Guinea: fikasana hamono an'i Dadis Camara, lehiben'ny miaramila

Dadis Camara, a Guinean military officer who seized power last December in a coup, was shot yesterday by one of his aides.

Dadis Camara, miaramila Gineana nandray ny fanjakana avy amin'ny fanonganam-panjakana tamin'ny Desambra teo, voatifitry ny mpanampy azy ary nafindra maika any Maroka

Araka ny voalazan'ireo loharanom-baovao maro, ny kapiteny Dadis Camara, lehiben'ny miaramila  izay nandray ny fahefana tany Guinea tamin'ny Desambra 2008 avy amin'ny fanonganam-panjakana, dia notifirin'ny mpanampy azy ary naratra omaly tany Conakry. Ity lehiben'ny Governemanta nijoro ho azy any Guinea ity, nomelohin'ny firaisambe iraisam-pirenena nanomboka ny 28 Septambra noho ny famonoana sy fanolanana, dia nafindra maika any Maroka , ary tonga tany tamin'ny 3 ora hariva GMT. teo ho eo.

Ny Major Kélétigui Camara, Sekretera jeneraly ao amin'ny Fitondrana, dia niteny avy tamin'ny alalan'ny antso avy amin'ny finday [Fr], niaraka tamin'nuy vohikala guineenews.org fa nisy olona roa maty, izay tsy fantany ny mombamomba azy ireo. Nisy mpikambana roa hafa ao amin'ny mpanongam-panjakana ihany koa nafindra maika  any Maroka.

Any Conakry, dia milamina ny toe-draharaha, hoy ireo loharanom-baovao maro nantsoin'ny mpanoratra ity lahatsoratra ity, tamin'ny alalan'ny finday tao amin'ny gazety ary tany amin'ny Governemanta. Na teo aza izany, tsy nisy na iray aza nanana vaovao matotra  momba ny ratra goavana nahazo ity lehiben'ny mpanongam-panjakana ity. Olona iray tao amina fikambanana iraisam-pirenena no niteny tamiko fa mety tany amin'ny tendany na ny lohany no voatifitra i Kapiteny Camara.

Fanehoan-kevitra vitsivitsy mialoha momba ilay vaovao tao amin'ny vohikalan'ny RFI no naneho hevitra maro. Hoy ny mpamaky iray tsy mitonon-tena nanoratra:

C'est incroyable,inacceptable et injustifiable qu'un sous officier tire sur son supérieur. Ce sous officier doit tenir les conséquences de son action. Je comprends pourquoi le capitaine Moussa Dadis Camara dit que cette armée est incontrôlable…

Tsy mampino, tsy azo ekena, ary tsy afaka hamarinina ny hoe manamboninahitra lefitra no hitifitra ny lehibeny. Ity manamboninahitra lefitra ity dia tokony hizaka ny vokatry ny nataony. Tsapako ny mahatonga ny Kapiteny Moussa Dadis Camara niteny fa saro-pehezina ity tafika ity…

Na eo aza izany, ny ankamaron'ireo mpamaky, izay mametraka an'i Camara ho tompon'andraikitra tamin'ny famonoana ireo mpanohitra tamin'ny 28 Septambra, dia mihevitra fa rariny ity andrana hamono azy ity.

However, most readers, holding Camara responsible for the September 28th massacre of opposition protesters, seemed to believe the assassination attempt was justice.

Tsy mitonona anarana:

Dadis est entrain de vivre le resultat de sa trahison au peuple de Guinee. Du courage au peuple de Guinee surtout aux Forces vives.

Andalan'ny fiotazana ny vokatry ny famadihany ny vahoaka Gineana i Dadis. Sahia ry mponina Gineana, indrindra ireo Hery Velona rehetra.

Joseph:

en fait, ce qui se passe actuellement en Guinnée est tellement triste, du fait que la vie perd son sens aussi sacré. si hier,on a massacré des civils (le 28 septembre),et aujourd'hui c'est le tour peut être du chef de la junte Guinéenne. c'est désolant comme spectacle…

Etant congolais (RDC), j'essaie de voir cette situation comme celle qu'on a vécu en 2001,espéront que le peuple Guinéen va se lever comme un seul homme pour mettre fin à cette situation de crise aussi ignoble et stupide pendant que le monde a besoin de l'apport de la Guinée au concert des nations.

courage…

Tena mampalahelo izao zava-mitranga any Guinea izao, noho ny fahaverezan'ny hasin'ny aina. Raha omaly, olon-tsotra no novonoina (tamin'ny 28 Septambra), dia anjaran'ny lehiben'ny mpanongam-panjakana Gineana indray angamba androany. Zavatra mampalahelo izany.

Amin'ny maha Kongoley ahy (RDC), dia mihezaka mijery ity zava-itranga ity toy izay niainana tamin'ny 2001 aho, manantena fa hitsangana ho toy ny olona iray ny vahoaka Gineana mba hamarana ity olana ratsy sy kentrina ity noho izao tontolo izao mila ny fandraisan'anjaran'i Guinea eo amin'ny sehatra iraisam_pirenena.

Sahia…

Tsy mitonon'anarana:

Jusqu'à la preuve du contraire, il est seul et unique responsable des tueries au stade 28 septembre, au nom du pouvoir et s'il reçu quelques bales dans le crane au nom du mème pouvoir par son propre bras droit ou de fer, allor il merite prouvé le douleur des femmes blessées et violées par ses troupes.

Raha tsy misy porofo milaza ny mifanohitra amin'izay, dia izy irery no tompon'andraikitra tamin'ny famonoana teny amin'ny kianja ny 28 Septambra, amin'ny anaran'ny fahefana.  Ary raha voan'ny bala teo amin'ny lohany tamin'ny anaran'ity fahefana ity ihany, avy amin'ny tànan-kavanany ihany, dia mendrika ho azy ny hahatsapa ny ratra sy fanolanana vehivavy  nataon'ny miaramilany.

Tsy mitonon'anarana:

S'il est arrivé un malheur à Dadis aujourd'hui, je dirais que c'est une vengeance de la part de la population guinéenne. La guinée veut un president qui pourraît le représenter partout ailleurs mais pas un president qui vit couper du reste du monde, qui règne avec tyrannie.

Raha misy zava-manjo an'i Dadis androany, dia ambarako fa valifaty avy amin'ny vahoaka Gineana izany. I Guinea dia mila filoha izay afaka hisoltena azy na aiza na aiza , fa tsy filoha mitoka-monina tsy mifandray amin'izao tontolo izao, izay manjaka  miaraka amin'ny famoretana.
Nanampy tamin'ity lahatsoratra ity i Suzanne Lehn sy Jennifer Brea.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.