Oganda: Mitroatra Ny Vahoaka Noho ny Fisamborana Tamin-kerisetra Ny Lehiben'ny Mpanohitra

Voasambotra indray tany amin'ny Kampala renivohitra ny Dr.Kiiza Besigye lehiben'ny mpanohitra Ogande noho ny fandraisany anjara tamin'ny the Walk to Work Campaign(mandeha tongotra mba hiasa) alina iray taorian'ny famotsorana azy notakalozam-bola.

Nomena fahafahana nosandaim-bola i Besigye nasiana fepetra fa tsy handray anjara amin'ny fanentanana izay nahatonga ny fitondrana Ogande ho lohateny lehibe nandritra ny telo herinandro izao. Ireo hetsi-panoherana notarihan'ny mpanohitra dia nokarakaraina hanohitra ny fiakaran'ny vidin'ny lasantsy izay nitarika ny fiakaran'ny vidin-tsakafo ary mihizingizina ny Filoha Museveni fa tsy hirotsaka amin'ny fampihenana vidin'entana izy. Olona dimy fara faha-keliny hatreto no maty nandritra ireo hetsi-panoherana ary am-polony ireo naratra voatifitry ny bala.

Faninefany androany i Besigye no voasambotra, tamin'ity fotoana ity ihany koa no nanehoan'ny mpitandro filaminana sy ny miaramila sandry be indrindra. Vakin'ireo vodibasy ireo fitaratry ny fiaran'i Besigye ary naparitaka tao anaty fiara ny entona mandatsa-dranomaso sy ny sakay talohan'ny nanipazana azy tao anaty fiaraben'ny mpitandro filaminana. Ny mpifaninana fototra amin'ny Filoha Musveni dia niakatra teny amin'ny Fitsaran'i Kasangati izay namotsorana azy ka mbola handoavany sandam-bola Ushs. 5 tapitrisa (eo amin'ny 2.100 Dolara Amerikana eo ho eo) nony avy eo.

Mbola nipoaka indray androany ireo hetsi-panoherana, manohitra ny fisamborana an-kerisetra an'i Besigye, ary mihoatran'ny 100 ireo olona noratrain'ny mpitandro filaminana. Ireo tatitra tsy voamarina dia mampiseho fa eo amin'ny 3 eo no olona mety ho maty tamin'izany.

Ireo Ogande mampiasa aterineto dia nitatitra lalandava ireo vaovao momba ny  Fanentanana “Walk to Work”. Ireo mpampiasa Twitter sy Facebook dia tezitra mafy tamin'ny fomba nisamborana an'i Besigye.

Ao amin'ny Facebook

Naneho ny ahiahiny momba ny fitombon'ny herisetra ataon'ny mpitandro filaminana ireo mpampiasa Facebook.

Niteny i Don Wanyama:

Nahita ireo sarin'ny fisamborana an'i Besigye. Tsy mbola nahita fanevatevana tahaka izao aho. Manimba ny fiaran'olona sy manaparitaka entona mandatsa-dranomaso mihoatra ny 5 eny aminy?? Mbola ratsy lavitra noho ny fanolanana sy ny famadihana tanindrazana sy ireo zavatra maro hafa nanevatevana azy. Manahirana izany. Hatramin'ny rahoviana i Besigye no hizaka samirery ny fanaintainan'ireo olona izay toa miadana ao anatin'ny fahantrany, izay saro-tahotra? ?

Nitatitra i Asiim Blessed Bryans  tao amin'ny Facebook:

Mihoatra ny isan'ireo mpanao fihetsiketsehina ny isan'ireo mpitandro fikaminana any kibuli ary toa milamina ny toerana nefa mikatona daholo ireo fivarotana rehetra. Ny mpitandro filaminana no mifehy ny eny an-toerana.

Araka ny voalazan'i Nicholas Lukyamuzi dia tsy milaza momba ny sakoroka ireo tobin'ny Fampielezam-peo:

Matahotra ny hikatona ireo tobinà Fampielezam-peo ka  noho izany dia tsy mahagaga raha tsy milaza na inona na inona mikasika ireo korontana.

Nanontany i Godgfrey Holidays, “Inona ny hitranga raha hazakazaka no handehananay hiasa?“:

Hevitra vaovao,  tsy mandeha mora intsony fa mihazakazaka mamonjy fiasana, te-hahita aho raha tena afaka hahafehy izany ry zalahy mpitandro filaminana . . . .

Ao amin'ny Twitter

Ny tenifototra #walk2work ao amin'ny Twitter dia nampiasaina mba hitatitra momba ny fanentanana ary nanomboka tamin'ny fisamborana azy ny maraina teo, tonga niaraka tamin'ireo fanavaozana sy hevitra marobe ireo tweets.

@joydoreenbiira: Ahoana ny nahavoasambotra an'i Besigye faninefany – http://t.co/vJuyGLX VIA @ugandatalks Nivalaketraka tanteraka ny toe-panahiko androany, TSY NAHALOA-PEO aho

@RedPepperUG: FANAVAOZANA: Besigye talohan'ny nahavoasambotra azy: “Tsy mikasa ny ho maritiora aho, manantitrantitra ireo zoko amin'ny maha olom-pirenena ahy fotsiny aho.” #walk2work

@Snottyganda: Maninona no atosika ny Lehiben'ny mpanohitra Lehilahy izay mpifaninana ho filoha natsipy ambany sezan'ny fiara toy ny olon-dratsy#walk2work

@RedPepperUG: NAHITA MASO: Feno olona mandositra ny afovoan-tanàna ny lalana Mukwanor sy ireo arabe manodidina  misy indostria #walk2work #ugandanews

@SMSMediaUganda: Voatatitra fa manao fihetsiketsehana ireo mpivarotra any an-tsenan'i Kisekka ary mihidy ny fivarotana. MBOLA HO AVY NY FANAMPIM-PANAZAVANA. Tendreo ny SUBNEWS & alefaso amin'ny 8198.

@dispatchug: Lahatsarin'ny fisamboran'ireo mpitandro filaminanan an'i Besigye sy ireo mpitandro filaminana manao akanjo sivily. http://bit.ly/mmkO1T #walk2work

@SMSMediaUganda:
Besigye navoaka: navotsotry ny fitsarana tamina sandam-bola 5m ny lehiben'ny FDC, Dr Kiiza Besigye. Tsia  http://tinyurl.com/3o7ozm8

@RedPepperUg: FANAVAOZANA: manamarina ny ‘fahatapahan'ny fifandraisana amin'ny ankapobeny’ ny MTN izay miteny fa eo am-panamboarana ny toe-javatra misy ny sampana teknika #walk2work #ugandanews via @MTNUGANDACARE

Nitoraka tweet ireo zava-baovao momba ny toe-javatra misy ihany koa ny mpisolovava an'i Besigye, David Mpanga. Araho mivantana eto ireo zava-baovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.