The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Firenena:
Venezuela
Lohahevitra:
Arts & Culture, Humor, Youth, Politics
Teny:
Spanish

 

Simón Bécquer avy ao amin'ny Alternative Reality blog ao amin'ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe Ny  kiraro Converse ho an'ny tanora Sosialisitra [teny esipaniolona] no mampiseho antsika sary fanentanana ny tanora venezoeliana, izay ahitantsika tanora ampanaovina kiraro sosialisitra. Na izany aza, hita ho manana endrika mahazatra hafahafa ihany ilay kiraro nasehon'ny filoha Chávez tenany: Manana ny loko menan'ny marika avy any Etazonia (US) Converse Chuck Taylor All Stars, misy ny sary famantaran'ny PSUV misolo ny loko mena sy kintana manga mahazatra ireo kiraro ireo. Manontany tena ny amin'izay toerana nividianana ireto kiraro Venezoeliana “original” ireto ny mpanoratra.

Manomboa ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

fanampiana

  • Fametrahana hevitra dia mila validation. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Ny hevitra masiaka, na vetaveta, mamely olona manokana dia tsy ekena.