Ireo Teboka Lehibe Avy Amin'ny Kaongresy faha-28-n'ny “Chaos Communications”

by John Flanagan on Flickr

'Child's Play' nozarain'i John Flanagan tao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

‘Alina nialoha ny Noely tamin'izay, ary eran'ny trano, nifampijery ireo  hackers tsirairay sady niteny hoe : “Oooo! Roa andro sisa dia tonga ny  28c3″.

[Amin'ny teny Anglisy sy Alemana ny rohy raha tsy misy fanamarihana manokana] Ny Chaos Communications Congress dia fihaonana isan-taonan'ny antsoina hoe  Chaos Computer Club ao Alemaina, fikambanana isan'ny tranainy indrindra ahitàna ireo hackers eran-tany. Atao isan-taona Berlin izany, ao anatin'ny mampafàna indrindra ny fotoam-pialantsasatra eo anelanelan'ny Noely sy ny Alina Mialoha ny Taona Vaovao, fotoana iray natokana ho an'ireo Eraopeana mpiondana solosaina sy andaozan'izy ireo ny havana aman-tsakaiza mba handany  efatra andro any aminà foibe fanaovana kaonferansa iray miaraka amin'ireo hackers sy mpiondana mitovy fisainana aminy.

Ilay fandaharanasa dia mampivady ireo resaka ara-teknika eo amin'ny sehatry ny fiarovana sy ny rindrambaiko malalaka amin'ireo resaka mikasika ny zo ny ny ‘hacktivism’ ety anivon'ny aterineto, ary diso fantatra loatra amin'ireo vaovao mafàna manjary lasa ho zava-dehibe ho anà tontolo midadasika kokoa. Eny antsisin'ireny resaka ireny, ireo habaka ho an'ny Klioban'ny solosaina ao Eraopa sy ny “hackspaces” mba hanaovany fampisehoana ireo tetikasan-dry zareo amin'izao fotoana, hatramin'ny habaka natao hanaovana atrikasa momba ireo fitaovana sy tetikasa vaovao, ary toeram-panandramana manolotra anao ireo zavatra toy ny elektronika mifototra amin'ny Arduino, fanontàm-printy 3D sy ny famahàna hidy an-terisetra.

Ity taona ity no Kaongresy faha-28-n'ny Chaos Communications (28c3 raha afohezina) ary fahatelo amin'ny natrehan'ny mpanoratra. Ireto no nanamarika azy.

Roger Dingledine sy Jacob Applebaum mikasika ny TOR

Ho an'ny mpanoratra, ity resaka ity no manazava ny anjara toerana fototra raisin'ny vondrom-piarahamonin'ny hacker ankehitriny any anatin'ireo tranga miseho eto amin'izao tontolo izao. Ilay kaonferansa dia nisokatra tamin'ny lohahevitra iray avy amin'i Evgeny Morozov mikasika ny loza entin'ny fanarahamaso ny tambajotra sy ny dizitaly,  saingy ilay resaka ny 22 Des. mikasika ny zavatra niainan'ny vondrom-piarahamonina TOR niaraka tamin'ny foto-drafitrasa fanarahamaso ireo tambajotram-pirenena izay tsapa ho toy ny nampitambatra olona tao amin'ny 28c3 hanohitra ny fanarahamaso amin'ny maha-fomba sy teknolojia iray azy, ao anatinà fiarahamonina malalaka, ka hatramin'ireo hafa voaporiporitra. Ireo filazàna takon'ila manelingelina sy mitranga fotsiny amin'ny fotoana iray momba ny fahosàna ara-teknikan'ireo teknolojian'ny fanjakana, ho fanarahamaso, dia somary nohalefadefahan'ireo fanamarinan'ny manampahaizana manokana sy ny ethique voasaina lalina. Tsara loatra.

Fiarovana ny finday

Roa taona lasa izay, nandritra ny 26c3, Karsten Nohl dia nanambara fa efa voajirika ny ‘protocol’ fanafenan'ny GSM. Tamin'ity taona ity, dia nazavainy ny fomba tokony ataon'ireo mpanome tolotra amin'ny tambajotra mba hiarovana ny tambajotran-dry zareo raha mampanaraka ny toetr'andro ny fomba fanafenana ampiasainy ry zareo, ka nangataka ny vondrom-piarahamonina izy mba hanampy azy amin'ny fanarahana ny dingana vitan'ireo mpanome tolotra ireo. Nanolotra tetikasa iray vaovao ihany koa izy, CatcherCatcher, izay mitsikilo ny asan'ny IMSI catchers manoloana ireo mpampiasa finday. Ireo IMSI catchers dia heverina ho ny fitaovana fampiasan'ireo masoivoho mpampihatra lalàna mba hihainoana sy hanarahana ny olona amin'ny alàlan'ny findain'izy ireny.

Ny ady manangasanga amin'ny fampiasana solosaina amin'ny ankapobeny

Fifanakalozan-dreska avo lenta iray ka nandritra izany i Cory Doctorow no nampahatsiahy ny kaongresy fa ny “ireo fitaovana fampitàm-baovao” (toy ny iPads, Kindles sy ny sisa rehetra) dia solosaina afaka miasa mahaleotena fotsiny ihany miaraka aminà ‘spyware’, arindrambaiko fitsikilovana efa ao anatiny afaka tonga dia miasa avy hatrany : “Ny ezaka rehetra hifehy ny PC dia mizotra mankany amin'ny “rootkits” ary ny ezaka rehetra hifehy ny tambajotra dia mankany amin'ny fanarahamaso”.

Fanalahidim-piandrianana

Peter Eckersley avy amin'ny EFF dia manome soso-kevitra iray hitsaboana ny fahapotehan'ny rafitra Certificate Authority.

Mankany amin'ny Habaka Eraopeana Tokana Voaaro?

Famelabelarana iray manitatra ny saina nataon'i Suso Baleato miresaka ny fomba fandresen-dahatra fampiasan'ny mpanao lalàna Eraopeana hipasohana miandàlana ny fahalalahan'ny aterineto miaraka amin'ny endriky ny hafanàm-po vaovao anaty tambajotra izay potehany (izy mpanoratra) any amin'ny farany amin'ny fametrahany fanontaniana kidaladala iray tsy misy mahatakatra.

Ny resaka an-jorony

Zava-mahaliana mifangaroharo hitany avy amin'ireo resadresaka nifanaovana tamin'ny olona tao anatiny sy teny amin'ny manodidina ilay kaonferansa : ny Open Source Next Generation Multicopter; ny Hackerbus sy ny Code Hero.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.