ny Fikambanana Tsy Maka Tombombarotra . Ireto avy ny lahatsary nandresy izay ahitana sokajy efatra: fikambanana madinika, salantsalany sy lehibe ary ny tantara tsara indrindra , eo koa  ny lahatsary 4 mendrika indrindra sokajy “tsy matahotra” na fearless.

Ho an'ny fikambanana madinika, ny Protect the Defenders (Arovy ny Mpiaro) no nahazo ny loka, fikambanana izay miaro, manohana ary mampandray fitenenana ho an'ireo manao fanompoam-pirenena ao Etazonia ka iharan'ny fanolanana na  herisetra ara-nofo ataon'ny mpiara-miasa aminy.

Ny loka ho an'ny fikambanana salantsalany kosa dia azon'ny Solid Women (Vehivavy Matanjaka), notontosain'i Fonkoze, izay nampisongadinany ny fiantraikan'ny fandaharan'asan'ny orinasa mpampindram-bola madinika mieli-patrana indrindra ao Haiti amin'ny vehivavy dimy samihafa.

Ny loka ho an'ny fikambanana lehibe indrindra kosa dia lasan'ny lahatsary notontosain'ny  Cystic Fibrosis Foundation (Fikambanana miady amin'ny mucoviscidose), izay mampiseho fanafody  vaovao izay mety itsaboana amin'ireo marary sasany, saingy mbola be aza ny ezaka hikarohana fomba fitsaboana ny marary hafa.

 Ny lahatsary World Memory Project (Tetikasa Tsiaro Manerantany) kosa no nandrobaka ny loka ho an'ny tantara an-dahatsary mendrika indrindra , izay mampiseho ny maha zavadehibe manome fampitoniana ho an'ny sisa niangana tamin'ny fandripahana ny jiosy nandritra ny ady lehibe faharoa ny fahafantarana izay niafaran'ny olona nankamamiany nandritra izany ady izany. Ao anatin'izany lahatsary izany ohatra no nahafataran'i Sol no nahazo an-drainy rehefa nosarahin-toerana izy ireo ny andro mialoha  ny fanafahana.

Vatsin-doka efatra miavaka tsara kosa no azon'ny lahatsary tsy matahotra indrindra nandritra ny fifaninanana. Real Stories of Addiction and Recovery (Tantara Marina Momba ny Fiakinandoha sy ny Fahasitranana) , The Story of Cholera (Ny Tantaran'ny Kolerà), Not Acceptable R-word PSA ary ny tantaran'i Robert, lehilahy tsy manan-kialofana.




Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.