Vohitra any Ségou: Mivavaka Hiavian'ny Orana

Tamin-karavoana no nankalazàn'ireo vohitra tao Ségou ny fiafaràn'ny Ramadany. Fankalazàna roa sosona izy io, satria taorian'ny iray volana manindritra nanaovam-bavaka sy niandràsana, dia avy ny orana tany amin'ity faritra iray ao Mali ity. Na dia somary tara ihany aza, dia zavatra niriana ho hitan'ny maso izany fiavian'ny orana izany. Ny fotoan'ny orana, ny ririnana, na “hivernage,” raha ny fahafantarana azy amin'ny teny frantsay, dia manondro indrindra io fotoana io izay hamafàzan'ny mpamboly ny masomboliny alohan'ny hiasàn-dry zareo ny tany. Rehefa tsy misy rano amin'ny fatra sahaza, ny mahazatra dia avy amin'ny ranon'orana, dia tena atahorana ny hisian'ny fiantraikany amin'ny vokatra. Io no lohahevitra noresahan'ireo bilaogera vaovao avy amin'ny tetikasa tohanan'ny Rising Voices Ségou Villages Connection.

Oumar Dembéle (@D1Oumar)  avy ao Cinzana Gare, izay nasongadina tamin'ny tafatafa niarahana tamin'ny iray amin'ireo bilaogera nasongadina, dia mibitsika hoe [fr]:

L'hivernage commence bien actuellement au Mali. Il pleut chaque jour.

Manomboka izao ny fotoanan'ny orana eto Mali. Manorana foana isan'andro.

Maneho ny ahiahiny ihany koa izy mikasika ity tonon-taona ity ao amin'ity bitsika ity [fr]:

On dit que l'abondance des lianes en début d'hivernage n'est pas un bon signe.Elle peut provoquer selon la tradition la rareté de la pluie.

Lazain-dry zareo fa tsy fambàra tsara ny habetsahan'ny lianas aty ampiandohan'ny fotoanan'ny orana. Araka ny lovan-tsofiny dia mety hitarika fiantonan'ny orany izany.

Tany iray fambolena ao amin'ny faritr'i Ségou. Sary avy amin'ny bilaogy Ségou Info, amin'ny teny frantsay

Ary dia toa voamarina izay noeritreretina ho finoanoam-poana, ary voaporofo ny tahotr'i Oumar. Fa koa, Boukary Konaté (@fasokan), mpandrindra ilay tetikasa, dia nampakatra andianà bitsika mikasika io olana io [fr]:

 

Les populations de certaines communes de Ségou veulent de la pluie maintenant. #villageinfos

Ny mponina amin'ireo vohitra sasany tao Ségou dia maniry orana, izao dieny izao

Ampian'i Boukary hoe ireo mpamboly dia tsy afaka namàfy teo amin'ny tanin-dry zareo [fr] noho ny tsy fahampian'ny orana ka mahatonga ny tany ho makiana tokoa [fr]. Manazava ny toe-draharaha misy izy ao anaty lahatsoratra iray ao amin'ny bilaogy Segou Infos [fr]:

L’hivernage a commencé. La semence n’est pas finie et il ne pleut pas beaucoup encore. Voici deux semaines qu’il ne pleut pas dans certains villages de Ségou et cela inquiète beaucoup les populations. « Oui, le service de la météo nous dit de ne pas nous inquiéter, qu’il va pleuvoir jusqu’en novembre, d’accord, mais est-ce que c’est en novembre qu’on va semer. », disent certains paysans. Ils ajoutent que le sarclage peut peut-être attendre, mais la période des semences passe.Le sol est partout sec et pour cela, certains paysans restent à la maison à l’attente de la pluie, mais d’autres partent travailler le sol sec. C’est ce manque de pluie qui est à la UNE au village et chacun prie pour qu’il pleuve

Nanomboka ny fotoan'ny orana. Tsy mbola mifàrana ny fotoam-pamafàzana nefa tsy mbola ampy tsara ny fiavin'ny orana. Tsy nisy orana tato anatin'ny roa herinandro tany amin'ny vohitra sasantsasany tao Ségou ary tena mampanahy ny mponina izany. ”Eny, ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr'andro dia milaza amintsika mba tsy hanahy, ary hoe ho avy ny orana amin'ny Novambra. Ekena e, saingy hiandry hatramin'ny Novambra izany isika vao hamafy ve?” hoy ireo tantsaha sasany manontany. Ampian'izy ireo amin'ny hoe mety ho azo ampiandrasina ny fiasàna ny tany, saingy ho lasa ihany ny fotoam-pamafàzana. Makiana ny tany saiky eny rehetra eny ary izany no antony mahatonga ny mpamboly sasany tsy hivoaka ny tranony fa miandry ny orana, nefa kosa ny hafa mandeha miasa na dia maina aza ny tany. Ny tsy fahampian'ny rotsak'orana no anton-dresaka eran'ny tanàna ary ny tsirairay dia samy mivavaka ny mba hirotsahan'ny orana.

Ny tapany voalohany amin'ny volana Aogositra, dia efa tsy nisy orana nilatsaka, saingy farany dia sahala amin'ny hoe nivaha ilay olana tamin'ny 19 Aogositra. Nibitsika i [fr] Boukary hoe:

Il a plu dans la Région de Ségou aujourd'hui: 16 mm à Bamaoussobougou/Cinzana-Gare

Nirotsaka ny orana androany tao Ségou: 16 mm tao Bamaoussobougou/Cinzana-Gare

Ary andro vitsy taorian'io dia nanomboka nanorana matetitetika [fr]. Yaya Coulibaly (@ycoulibaly) izay nasongadina ihany koa tao anaty tafatafa fanasongadinana bilaogeran'ny Rising Voices dia safononoky ny hafaliana raha nahita izy tamin'ny  20 Aogositra hoe:

après une semaine sans pluie les habitants de cinzana -Gare commence a sourire ce matin après 21mm de pluie<

Taorian'ny iray herinandro tsy nisy orana, manomboka mitsiky izao ny mponin'i Cinzana-Gare tamin'ity maraina ity taorian'ilay rotsak'orana 21mm teo.

Fandrefesana rotsak'orana ao Bamoussobougou. Sary avy amin'ny bilaogy Ségou Infos

Ho famintinana, Modobo Traoré, tantsaha iray ao Bamoussobougou any Cinzana-Gare, dia mandefa fitanisàna ny rotsak'orana nandritra ny volana Aogositra, izay nampakarina tao amin'ny  Bilaogy Ségou Infos [fr]:

 

Lundi 25/07/2011 = 6 mm
– Mardi 26/07/2011 = 23 mm
– Samedi30/07/2011 = 35 mm
– Jeudi 04/08/2011 = 5 mm
– Lundi 08/08/2011 = 3,5 mm
– Vendredi 12§08/2011 = 6,5 mm
– Dimache 14/08/2011 = 49 mm
– Mardi 16/08/2011 = 12 mm
– Vendredi 19/08/2011 = 16 mm
– Samedi 20/08/2011 = 10 mm
– Jeudi 226/08/2011 = 4,5 mm
– Lundi 29/08/2011 = 25 mm

Monday 25/07/2011 = 6 mm
– Talata 26/07/2011 = 23 mm
– Sabotsy 30/07/2011 = 35 mm
– Alakamisy 04/08/2011 = 5 mm
– Alatsinainy 08/08/2011 = 3,5 mm
– Zoma 12§08/2011 = 6,5 mm
– Alahady 14/08/2011 = 49 mm
– Talata 16/08/2011 = 12 mm
– Zoma 19/08/2011 = 16 mm
– Sabotsy 20/08/2011 = 10 mm
– Alakamisy 226/08/2011 = 4,5 mm
– Alatsinainy 29/08/2011 = 25 mm

Miaraka amin'ny saina tony, afaka nankalaza ny Eid tanaty fihetseham-po ravo sy nitodika tanteraka tamin'ny fety ny mponina tany amin'ireo vohitra tao Ségou.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.