Ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Revolisiona ao Ejipta 2011.
Niaraka tamin'ny fitroaran'ireo Islamista talohan'ny revolisiona, nitombo ny tahotra ny hisian'ny faneriterena ara-pinoana teny anivon'ny tanora, ireo vitsy an'isa ary ny vehivavy. Tsy ela akory, vondrom-behivavy Ejiptiana iray no nanangana pejy Facebook amin'ny teny Arabo, antsoina hoe “Mampanako ny Hiaka” manondro ny fanavahana ny lahy sy ny vavy eo amin'ny fiarahamonin-dry zareo sy ny teritery mety ho avy miaraka amin'ny fahatongavan'ny Islamista eo amin'ny fitondràna. Ilay vondrona dia nanangana ihany koa hetsika iray “Fitondrana Hijab ho fanehoana firaisankina amin'ny vehivavy” [ar] izay voasoritra araka izao manaraka izao:
Ilay vondrona dia nampakatra sarin-dehilahy maro mitafy Hijab ao amin'ny pejin'ilay hetsika, ny iray amin'ireny dia nalaina avy amin'ny fanentanana izay natomboky ny Iraniana tao anaty aterineto roa taona lasa izay ho fanohanana lehilahy iray mpianatra izay nosamborina noho izy nitafy toy ny vehivavy mba handosirana an'i Teheran, araka ny filazan'ireo manampahefana. Nandray anjara tamin'ity hetsika ity ihany koa ireo Toniziana mpampiasa aterineto ary nitondra fanehoan-kevitra niharo hehy tao amin'ny rindrin'ilay hetsika, namela fanehoan-kevitra manadrohadro manohitra ny antoko Ennahda, izay nandrombaka ny ankabeazan'ireo fifidianana Toniziana tamin'ny volana lasa iny, ary i Rached Ghannouchi no lohany.
Abdelhadi Ben Seghir dia nanamarika [fr] momba ilay hetsika, miaraka amin'ny fanakianana an'i Ghannouchi:
je suis pour le droit des frérots de porter le hijab.solidarité avec ghanoucha qui préfère le tchadri
Ao amin'ny fanbehoan-keviny [fr] dia tsy manam-panantenana loatra i Ines Ben Hamida momba ilay hetsika :
Les hommes est ce que vous pouvez mettre le voile pour nous je défie que vous seriez minorité minimine malheureusement 🙁
Emad Basta, mpampiasa Facebook, dia nanoratra ny tsy fitovian-keviny ao amin'ny rindrin'ilay hetsika:
Tsy afaka ny hanaiky an'izao aho, na ny vehivavy aza dia tsy tokony hisalobona, tsy henatra akory ny vehivavy fa mitovy amin'ny lehilahy amin'ny resaka zo satria ry zareo no tomponandraikitra amin'ny fitohizan'ny taranak'olombelona, ry zareo no mpanjakavavin'izao tontolontsika izao.
Ireo olona mangataka ny vehivavy mba hisalobona dia mpanavakavaka sy mpikambana anaty sekta ka tokony henjehina, raha toa ka henatra ny vehivavy, inona no nahatonga azy ireo hamorona io fomba io, io olan'ny fisalobonana io dia hevitry ny lehilahy te-hanjakazaka. Tsy 3awra akory ny volon'ny vehivavy, hatsaràna io, ny olona maniry hahita ny vehivavy misalobona dia ireo olona tsy mahavita mifehy ny filàn'ny nofony indrindra indrindra, ka tokony henjehina satria loza mitatao ho an'ny fiarahamonina.
Ejiptiana iray antsoina hoe لا للرجعية والتطرف (tsia amin'ny fanaovana tsinontsinona sy ny fakàna an-tendrony) dia nanoratra [ar] fa izy dia manohitra ny fanararaotana ara-pinoana atao amin'ny anaran'ny politika:
Ejiptiana iray hafa, Amre El-Abyad , no nanoratra fanamarihana iray mikasika ny tokony ho anjara toeran'ny Lohataona Arabo amin'ny fandrisihana ny vehivavy:
Ny Lohataona Arabo dia tsy tokony ho fanonganana mpanao jadona ihany. Ny demaokrasia dia miainga amin'ny toe-tsaina. Mila mamongotra ireo fadifady manohintohina ny herim-panovàna isika: ny fanjakan'ny lehilahy, ny fivavahana diso toerana ary ny fironana be loatra amin'ny ara-nofo. Fomba tranainy ho an'ny Semitika ny hijab – izay nandraman'ny kolontsaina maro taminà vanim-potoana iray voafaritra. Na dia efa toa an-dalan'ny fanjavonany aza izy io tamin'ny taonjato faha-20, dia mbola tafatoetra sy niha-nahazo vàhana be manerana ny tontolo Arabo amin'izao fotoana misy antsika izao. Mazava tsara, tondro ho an'ny filàntsika mivaivay manao revolisiona miainga amin'ny kolontsaina sy ny toe-tsaina io
Ny hany lehilahy nampakatra ny sariny dia i Magdy Abdelraheem ilazany fa maneho firaisankina izy :
Sa Neb dia tonga hatramin'ny firesahana [ar] raha toa marina ka zavatra takian'ny finoana ny Hijab na tsia.
Ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Revolisiona ao Ejipta 2011..