Ny blaogy Safrang dia mitantara [Anglisy] ny tantaran'i « I Baban'i-Safrana » [Baba-i Za’faran] izay mpamboly rongony sy zava-mahadomelina taloha ary niova ho mpamboly Safrana ankehitriny [FANAMARIHANA: tsongaina avy amin'ny voninkazo, ny Safrana no mpanome tsiro (épice) lafo indrindra ara-danja eran-tany efa hatramin'ny amam-polo taonany maro izao : safran | saffron | vokatra indray mandeha isan-taona ary tsy latsaky ny voninkazo miisa 150′000 vao azahoana 1kg-na Safrana]. Ambaran'io mpiblaogy io fa ny Ministeran'ny Fambolena Afghanistàna mihitsy no nametraka ny anaram-bosotra « Rain'ny Safrana » hoan'ity mpamboly antidahy ity izay manampy ireo mpamboly hafa izay te-handao ny fambolena rongony mba hianatra ny voly Safrana. Ahitana ny sarin'io lehilahy io ny blaogin'i Safrang.
- Firenena:
- Tsy misy
- Lohahevitra:
- Economics, Governance, Agriculture
- Teny:
- Malagasy
















Pakistan: Nisy baomba nipoaka sady nahaf...
- eny tompoko, misaotra anareo nanome ny vaovao mikasika ny fiainam-pire...
Tohiny »