Venezoela: Nodimandry i Franklin Brito taorian'ny fitokonana tsy hihinan-kanina maromaro nataony

Tantsaha Venezoeliana i Franklin Brito ary nanomboka nitokona tsy nihinan-kanina izy tamin'ny Jolay 2009 ary nodimandry izy noho ny tsy fahafahany miaina intsony ny alin'ny Alatsinainy teo, tao amin'ny hopitaly miaramila . Araka ny efa notaterin’ i Global Voices teo aloha, ny fitokonana tsy mihinan-kanina tamin'ny herintaona no fitokonana betsaka farany indrindra :

Nanomboka tamin'ny taona 2006 ny fihetsiketsehan'i Brito nanohitra ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Insituto Nacional de Tierras (Rafi-pitantanam-pirenena misahana ny Tany ), minisitry ny governemantam-pirenena , izay nilaza fa tsy namokatra ny taniny, heloka izay nolavin'i Brito . Nanome baiko ny hakana ny taniny ny Rafi-pitantanana . Mihevitra ny sasany fa valifaty natao azy noho ireo honohono mikasika ny kolikoly nataon'ny Ben'ny Tanànan'ny tanàna mpiray vodirindrina aminy, i Sucre, izany. Nanao fitokonana tsy mihinan-kanina maromaro izy ho fanoherana ny fanapahan-kevitra. Na dia naverin'ny governemanta afovoany taminy aza ny mahatompon-tany azy an'ireo tany niadiana taminy no sady mbola nanome azy takalo ara-bola koa, dia tsy vitan'ireo manam-pahefana kosa ny nanala ireo vondron'olona izay naka ny taniny, ka nahatonga an'i Brito indray niverina nanao fitokonana tsy nihinan-kanina vao haingana .

Ny alin'ny Alatsinainy, niparitaka haingana tamin'ny alalan'ny Twitter [es] sy ireo bilaogy ny vaovao mikasika ny fahafatesany .

Naneho [es] lahatsoratra mikasika ny fianakavian'i Brito i Radar de Barrios :

Hoy 30 de agosto de 2010 el agotado cuerpo de nuestro esposo y padre Franklin Brito, dejó de respirar.
Tras una lucha de más de seis años, más de ocho huelgas de hambre, la mutilación de un dedo y haber sido víctima de una irregular privación de libertad, el cuerpo de Franklin Brito dejó hoy de realizar funciones vitales.

Androany 30 Aogositra 2010, nijanona tsy niaina intsony ny nofo reraka an'ny vady sy ny rainay i Franklin Brito. Taorian'ny ady izay naharitra enin-taona mahery nataony, maherin'ny valo ny fitokonana tsy mihinan-kanina, nisy ny fanapahany ratsan-tanana ary nesorina taminy tamin'ny fomba tsy ara-dalàna ihany koa ny fahalalahany, nijanona tsy nahavita ireo asany intsony ny taova tao amin'ny nofo mangatsiakan'i Franklin Brito

Nanoratra lahatsoratra fohy tao amin'ny bilaoginy i Miguel Octavio , Ny maloton'ny demony , izay miresaka mikasika ny Filoha Venezoeliana Hugo Chávez‘, “ny Revolusiona Bolivariana ” izay misy ifandraisany amin'ny trangan'i Brito :

Nahita ny vokany mampalahelo noho ny tsy fisian'ny tahotra sy ny maha-olombelona izao ny revolisiona izay mangataka ny mba ho “olombelona” amin'izao fotoana izao .

Iza no olona omena tsiny ho tompon'andraikitra amin'ny fahafatesany?

Enga anie izy ka handry amim-piadanana .

Ao amin'ny Venezuela News And Views, milaza mikasika ny fandraisan'andraikitry ny governemanta ihany koa i Daniel Duquenal, mitantara ny fanafihana andrana tamin'ny taona 1992 notarihan'i Hugo Chávez:

Izay vao nisy rà tsy azo sasana voalohany amin'ny fomba ofisialy sy tsy azony ialana ny tanan’ i Chavez hatramin'izay nahafilohan'i Venezoela azy izay. ( Efa nisy rà tsy azo sasana maro ny tanany nanomboka tamin'ny 1992 fa tantara hafa ireo ).

Ao amin'ny bilaoginy, manoratra [es] mikasika ny lesona izay azon'ireo Venezoeliana tsoahina avy amin'ny traikefan'i Brito, i Martha Colmenares :

El productor agropecuario Franklin Brito tenía días que ya no respiraba por un pulmón. No se rindió, expuso su vida, prefirió morir antes que claudicar en la conquista de sus peticiones, una lección para todos.

Tsy niaina tamin'ny alalan'ireo avokavony ny tantsaha Franklin Brito nandritra ny andro maromaro. Tsy nitsoaka mihitsy izy, nataony sorona ny fiainany, naleony maty toy izay namela ireo fangatahany ho an'ny hafa, lesona ho antsika rehetra izany .

Namaly mikasika ny fahafatesan'i Brito ihany koa ireo mpampiasa Twitter : nitaraina i Luisana Bellorin (@luisana_kbd) fa nitranga tao amin'ny firenena izany , ary milaza i Adrea Surribas (@ANDREABCD) fa manaja ny risi-pon'i Brito izy. Milaza mikasika ny herim-pon'i Brito ihany koa i Enrique Vasquez (@kike1947):

Me averguenza no tener el valor que tuvo Franklin Brito !

Menatra aho fa tsy manana ny herim-po nananan'i Franklin Brito !

Eo andanin'izany, mijery ireo fandraisan'anjara ara-politika mikasika ny fandaharam-potoana amin'ny fahafatesan'i Brito i Olga Elizabeth (@Chavista16), mpanohana ny governemanta mpampiasa Twitter , raha toa Venezoela ka miomana amin’ ireo fifidianana ara-parlemanta atao amin'ny 26 Septambra ho avy izao:

Esto ya se sabía q iba a pasar antes de las elecciones.. La pregunta es: A quien le convenía la muerte del Farsante de Franklin Brito?

Efa fantatsika fa hitranga izao zavatra izao alohan'ny fifidianana… Ny fanontaniana dia izao: iza no mahita tombony amin'ny fahafatesan'ny olon-tsotra toy i Franklin Brito ?

Sady mifantoka ihany koa amin'ireo politika ao ambadiky ny fahafatesan'i Brito, manakiana ny fihetseham-pon'ny mpanohitra i Elias Cabeza Ibarra (@eeci1967) :

La muerte d Franklin Brito,es usada x la oposicion como plataforma Mediatica Pornografica, sacando fotos y reclamando, xq no respetan?

Nampiasaina ho toy ny seha-pifaneraseran'ny haino aman-jery mamoafady ny fahafatesan'i Franklin Brito, maka ireo sary izy no sady mitaraina, fa maninona no tsy maneho fanajana azy izy ireo ?

Ankoatra ny politika, manameloka ny fanadihadiana notaterin'ny haino aman-jery mikasika ny tantara ihany koa i Miguel Jaime (@migueljaime) :

Lo de la muerte de Franklin Brito es lamentable, tanto por las circunstancias mismas del deceso, como por el show mediático.

Mampalahelo ny fahafatesan'i Franklin Brito, na ireo zava-nitranga nanodidina ny fahafatesany, na ireo fandaharan'ny haino aman-jery

Mandalina[es] ny fahafatesan'i Brito i José Meza ao amin'ny bilaoginy La Culpa es de la Iguana (Hadisoan'i Iguana izany), raha jereny hoe hatraiza no maneho ny zava-misy amin'izao fotoana izao any Venezoela ny fiafarana mampalahelo nanjo azy :

Brito es la muestra más clara de cómo son las cosas en esta nueva Venezuela, llena de indiferencia, donde poco importa lo que se crea o piense si, de alguna forma, perturba o genera alguna molestia a quienes se creen dueños de la verdad.

I Brito no ohatra mazava indrindra amin'ny fandehan-javatra ao amin'ity Venezoela vaovao ity, feno tsy firaharahiana, toerana izay tsy misy miraharaha izay inoanao na eritreretinao, amin'ny lafiny iray izany dia hoe manelingelina na manohitohina an'ireo izay mihevitra fa tompon'ny fahamarinana .
Sary Thumbnail ao amin'i Elena Brito, vady andefimandrin'i Franklin Brito , ao amin'ny fampisehoana . Nahazoan-dalana avy amin'i Brito sy i Habla Venezoela, araka ny efa nampiasaina tao amin'ny Global Voices teo aloha tao amin'ny lahatsoratra naseho tamin'ny 9 Febroary 2010. Raha te-hahita ny fampirantiana ny sarin'i Franklin Brito, tsindrio eto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.