Okraina: Fitorahana Bilaogy Momba Ny Nofy

Mikendry ny hampivondrona ireo marary ho ao anatin'ny hetsika fampihenana ny ratra ireo mafana fo avy ao anatin'ny Fikambanan'ireo Mpisolovavan'ny Fitsaboana Fanolo any Okraina [ru] ary mino fa mety ho fitaovana lehibe amin'ny fampahafantarana ny fitsaboana fanolo ny fitorahana bilaogy ary hiarovana ny zon'ny marary. Vao haingana izay dia nanokatra fizarana iray vaovao ny vohikalan'ity Fikambanana ity izay mirakitra ny bilaogin'ireo mafàna fo ao anatin'ny Fikambanana avy any amin'ireo faritra samy hafa any Okraina. Amin'izao fotoana izao dia manana bilaogy 9 io fizarana io izay hizaran'ireo olona miankin-doha amin'ny rongony, mpiasan'ny fitsaboana, sy ireo mpiasa sosialy ny tantarany manokana, ireo tatitra, ary ireo vaovao avy amin'ny fanatanterahana ireo tetikasa fitsaboana fanolo any amin'ny tanànan'izy ireo sady hamoahan'izy ireo ny eritreriny, ny heviny, sy ny nofinofiny.

Ny mpitoraka bilaogy Yura dia mizara tantara iray momba ny hetsiky andro iray niarahan'ireo marary sy ireo mpiasa tao amin'ny toerana fanaovana fitsaboana fanolo ao Zhytomyr nanadio ny faritra manodidina ny toeram-pitsaboana. Nanoratra izy:

Весна!

Каждая человечееская душа радуется приходу весны…

Ярче светит солнышко, набухают почки на деревьях, жизнеутверждающе орут воробьи, появляется первая нежная зелень травы. В такие денечки хочется, чтобы вокруг все было прекрасно, люди улыбались друг другу, радуясь жизни. А как можно радоваться, если взгляд постоянно натыкается на самый разнообразный сор, появившийся из-под сошедшего снега? Поэтому пациенты сайта решили своими силами благоустроить территорию, прилегающую к кабинету ЗПТ.

Кто смог, принес с собой инструмент-лопату, грабли, метлы. Ребята на машине привезли тележку для вывоза тяжелого мусора. Из старой красной кирпичной кладки аккуратно выбили целые кирпичи для оформления цветочной клумбы напротив входа в кабинет. Медперсонал и девочки из программы принесли цветы для декоративных  цветников…[…]

…эти цветы будут радовать глвз до глубокой осени. В дальнейших планах у нас установить рядом с кабинетом лавочку для отдыха на свежем воздухе. Ну, это вопрос времени.

А вообще, радует отношение ребят к окружающему, видно их желание сделать лучше себя и мир вокруг. Мы меняемся в лучшую сторону. Мы становимся людьми, хорошими людьми!

Lohataona!

Samy faly ny fanahin'ny olombelona tsirairay rehefa tonga ny Lohataona…

Mamirapiratra mazava ny masoandro, mipoitra ireo ravin-kazo voalohany, mihirahira manantena ny soa ireo fody, ary mitsimoka ny bozaka maitso malefaka. Amin'ny andro tahaka izany, maniry aho mba hahafinaritra ny zava-drehetra, hitsiky sy faly daholo ny olona. Nefa ahoana no tena hahafaly anao raha mahita fako mipoitra avy ao anaty ranomandry ianao? Izany no mahatonga ireo mararin'ity toerana ity nanapa-kevitra ny hanadio ny faritra manodidina ny toerana fanaovana fitsaboana fanolo.

Nitondra fitaovana tahaka ny angady, fihogon-tany, ary kifafa ny tsirairay. Ireo lehilahy izay nanana fiara dia nitondra sarety kely mba hitaomana ny fako. Nanala biriky vitsivitsy tamin'ny rindrina biriky efa tranainy ihany koa izahay ary nanamboatra fitoeram-boninkazo teo akaikin'ny toby. Ny mpiasan'ny toeram-pitsaboana sy ireo vehivavy avy amin'ny tetikasa dia nitondra voninkazo vitsivitsy ho volena eo amin'ilay fitoeram-boninkazo.[…]

…hamafalifaly ny masonay ireo voninkazo ireo mandrapaha-tapitry ny fararano. Ny fandaharanay manaraka dia ny hanamboatra dabilio eo akaikin'ny tobinay ho fialàna sasatra eny ivelany. Nefa ny fotana ny amin'izany.

Amin'ny ankapobeny, ny mahafaly ahy dia ny toetran'ireo namana manoloana ny tontolo iainana; Afaka mahita ny fanirian'izy ireo hanao ny tontolo manodidina azy tsaratsara kokoa aho. Miova ho tsara daholo isika rehetra. Lasa tena olona isika, olona tsara!

Tsy mitatitra ny zavabitany ihany ireo mpitoraka bilaogin'ilay Fikambanana fa manoratra momba ireo fanamby atrehan'izy ireo. Ny mpitoraka bilaogy, Aleksandr Voronov, avy ao amin'ny Chernihiv dia manainga olana amin'ny fampiarahana ny fitsaboana fanolo sy ny asa mahazatra. Toa tsy mora izany satria mila mandany ora vitsivitsy isan'andro ireo marary amin'ny fankanesana any amin'ny toeram-pitsaboana mba hahazoany ireo fanafody. Miantso ireo mitovy aminy i Aleksandr mba hiray hina ary hanova izay zava-misy izay. Namoaka[ru] izy hoe:

…человеку для того чтобы нормально жить, создать или вернуться в семью, родить и растить детей, реинтегрироваться в социум вобщем, не достаточно получать препараты. И о хлебе насущном ведь надо подумать! А как тут устроишся работать, если время посещения сайта строго с 12ти до 14:00, не раньше и не позже!? Еще несколько месяцев назад можно было принести справку с места работы и приходить в 8-9 утра или вечером, а сейчас наш врач и слышать об этом не желает. …! Друзья! Надо как-то решать, что мы можем с этим сделать. Ведь успех программы ЗПТ напрямую зависит от успешности каждого из нас.

…Ho an'ny olombelona tsirairay ny te-hiaina ara-dalàna, mba ho salama sy hiverina anivon'ny fianakaviany, hiteraka sy hitaiza zaza ary hiverina ao anatin'ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny dia tsy ampy ny fahazoana fanafody fotsiny. Mila mieritreritra momba ny mofonao isanandro ihany koa ianao! Nefa ahoana no hahafahanao mahita asa raha amin'ny 12 ka hatramin'ny 2 ora hariva ihany ny toby no mivoha? Volana vitsy lasa aza izay, raha nahazo taratasy fanamarinana avy amin'ny mpampiasa aza ianao dia afaka tonga amin'ny 8 ka hatramin'ny 9 ora maraina na tara amin'ny takariva, nefa ankehitriny ny Lehiben'ny Dokotera (Medecin Chef) dia tsy te-haheno akory mikasika izany. … Ry namana! Mila manao zavatra isika momba izany. Amin'ny farany, ny fahalavorarian'ny tetikasa fitsaboana fanolo dia miankina mivantana amin'ny fahalavorariantsika tsirairay manokana.

Ny mpitoraka bilaogy Viktoria ao amin'ny Kirovohrad dia nizara ny tantaran'ny fananganana vondrona iray mpanohana ireo marary tsaboina amin'ny alalan'ny fitsaboana fanolo izay efa nonofinofisiny hatry ny ela.  Ity ny zavatra nosoratany momba ny fihaonana voalohan'ny vondrona:

Все начинается с мечты, и эта тема была на нашей группе первой. В детстве мы все могли мечтать, а значит были свободными. […] Давно эту мечту вынашивала – создать группу самопомощи для участников программы ЗПТ г. Кировограда! […]  Наша группа – новорожденная, но уже самостоятельная – на первую встречу пришло четыре человека, но все с детьми, поэтому в собрании участвовало трое, а четвертый, по имени Саша, парень, который имеет уникальный опыт жизни в трезвости, благополучно выйдя из программы ЗПТ, в соседней комнате присматривал за детьми. И у малышей была своя «группа», и тоже «равный-равному». …– мы будем тоже расти. Вместе с детьми… Я пока не знаю, как ребята назовут нашу группу – я отдала им инициативу в этом вопросе, но мне бы хотелось, чтоб она называлась « Мечта».

Ny zava-drehetra dia manomboka amin'ny nofinofy, ary ity no foto-dresaka niadianay hevitra nandritra ny fihaonanay voalohany. Fony isika mbola kely, afaka nanofinofy isika ary izany dia nidika fa malalaka isika. […] Nofiko efa ela ny hanomboka ny vondrona mpanohana ireo marary mila fitsaboana fanolo ao Kirovohrad. […]. Tanora ny vondronay nefa dia efa mahaleotena sahady. Efatra ireo olona tonga tamin'ny fihaonanany, nefa dia samy niaraka tamin'ankizy daholo izy ireo.  Izany no mahatonga hoe telo ireo olona no nandray anjara tamin'ny fihaonana ary ny olona faha-efatra, Sasha, izay nanana fiainana ‘mpigoka’ ary ‘nivoaka’ avy tao amin'ilay toarana fitsaboana fanolo no niambina ireo ankizy. Ireo ankizy, raha ny marina, nanana ny vondrony manokana, ny tetikasa “mitovy saranga” an-dry zareo manokana  … Hihalehibe ihany koa isika, miaraka amin'ireo ankizy… Tsy mbola fantatro hatreto hoe ahoana no hiantsoan'ireo namana ny vondronay – Avelako hanapa-kevitra amin'ny anarana izy ireo nefa raha ny tiako dia antsoina hoe ‘Nofy’.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.