Libia: Ny Vahoaka Mitatitra Vaovao Avy Any Ambava-Ady

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Fikomiana Libia 2011 ity lahatsoratra ity.

Mitohy voasivana ny lahatsary momba an'i Libia rotiky ny ady izay ifanandrinan'ireo mpanohitra amin'ny herin'ny Kolonely Muammar Gaddafi mba hanonganana ny fitondrany izay efa naharitra 42 taona. Ity misy fantina lahatsary farany nalain'ireo mpampiasa aterineto any ambava-ady amin'ireo tanàna lehibe mbola ifandroritana any Libia.

Ny tanànan'i Ajdabiya, 160 kilometatra atsimon'i Benghazi, dia nalain'ny herin'i Gaddafi ny tapaky tamin'ny volana Martsa. Maro tamin'ireo mponina miisa 130,000 no nitsoaka ka namela ny tanàna ho foana. Ireo ambiny vitsy dia niharitra fahirano henjana sy daroka baomba isanandro, anatina tanàna izay tsy misy rano sy herinaratra. Ity lahatsary manaraka ity dia mampiseho ny faharavàna nihatra tamin'ireo faritra sivily tao amin'ny tanàna. Rehefa nanontany tovolahy iray teny an-dalana ny mpakasary mikasika ny fomba ataony mba hijanonana, namaly izy “Efa niaina tanatin'ny tahotra izahay” sady nanangana ny tanany mba hampiseho ny mariky ny Fandresena. (Lahatsary navoakan'i benghazi17feb)

Ny marainan'ny Sabotsy, ary taorian'ny fanafihana an'habakabaka nataon'ireo fiaramanidin'ny hery mitambatra manohitra ny herin'i Gaddafi, afaka niditra ny tanàna indray ireo mpandala ny demaokrasia, nanomeny fandreseny voalohany indrindra h an'ny mpanohitra hatramin'ny fanombohan'ny fametrahana faritra tsy azo isidinana fiaramanidina tambonin'i Libia.

Az Zintan, 160 kilometatra Atsimo-Andrefan'i Tripoli, no sehatry ny ady mitranga izao. Nitifitifitra ny tanàna nandritra ny andro maro ny herin'i Gaddafi mba hanerena ireo mpandàla ny demokrasia hivoaka. Amin'ity lahatsary manaraka ity, ny mpihoko dia nilaza fandresena nanoloana ireo fitoeran'ireo mpankasitraka an'i Gaddafi eny amin'ny manodidina ilay tanàna ifandroritana. (Lahatsary navoakan'i zintan2011)

Tanàna fahatelo lehibe indrindra any Libia i Misurata. Nalain'ny herin'ireo mpomba ny demokrasia izy tamin'ny Febroary izay nitarika valin-kafatra masiaka avy tamin'ny herin'i Gaddafi. Araka ny tatitra dia nandefa sambo mpiady tany amin'ny seranantsambon'ny tanàna ny fitondrana, nampiasa ireo tafondro mavesatra ary nahatontosa ny fidirany tao amin'ny tanàna ny tapaky ny volana Martsa. Mbola tsy mazava mihitsy ny toe-javatra misy any Misurata. Mbola mitohy ny zera baomba ataon'ireo mpankasitraka an'i Gaddafi  ao an-tanàna na dia voalaza aza fa nanery nampiato ny fitifirana ireo fiaramanidin'ny hery mitambatra. Ny lahatsary manaraka dia mampiseho ny toetoetry ny herisetra iaretan'ny tanàna: misy tilikambo fiangonan'ny silamo nokendrena, notifitifirina imbetsaka talohan'ny nianjerany (Lahatsary navoakan'i ibnomar2005)

Mbola avy any Misurata ihany, ity lahatsary izay miezaka ny mampiseho ireo mpitifitra napetraka eny ambony tafo (lahatsary navoakan'i TheLibyaFreedom)

http://www.youtube.com/watch?feature=player_embedded&v=VY8RqPW9EoI

Benghazi any Antsinanana dia toeram-pamaharan'ireo hery mpomba ny demokrasia izay naka azy tany amin'ny voalohandohan'ny fikomiana ny 17 Febroary. Ny 18 Martsa, voatohitr'ireo hery mpanohitra ny fikasan'ny vondron'i Gaddafi haka ny tanàna kanefa mbola manohy mikononkonona avy ao anatin'ny tanàna ireo miaramila mpankasitraka ny mpitarika Libiana amin'ny alina. Nanangana vondrona mpambina ny mponina mba hisafo sy hiambina ny manodidina tahaka ny hita ao anatin'ity lahatsary manaraka ity (lahatsary navoakan'i AliveinLibya)

Toeram-pamaharan'ny fitondrana i Tripoli hatramin'ny niatombohan'ny fikomiana Libiana. Ny TV nasionaly dia te-hanambara azy ho tanàna tena mankasitraka an'i Gaddafi tanteraka. Ny lahatsary manaraka anefa na dia izany aza dia mampiseho ireo mpikomy izay manondro ny tenany ho mponina ao amin'ny renivohitra mikikiaka ireo sary manohitra ny mpitarika Libiana raha toa mikendry azy ireo kosa ny basy. “Tsy manao tifi-danitra izy ireo” hoy ny iray tamin'izy ireo, raha heno mangataka ny mpakasary hanohy ny asany ny olona hafa. Heno mihira “Tsy misy Andriamanitra ankoatra an'Andriamanitra, fahavalon'Andriamanitra i Gaddafi … Aiza ireo lehilahin'i Tripoli?”. (Lahatsary navoakan'i QuatchiCanada.)

http://www.youtube.com/user/QuatchiCanada

UPDATE 3/29: Tsy afaka jerena intsony ity lahatsoratra ity, miteny ny naoty iray ao amin'ny YouTube: “Nofafan'ny mpampiasa ity lahatsary ity.” (Avy amin'ny mpandika: Nisy lahatsary teto saingy nofafan'ny mpametraka azy tato aoriana)

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Fikomiana Libia 2011 ity lahatsoratra ity.

victory against key positions of

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.