“Césarienne tsy misy ilàna azy” no anarana nomena ilay fanentanana natomboka tamin'ny herinandro voalohany amin'ity volana Martsa ity tao Puerto Rico, hikendrena indrindra ny mba hampihenana ny taha ambony loatran'ny fiterahana ampiasnana ny fandidina “césarienne” ao amin'ity firenena ity : maro amin'izy ireny no zavatra efa nomanina, atao hoe “C-sections” izay tsy manara-penitra ara-pahasalamana akory.
Sary an'i Eugene Luchinin CCBY
Ilay fanentanana dia mifantoka aminà lahatsary iray misy hira gadona hip-hop mandrisika ireo renim-pianakaviana mba hanadihady tsara mialohan'ny hanekena ny C-sections ho làlana iray tsy maintsy hizorana. Araka ny ambaran'ny pejin'ilay fanentanana, manodidina ny antsasak'ireo zaza teraka tao Puerto Rico no nandalo tamin'ny fomba césarienne avokoa izay amoahana ny zaza amin'ny alàlan'ny fandidiana atao eo amin'ny kibo sy ny tranon-janak'ireo reny raha tokony ho manaraka ny fiterahana ara-dalàna ary amin'ny fivaviana. Raha toa ka tena vonjy aina tokoa ny fnaovana césarienne amin'ny tranga sasany izay misy fahasarotana ka mety hitera-doza ho an'ilay reny na ny zaza, ny fampiharana ny C-sections dia mety vao mainka hitera-doza lavitra ho an'ny reny sy ny zaza raha mitaha amin'ny fiterahana voajanahary.
Ao anatin'ilay lahatsary fanentanana hip-hop, ny sasany amin'ireo dokotera dia voatondro ho manao izay metimety amin-dry zareo fotsiny fa tsy misaina fahasalamana rehefa manapa-kevitra ny hampiteraka amin'ny fanaovana césarienne mba ho làlana iray hahafahany mandray haingana vehivavy mpiteraka misimisy kokoa raha tokony hamela milamina ny natiora hanohy ny diany. Ho toy ny vahaolana naroso [es], dia mangataka olona vitsivitsy ry zareo hampiofanina ho lasa doulas na ho mpampivelona mba hanampy amin'ny fampiterahana natoraly, hanafoanana ireo dingana ara-pitsaboana tsy misy ilàna azy izay mamadika ireo reny hiteraka ho toy ny marary miandry fitsaboana.
El compromiso principal de inne-CESÁREA es, promover el apoderamiento de las mujeres puertorriqueñas para atender el serio problema de salud pública que representan la alta tasa de cesáreas y las intervenciones innecesarias durante el parto para la madre y el bebé, a través de una campaña de prevención validada, actualizada y atractiva sobre la humanización del parto.
Ny nanaovana ilay lahatsary dia mampiseho ny dingana izay nitondràna niaraka ireo olona maherin'ny 50 hanatontosa ilay lahatsary fanentanana, ahitàna vehivavy bevohoka, reny, zaza, ray aman-dreny, mpianatra, mpiasan'ny fahsalamana sy ny sisa.