Tantara mikasika ny Repoblikan'i Kongo

Nahoana No Miresaka Fanandevozana Ireo Tantara Noforonin'ny Afrikana Sy Haisiana ?

  15 Oktobra 2018

Nahoana no atsidika kely fotsiny ao anaty tantara Afrikana sy Haisiana noforonina ny resaka fanandevozana? Io no fanontanian'i Kangni Alem, Togoley blaogera monina ao Frantsa, nalefany tao amin'ny fampidirana am-biloagy miparitaka be iray sy voasaina tsara. Malahelo izy fa ny tantara afrikana dia tsy ahitana an'ireo andalan-tsoratra maro mikasika ny onjam-panandevozana izay nanafay ny tanibe ary tsipihany fa tsy manan-danja lehibe amin'ny literatiora haisiana ihany koa izany, hitany ho azo leferina ihany ireo antony'ny fanesorana izany ho an'ireo haisiana mpanoratra.

R.D. Kôngô: Resadresaka Niarahana Tamin'ny Bilaogera Tony Katombe

  23 Desambra 2017

Bilaogera avy ao amin'ny R.D. Kôngô i Anthony Mica Katombe (Hafohezina ho Tony) izay ''handray 39 taona amin'ny 13 Aprily''. Manana maripahaizana momba ny teny Anglisy sy ny Fandalinana ny Kolontsaina Afrikana avy aminà Anjerimanontolo Kôngôley izy. Ny marain'ny resakay tamin'ny messenger, voahodidinà lehilahy mitam-basy ny tanàna niaviany tao Kinshasa.

Mikarakara Fitsapankevitra Hijanonany 35 Taona Mahery Eo Amin'ny Fitondràna ao Kongô i Sassou-Nguesso

  04 Novambra 2015

Filoha 4 amperinasa ao Afrika (Roandà, Borondi, Repoblikan”i Kongô ary ny Repoblika Demaokratikan'i Kongô) no miezaka manalava ny fe-potoana fiasàny hihoatra ny fetra napetraky ny lalàm-panorenana any amin'ny tany misy azy avy. Ao Kongô Brazzaville, nisy fitsampankevitra naroson'ny filoha Denis Sassou-Nguesso mba hahafahany mirotsaka indray hofidiana. Fepetra vaovao nolavin'ny mpanohitra...