Lahatsary Asongadina: Mpitolona, Fahafahana Maneho Hevitra, Olona ary Kolontsaina

Ity fanadihadiana ity dia mikendry ny hampahafantatra ny hafatra faramparany ato amin'ny Global Voices izay mampiseho fomba maro fa manampy ny olona hilaza ny tantarany manerana izao tontolo izao ny Lahatsary.  Afaka manaraka ny zava-miseho isaky ny faritra ianao ao amin'ny Fantsona YouTube-nay na manindry fotsiny ny rohy eo ambony.

Afovoany Atsinana Avaratra Afrika:

 

Yemen: Tonga tao Sanaa ny diaben'ny fiainana
Tao Yemen, nisy ny tantara mahatalanjona mikasika ny  Diaben'ny Fiainana 264km manan-tantara, izay lava indrindra taorian'ilay  Diaben'ny Sira (Salt March) 390 km tamin'ny andron'i Mahatma Gandhi ny taona 1930. Nandritra ny Diaben'ny Fiainana, nifamory ny ambanivohitra sy ny antanàn-dehibe mba hanome sakafo sy rano ho an'ireo vahoaka an'arivony nanao diabe nandritra ny efatra andro tsy an-kiato no sady mamakivaky tendrombohitra mba hanohitra ny tsy fahazoana mikitikitika ny filoha ankehitriny Saleh sy ny namany akaiky ary ny fianakaviany noho ny famonoana mpanao fihetsiketsehana tamin'ny fitroarana tao Yemen.

Na dia izany aza, toa tsy nahataitra ny mpikambana vaovao ao amin'ny governemanta nankato ny volavolan-dalàna ny diabe: ho alefa ao amin'ny parlemanta indray izany mba ho lasa lalàna manan-kery.
Yemen: Afaka madiodio Tamin'ny Famonoana olona Nataony i Saleh…Nahazo Ny Sata Tsimatimanota Izy

Ireo maritiora no nanao sorona ny tenany ho an'ny vahoaka Yemen mba hiaina rivo-pahafahana sy demokrasia, izay heverin'ireo Yemenita fa tsy tokony hadinoina na ho raraka an-tany fotsiny ny rà nilatsaka.

Ity lahatsary manaraka ity dia fahatsiarovana mangina ireo izay namoy ny ainy nandritra ny fitroarana milamina:

Nanamafy ny fanentanana an-tserasera ireo mpitolona mpiserasera sasany mba hanoherana ny fihinanana bozaka manaitaitra tsakoin'ny lehilahy Ymenita marobe sy ny vehivavy mandritra ny ora maro, matetika aza isan'andro mihitsy. Mandritra ny andro iray ny fanentanana tsy itsakoana  ity ravi-maitso ity, na Qat:
Yemen: 12 Janoary 12, Andro Tsy misy Katy

Araka ny nambaran'ity mpamam-bolongana @Afrahnasser, tao amin'ny Twitter:

Ny Olom-pirenena amin'ny ankapobeny ao Yemen no mandany adiny valo mitady vola hividianana katy, adiny 8 hafa hitsakoana katy & ny adiny 8 ambiny matory @NoonArabia

Ny anton'ny fanentanana atao dia ny hanova izany ora lany amin'ny katy izany ho ora fikirizana hiasa mafy ho fanovana an'i Yémen.

Afrika Atsimon'i Sahara:

Etiopia: Mpanao gazety Soedoà Meloka Tamina Raharaha Fampihorohoroana
Mpanao gazety Soedoà Martin Schibbye sy Johan Persson no nandalo an'i Somalia hamonjy an-tsokosoko an'i Etiopia ka nahatonga ny manam-pahefana hitazona azy ireo sy hitondra azy ireo eny amin'ny fitsarana noho ny fanohanan'izy ireo asa fampihorohoroana sy ny fidirana an-tsokosoko tao amin'ny sisintany, na izany aza dia nanambara ny mpiaro azy ireo fa nanao ny asany amin'ny maha mpanao gazety azy izy ireo mba hilazalaza ny momba ny andaniny sy ny ankilany mifanandrina. Natao hanaporofona izany ity lahatsary manaraka ity nandritra ny fotoam-pitsarana, ahitana ny sarin'ireo mpanao gazety mandamina ny diany amin'ny asa fanaovan-gazety izany.

 

Eoropa Andrefana:


Espaina: Mitolona Hanan-jò Hanan-trano

Ireo fianakaviana nidi-trosa nividianana trano ary nanjary tsy manan'asa intsony na fidiram-bola hiveloman'izy ireo no ampian'ny fikambanana manana tanjona hiaro ny fianakaviana tsy horoahina an-trano sy manome trano ipetrahana vonjimaika amina trano novidiana na babangoana raha toa ka tsy afa-manakana ny banky izy ireo.  Mampiseho ny fahombiazan'izy ireo tsy hampiharana ny fandroahana lehilahy iray sy ny zanany lahy 13 taona ho eny an-dalambe ity lahatsary ity.

Eoropa Afovoany sy Atsinanana:


Hongria: Fahatsiarovana Lasim-pahavaratry ny Fijoroana Ho Roma tao Barvalipe

Ny fitomboan’ isan'ny Roma ao Eoropa no mahatonga ny ankizy mahatsiaro ho mitondra takaitra sy ahilikiliky ny olona mitovy amin'izy ireo, ka mahatonga azy ireo hanafina ny fiaviany sy mahatsiaro menatra amin'ny lovany. Ny Lasim-pahavaratry ny Roma tao Barvalipe dia mikendry hanome fotoana ho an'ny tanora hahafantarany ny fototra niaviany amin'ny alalan'ny fianarana ny fiteny, tantara ary ny fahandroan-tsakafo Roma.

Azia Atsinanana:


Hong Kong: Hetsim-panoherana ny Marika Mihaja mba Hiarovana ny Maha-Izy ny Ao An-toerana

Tsy zava-baovao ny marika mihaja tsy azo alaina sary ny magazainy, saingy raha nilaza izy ireo fa ny mponina ao Hong Kong ihany no iharan'ny lalàna fa tsy ny mpizahantany avy any Shina Tanibe, dia hita tamin'ny alalan'ny hetsika tselatra na “flashmob” ivelan'ny magazay ny hatezeram-bahoaka.

Amerika Latina:


Shily: Fielezan'ny Afo Tao Torres del Paine Vetivety Noho ny Haterezan'ny Mpiserasera

Nahatonga ny mpiserasera hamaham-bolongana sy hisioka Twitter momba ny doroala ny afo nahazo ny iray amin'ireo toeram-pizahan-tany mahasintona olona indrindra ao Shily, dia  ny Vala-javaboarim-pirenena Torres del Paine , na izany fitantarana avy amin'ireo niserana tao amin'ny Valan-javaboary nandritra ny fotoana namindrana ny olona sy voarakitra an-dahatsary na avy amin'ireo olona manara-baovao sy miandry ny vaovao farany.

Amerika Afovoany: Tetikasa LibreBus Mampiseho ny Lahatsary Fanadihadiana Notontosainy
Ny lahatsarim-panadihadiana dia nanaraka ireo mpikatroka nandeha bus nitety firenena 5 samihafa ao Amerika Afovoany  mba hanaparitaka ny hafatra momba ny rindrambaiko azo ampiasaina malalaka, ny fiarovana ny fahalalahana maneho hevitra sy votoaty zaraina.

Kolombia: Salsa Song Nitsikera ny Rafi-pitaterana Bus Haingam-pandeha

Manamora ny fivezivezen'ny olona miainga amina toerana iray mankamin'ny toerana iray hafa  ny fitaterana iombonana ka tsy voatery ampiasa ny fiarany manokana intsony, saingy lasa fampijaliana indray no azo fa tsy fahafinaretana raha hipoka olona loatra izany fiara fitaterana iombonana izany. Ity hira salsa ity no ahitana ny mahazo ny olona ao anatiny rehefa mandeha amin'ny Transmilenio ny ao an-drenivohitra Bogota.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.