Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Maoritania : “Eo afovoan'ny fanoherana vaovao amin'ny endriny elektronika i Facebook izao”

Nasser Weddady dia Maoritaniana ary miaina any Etzonia. Hatramin'ny revolisiona Toniziana, ireo izay manaraka ny vaovao momba ny any Afovoany Atsinanana-Afrika Avaratra ao amin'ny Twitter dia amin'ny kaontiny no ahafantarany azy, i @weddady izay tena arahana sy henoin-teny ary miomana ny hanonta any Etazonia boky iray fijoroana vavolombelona sy fandalinana mikasika ny tontolo miteny arabo sy ireny fitroarana ireny. Fa mba ahoana ny amin'ireo fampahalalam-baovaon'olon-tsotra any amin'ny fireneny, i Maoritania, na koa any amin'ny toerana izay ny Lohataona arabo no lalivay niasa ho an'ny fanoherana? Tafatafa natao nandritra ny kaonferansa natao tao Tunis.

Nasser Weddady, tao amin'ny efitrano fitenenan'ny fampielezam-peo toniziana, Tunis, oktobra 2011 – Sary avy amin'ny Carribeanfreephoto (CC BY)

Global voices : i Maoritania sy ireo mponina 3 tapitrisa ao aminy dia matetika no adino nefa izy koa dia anisan'ny niatrika fihesiketsehana sy fanoherana misonga hatrany

Nasser Weddady : Ny fanoherana dia endrika isehoan'ny disadisa lalina ao Maoritania, fahatsapàna iray ho tsy afa-manoatra izay mivadika hatrany hatrany ho “hatezerana elektronika” sy fihetsiketsehana eny an-kianja. Ity kolontsain'ny fanoherana ity dia efa maty roapolo taona lasa izao ; ankehitriny, dia olana goavana isan-andro no misy, anaty sehatra samihafa. Sahala amin'ny tantara kely mahaliana ny hetsika sosialy tsirairay jerena avy any ivelany, saingy i Maoritania dia eo an-dalan'ny fangotrahana izao. Ho an'ireo media sosialy, ao Maoritania, ankehitriny isika dia ao anatin'ny resaka Facebook, izay manana mpikambana 34 000 ao Maoritania tamin'ny faran'ny 2011, tarehimarika iray miavaka ho anà firenena izay tena ambany be ny fahafahana miditra amin'ny aterineto. Efa nisy sahady tany aloha ny tontolon'ny bilaogy maoritaniana saingy tsy tsara antoka izy ireny noho ny  fanonganam-panjakana tamin'ny 2008. Ankoatra ny Canal H (fantsona manan-tantara) izay bilaogy iray fifampiresahana, ary mijanona ho maridrefy ijerena ny fironan'ny vahoaka, ilay bilaogy dia tsy manana loatra intsony ny endrika mifamatotra amin'ny fivoaran'ny tontolon'ny bilaogy maoritaniana. Facebook izany. Tsikaritra izao fa betsaka dia betsaka ireo hetsiky ny tanora, toy ny an'ireo mpihetsiketsiky ny 25 Febroary 2011, izay nivoaka marobe teny an-dalana, no teraka voalohany tao amin'ny Facebook. Eo afovoan'ny fanoherana vaovao amin'ny endriny elektronika i Facebook izao.

Sary an'ny tranonkala Takadoumi – fihetsiketsehana ny Febroary 2011 tao Nouakchott

GV : Pejy Facebook, bilaogy na kaonty Twitter toy inona no arahana mba hahitàna vaovao momba an'i Maoritania?

NW : Ao amin'ny Facebook, ny pejin'ny hetsika 25 febroary, izay nanaraka ireo fihetsiketsehana ny Febroary 2011, Mauritanie Demain, Touche pas à ma nationalité, na “I Maoritania rahampitso, Aza kitikitihana ny zom-pireneko” izay manohitra ny fanavakavahana ara-poko nisy nandritra ny fanisam-bahoaka, ny vondrona manokana  Journal Facebook, izay manana mpikambana maherin'ny 10.000, ny bilaogy Takadoumi.com [amin'ny tny Arabo sy teny Frantsay], ao amin'ny Twitter, azo arahana ny @Tahabib, izay miteny frantsay, ireo bilaogera Ahmed Jiddou (@Ahmedj85)  sy Mohamed Abdou (@Medabdou), Dedda Cheikh Brahim (@Dedda04) [amin'ny teny arabo indrindra indrindra].

 

Hatsikana maoritaniana ho enti-manohitra : "Ny fanalàna fofona tsara indrindra ho an'ny lehilahy amin'izao fotoana izao dia ny entona mandatsa-dranomaso" – Sary namboarina tao amin'ny pejy Facebook Mauritanie Demain

GV : Ahoana no azo amaritana ireo Maoritaniana mavitrika ety anivon'ny aterineto miohatra amin'ireo hetsika arabo hafa eo amin'ny tontolo arabo?
NW : Ny tanora Maoritaniana dia nahita ny fampiasana ny aterineto tany amin'ny tontolo arabo ary dia miezaka ny mba ho tafiditra ao, hianatra ny teknikan'ny fahavitrihana ety anaty aterineto sy hifampizara azy ireny. Tsinjo ho mihamaro be ny sarisary natao tamin'ny alalan'ny Photoshop, lahatsary sy doka. Ny fiofon'ny tranonkala maoritaniana dia mazava tsara fa vokatry ny revolisiona arabo. Tsikaritra koa fa mihamaro ireo maoritaniana ao amin'ny Twitter : kianjako manokana ao. Manan-danja i Twitter, satria fampitam-baovao faran'izay malaky sy misokatra, tsy sahala amin'ny Faceboook. Afaka ampifandraisana ny Maoritaniana sy ny Afrikana izy, satria ananan'i Maoritania koa io habaka io : Samy itodihana daholo na ny tontolo arabo na ny any Afrika atsimon'i Sahara.

GV : Nametraka fanaraha-maso na sivana ve ny governemanta ? 

NW : Nisy teo aminay ny trangan'i Hanevy Ould Dahah izay voasambotra sy voaheloka hifonja roa taona an-tranomaizina noho ny tranonkalany, izay manelingelina. Ho an'ny sivana, efa nanandrana nandritra ny iray andro tontolo ry zareo ary tsy namokatra iny. Ary mivandravandra be fa betsaka dia betsaka, ry “zareo” no miasa saina. Misy orinasam-pifandraisana sodane, maraokana, any, ary tsy sarotra ny maminavina endri-javatra tahaka ny hoe ny governemanta hanandrana hividy ny fahaiza-manaon'ireo mpanao sivana amin'ny aterineto.

GV: Hatramin'ny revolisiona toniziana, afaka nihaona nivantana tamin'ireo mavitrika ety anaty aterineto ianao, avy amin'ny tontolo arabo rehetra. Manao ahoana ny herin-tsain'izy ireny izao ? 

NW : Nahavita asa nahazandana tokoa ireo mavitriky ny aterineto, ary arahabaiko manokana ireo Libiana sy Siriana, ny fahasahian-dry zareo sy ny fahaiza-mamorona tao an-tsainy dia tena tsy nampino, ireo Toniziana, izay mahafehy tsara ity taranja ity, ary ireo namana any Bahreïn. Sady toe-po mahatsapa fahombiazana no tsapa, izay nametraka teboka famaranana ho an'ny fahasahiranan-tsain'ny daholobe, nentin'ny fihazohazoan'ny tontolo arabo amin'ny ankapobeny, nataon'ireo fitondrana tsy refesi-mandidy nikatom-baravarana, miaraka aminà fahatsapana ho nahavita zavatra manan-tantara ; ary ahiahy iray, satria fantatra fa miala any izao ny fanoherana ny revolisiona, ary ny fikambanambe iraisam-pirenena, izay nidera fatratra ireo revolisiona arabo, dia mety hifankazatra indray amin'ireo fitondrana vaovao izay mety tsy hamaly akory ny hetahetanay. Na eo aza izany rehetra izany, dia mba misy ampahana hambo kely mba avotra ihany, satria hatramin'ny septambra 2001, ny maha-arabo na silamo dia enta-mavesatra sarotra nolanjaina. Mba tafaverina aloha ny fanajàna anay satria nahavita hetsika manan-tantara ary tsy manana lesona ho raisina aman'olona.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.