Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Madagasikara : Ny fomba fiakanjoana ny “lamba”

Ny namana Ruth mipetraka any Antsiranana dia manazavazava izay fomba fiakanjoana sy fitafy ampiasana ny “lamba” any amin'ny tapany Avaratry ny nosy :

« Traditional dress in Northern Madagascar involves wearing the ‘lamba’. The word lamba simply means cloth or clothing but usually refers to the two matching pieces of fabric that women wear – one around the waist or chest and one around the head or shoulders [...]
Vazahas can mainly only get away with wearing lambas at ceremonies otherwise you look a bit of a try-hard idiot. However, due to their usefulness, it is always good to have one in your bag And if you will be spending time amongst Malagasys it’s good to have one for bathing – a Vazaha woman, stripped off to her bikini for a wash, causes quite a stir. »

« Ny fomba fitafy any Avaratr'i Madagasikara dia mampiasa ny lamba [vakio hoe lamba oany]. Ny dikan'ny teny hoe lamba dia lamba [fitaovana ho enti-manjaitra] na koa akanjo anefa matetika io teny noenti-milaza ireo tapany roa sahala sy mitovy soratra izay entin'ireo vehivavy mitafy – [ny voalohany] mifatotra eo am-balahana na eo amin'ny tratra [ny faharoa] dia manarona ny loha na ny soroka [...]
Amin'ny fotoana manokan'ny firavoravoana ihany ireo Vazaha no tena afaka mivoaka miakanjo lamba raha tsy izay dia ohatry ny mpanandrakandrana kaviavia no fijery azy ireo. Anefa satria tena maha-afak'olana ny lamba, dia tsara hatrany ny manana lamba fiandry ao anaty pôketra. Ary raha miarakaraka amin'ny Malagasy ianareo dia ilaina koa ny mampiasa ny lamba rehefa hilomano – Vazaha vavy, miala akanjo hanao “bikini” [akanjo filomanosana mizara roa: ambany fiaro hoan'ny valahina, ambony fiaro hoan'ny tratra] mba handro, dia tena [mahasintona mpitazana marobe sy] miteraka fisavorovoroana tokoa. »

Ndesanjo Macha

3 hevitra

  • Misaotra Tomavana fa tena sahirana mivezivezy kely aho a! Aza matahotra fa tsy maintsy ho avy e! sady ain’izao efa tafiditra “ofisialy” rahateo ny dikanteny malagasy.

  • Ts’isy l’ilil e ! Ianao aza no isaorana tamin’ny tatitra arahin-tsary fa tena mba hafa kely ny fandrakofana ny vaovaon’ny fifidianana tao Antananarivo tamin’ity indray mitoraka ity ;)

    P.S: Miandry ny lahantsoratra mitatitra ny fifidianana eto amin’ny GVO sisa no anjarantsika mba ahafahana mandika azy eto.

  • Marina izany saingy mbola tena mafana ny adihevitra koa!

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny