“Andro tsy misy fiarakodia” any amin'ny tanana any Atsimo Atsinanan'i Shina

Tamin'ny taona lasa dia nandray anjara tamin'ny hetsika “andro tsy misy fiarakodia” (无车日) ny tananan'i Kunming, any Shina. Ankehitriny ity tanana any any Atsimo Atsinana'i Shina ity dia mihoatra lavidavitra kokoa ka nametraka ny “andro tsy misy fiarakodia” ho isam-bolana (fa tsy indray mandeha isan-taona toy ny fanaon'ny besinimaro).
Kunming, izay itoeran'ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana maro [ONG, NGO], dia nametraka isaky ny Asabotsy faran'ny volana ho andro tsy misy fiarakodia. Henjana ny lesona omen'ny Shina antsika ra-fiarovana ny tontolo iainana :

The policy has its limitations, of course. Rather than fully banning cars throughout the entire city, only private cars are forbidden to enter the first ring road. Taxis, buses, bikes, scooters, and special purpose vehicles (or vehicles with greater than 17 seats that are more than 50% full) are allowed to travel anywhere in the city.

Mazava ho azy fa misy fetrany ihany anefa izany fandrarana izany. Ireo fiaran'olo-tokana ihany no tsy mahazo miditra anatin'ny “rocade” voalohany. Izany hoe mahazo mifamoivoy eran'ny tanana ihany ireo fiarakaretsaka, sy fitateram-bahoaka (bus), sy moto, sy scooter, sy ireo fiarakodia ampiasaina amin'ny fomba manokana (fitaterana marary ohatra) na koa fiarakodia mihoatry ny seza 17 izay misy mipetraka ny antsasan'ny seza ao aminy.

Sady mbola ampiany koa hoe :

The policy seems to have mixed results. On September 22, the Kunming Environmental Bureau reported much better air quality due to the limitation of private cars…On the same day, the BBC reported Beijing drivers as having all but ignored the call for No Car Day, where the event was voluntary and not enforced as in Kunming.

Toa mampisalasala ihany ny vokatr'izany. Tamin'ny hetsika natao ny faha-22-n'ny Septambra, notaterin'ny birao misahana ny fanaraha-mason'ny tontolo iainana any Kunming fa nisy fihatsarana ny toetoetry ny rivotra izay nofohana tao an-tanana vokatr'izany hetsika izany … Mandritra izany fotoan'izany ny haino aman-jery anglisy BBC kosa mitatitra fa nataon'ireo mpitondra fiarakodia any Beijing “be marenina” ny antso hoan'ny hetsika “andro tsy misy fiarakodia”, satria antsitra-po fa tsy mba nisy fanaraha-maso toy ny tany Kunming ny nanatanterahana izany tany Beijing.

Ouyang sy Jenny mpiblaogy roa mpivoy ny tontolo iaianana any Shina no nitatitra mikasika izany fizotry ny hetsika izany.
Video: “Andro tsy misy fiarakodia” any Kunming

Amin'ny faha-22 Spetambra ho avy dia mikasa ny hanatanteraka izany hetsika “Andro tsy misy fiarakodia” any amin'ny tanana mahatratra 108 i Shina, ho fandraisana anjara amin'ny andro iraisam-pirenena “Andro tsy misy fiarakodia.” Izany hetsiky Shina izany dia hiteraka fihenan'ny famokarana etona karbônika mahatratra 3'000 taonina sady fitsitsiana solika 33 tapitrisa litatra.

Ankoatr'ireo hetsika mandritra ny “andro tsy misy fiarakodia” ireo, maro ireo tetikasa mikasika izay fepetra vaovao fandraràna sy famehezana ny fitaterana mandritra ny hanatanterahana ny lalao ôlaimpika any amin'ny faritra Atsinanan'i Shina [Beijing] mba hiadiana amin'ny fandotoana ny tontolo iainana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.