The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Firenena:
Zimbabwe
Lohahevitra:
Elections, Internet & Telecoms, Technology, Politics
Teny:
English

 

Manoratra ny momba ny hatsikana politika ao Zimbaboe ny kamarady Fatso:

“Sao mba misy mahafantatra olona manana fiarabe? Misy mantsy Lezalahy iray ho’aho te-hamindra ny fananany rehetra avy ao amin’ny tranobem-pirenena [fonenan'ny filoham-pirenena] alefa any Zvimba [ambanivohitr'i Mugabe]. Manondro ilay antidahy mpanao didy jadona hifindra monina ho any ambanivohiny io tantara hatsikana io. Nino ny olona fa fifidianana “jeneraly” [ankapobeany] iny – satria ireo jeneraly no manapaka ireo izay ho voafidy. Kivazivazy hafa fandre eny an-dalamben’i Harare koa ny mahasamihafa ny fifidianana [election] sy ny maha-“dangitra” [erection, fihenjanan'ny filahiana alohan'ny firaisana ara-nofo]: tsy azo “amorònana izay tsy misy” ilay farany [tsy afaka anaovana fitaka].”

Mpanoratra Ndesanjo Macha

2 hevitra

  1. Tomavana Miteny hoe:

    Angamba tsy ho tsiny re Ra-Jentl, raha somary narindrako kely ilay fitantarana azy

  2. jentilisa Miteny hoe:

    Ary hafa mihitsy ange no niheverako azy ka nahatonga ahy hieritreritra fanorenana e!

Hamela valiny