Masedonia: Lasa fomba fanao ny fankalazana ny ‘Sakura’

Nankalazaina tany Skopje, any Masedonia, tamin'ny 25 Aprily ny Sakura, fankalazàna isan-taona ny famelanan'ny ‘cerisiers’ izay fomba fanao any Japana. Somary taraiky kely ihany ny daty nofinidy raha ampitahaina ny tamin’ny taon-dasa satria tsy tian’ny mpandrindra hifanindry amin’ny fankalazàna ny Paska Katolika sy ‘Orthodoxe’ tamin'ny tapa-bolana lasa.

Origami workshop during the celebration of Sakura in Skopje, Macedonia. April 25, 2009. Photo by Irena Efremovska.

Fanaovana ‘Origami’ (kilalao vita amin'ny taratasy) nandritra ny fankalazàna ny Sakura tany Skopje, any Masedonia. Sary: Irena Efremovska.

Araka ny fombafomba natsangana tamin’ny taon-dasa, nanambara tao amin’ny blaoginy ny hetsika i Bi [MKD] tamin’ny fampiasàna sary mahafinaritra, ary nampita ny hafatr’ [MKD] ireo mpitoraka blaogy maro hafa, toa an-dry Volan sy Razvigor. Nanambara [MKD] izany hetsika izany koa ny mpanoratra ny pejy fandraisan’ny Blogeraj, sehatra fitorahana blaogy voalohany any Masedonia, tamin’ny fampiasana ny iray tamin’ireo sary tahirin’i Volan. Ho fanampin’izany, nanome fanolorana tamin’ny fombany manokana i Agnes tamin’ny famoahana tononkalo mitondra ny lohateny hoe Sakura [MKD] andro vitsivitsy mialoha.

Kids performing karate kata during Sakura celebration in Skopje, Macedonia. April 25, 2009. Photo by Irena Efremovska.

Ankizy manao Karate nandritra ny fankalazàna ny Sakura tany Skopje, any Macedonia. Sary: Irena Efremovska.

Tao anatin’ny fandaharam-potoana, nalamin’ny Federasiona Masedonianan’ny Kendo-Iaidō niara-niasa tamin’ny Samurai Dojo ary notohanan’ny Tanànan’i Skopje, ny fanaovana katas-‘na ‘arts martiaux’ sy origami.

Ny ankabeazan’ireo mpitoraka blaogy nanatrika ny hetsika dia namoaka rantin-tsary na sary andrana. Niala tsiny [MKD] mihitsy aza i Volan, izay mampiasa ny blaoginy hanoratana ‘lahatsoratra tsy ofisialy’ ho an’ny vahoaka, tamin’ny famoahana sary vitsy noho ny mahazatra, noho izy tara vao tonga teny an-toerana.

Zoriv, mpitoraka blaogy maintimolaly hafa, dia namoaka ny sariny momba ny Sakura toy ny ampahany amin’ny tatitra nataony [MKD] momba ny fitsangatsanganana nandritra ny Sabotsy tao afovoan-tanànan’i Skopje, nampitahana ny fotodrafitrasa teo an-toerana sy ny seho ara-kolontsaina niaraka tamin'ireo mpandray anjara vahiny’.

Araka ny ambara ao amin’ny Japan@Mk blog [MKD], dia mbola hitohy ny Sakura ny 30 Aprily, ka hisy fihetsiketsehana hatao ao anatin’ny Cultural Center CK, toy ny hira Japone, tsianjery haiku, fampirantiana ‘manga’ [sary ampiainina fijerin'ny ankizy] ary fandefasana sarimiaina Japone.

Sakura participants leaving the scene. Photo by Irena Efremovska

Mpandray anjara tamin’ny Sakura handeha hody. Sary: Irena Efremovska

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.