Nampiantrano ny Valan-dresaka Iraisam-pirenena Mikasika Ny Momba Ny Tena Manokana Sy Ny Fahalalahana Maneho Hevitra i Meksika

Ny 31 Oktobra 2011 dia andro manan-danja ho an'ny fiarahamonina sivily manerantany miaro ny momba ny tena manokana sy ny fahalalahana miteny. Ny firohotana The Public Voice dia hampiantrano valan-dresaka iraisam-pirenena ao an-tanànan'i Mexico, ary asaina ianao mba handray anjara amin'izany fifanakalozan-desaka izany sy hiserasera amin'ireo mpamelabelatra.

Azonao atao ny manaraka mivantana ny fifanakalozan-dresaka eto, ary manatevina ny fifanakalozan-dresaka amin'ny fampiasàna ny  tenifototra #tpv11.

<a href=”http://www.coveritlive.com/mobile.php/option=com_mobile/task=viewaltcast/altcast_code=f4aaf61551″ _mce_href=”http://www.coveritlive.com/mobile.php/option=com_mobile/task=viewaltcast/altcast_code=f4aaf61551″ >The Public Voice PRIVACY IS FREEDOM</a>

Mijere ny  Webcast amin'ny teny Anglisy sy Espaniola.

Mandritra ny tontolo andro ireo mpamelabelatra dia handanja ny fomba fijery ny  kolontsaina sy ny maha-izy manokana ny tena manerana ny tany. Hanaitra ny fhatsiarovantenan'ny olona izy ireo momba ny teknolojian'ny fanarahamaso ary ny vokatr'izany eny amin'ireo mpanjifa, ho an'ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zon'olombelona, ary hotrandrahan-dry zareo ny politika Amerikana LAtina, ny lalàna, ary ny vina amin'ny resaka teknolojia.

Handefa lahatsoratra izahay atsy ho atsy hizaràna ny resadresaka tena navesa-danja sy ny famehezana izay nitranga nandritra ny fihaonana.

[Avy amin'ny mpandika: Efa vita ity valan-dresaka ity, saingy ho fampahafantarana fa nisy ny hetsika dia navoaka ihany ho anao mpamaky]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.