Zeorzia: Mpanao gazety voaroaka fa niteny fankahalana tao @ Facebook

Ny 18 Marsa 2011 dia nandroaka ny roa tamin'ny mpanao gazetiny ny Fampielezam-peom-panjakana Zeorziana, dia i Giorgi Tukhareli sy i Giorgi Gabrichidze, noho ny teny fankahalana olona mitia mitovy fananahana aminy sy ny fankahalana an'i Vatikana sy ny Fiangonana Katolika, nosoratany tao amin'ny Facebook. Nisy fanamarihana nosoratan'ireo mpanao gazety ireo manko teo amin'ny rindrin'ny takelaka hoe  tsy tiako ny Pathriarkako, saingy na dia tsy hita intsony aza ny resaka tao taty aoriana dia nisy ny niezaka nanao pikantsary azy ka nandefa azy tamin'ny aterineto.

Araka ny tatitra moa dia nanala tena ry Gabrichidze sy ry Tukhareli ary efa nihaona tamin-dry zalahy manokana i Vakho Sanaia tompon'andraikitry ny fandaharana iasan-dry zalahy. Nolazainy moa fa tsy mety aminy intsony ny hiasa miaraka amin-dry zalahy indray any aoriana any. “Tsy mifanaraka amin'ny fomba fiasa sy ny fenitra tandrovinay ny zava-nolazainy”  hoy i Vakho Sanaia tao amin'ny Media.ge. “Ny mpanao gazety no niala ary izay no notadiaviko.” Nolazain'i Sanaia ihany koa fa efa hatramin'ny voalohany mihitsy no tsy tiany ny hiasa miaraka amin-dry zalahy ireo fa efa fantatra ny tsy fitiavany olona mitia izay mitovy fananahana aminy.

“Tohina aho. Tsy nino aho mandra-pahitako izany mivantana. Na i Gabrichidze na i Tukhareli dia samy mpanao gaety anisan'ny tsara ary efa noporofoiny imbetsaka nivarotan-dry zareo hatramin'ny ainy aza hitaterana ny zavamisy tany Ejipta farany teo. Na izany aza izany dia manana ny hajany ny programa, izay tandindonin-doza. Melohinay ny karazan-javatra tahaka iao avy amina mpanao gazety eny fa na dia any amin'ny rindrina Facebook -ny aza no hanoratany azy,” hoy i Rusudan Vashakidze, mpamokatra ny programa tamin'ny onlinenews.ge.

Araka ny hita ao amin'ny Netgazeti.ge dia niantso an-telefonina tamin'i Gabrichidze i Vashakidze ary nandà ny filazana taty aoriana fa nisy nisovoka (nipiraty) ny rindriny raha nilaza kosa ny tompon'andraikitry ny fandaharana iasany fa sehatra ho an'ny rehetra ny Facebook ary tokony hahafantatra ny mpanao gazety fa mety hisy fiantraikany ratsy aminy izay soratana ao. Nandika ny fitsipiky ny etika voafaritry ny fampielezampeom-panjakana i Gabrichidze sy i Tukhareli ka noho izany dia tokony hiala.

Mandritra izany dia maro amin'ny mpiserasera Facebook, mahatratra 516.300 ao amin'ny firenena ambony taham-pampiasana ity valan-tserasera ity indrindra ao amin'ny faritra, no mitovy hevitra amin'i Vashakidze, izay nilaza fa sehatra ho an'ny rehetra ny Facebook ka tsy nety ny nataon'i Gabrichidze sy i Tukhareli. Ny fandaharan'i Vakho Sanaia dia ny tamberina isan-kerinandron'ny zava-nisy sy ny raharaha nitranga anatiny sy ivelan'i Zeorzia. Niditra tao amin'io fadaharana io i Gabrichidze herintaona izany ary nindramina kosa nanomboka ny volana septambra i Tukhareli.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.