Tantara mikasika ny Lesotho

Nahoana No Miresaka Fanandevozana Ireo Tantara Noforonin'ny Afrikana Sy Haisiana ?

  15 Oktobra 2018

Nahoana no atsidika kely fotsiny ao anaty tantara Afrikana sy Haisiana noforonina ny resaka fanandevozana? Io no fanontanian'i Kangni Alem, Togoley blaogera monina ao Frantsa, nalefany tao amin'ny fampidirana am-biloagy miparitaka be iray sy voasaina tsara. Malahelo izy fa ny tantara afrikana dia tsy ahitana an'ireo andalan-tsoratra maro mikasika ny onjam-panandevozana izay nanafay ny tanibe ary tsipihany fa tsy manan-danja lehibe amin'ny literatiora haisiana ihany koa izany, hitany ho azo leferina ihany ireo antony'ny fanesorana izany ho an'ireo haisiana mpanoratra.

90 Taona i Nelson Mandela

  19 Jolay 2008

Ny Zoma 18 jolay teo no feno 90 taona i Nelson Mandela ary dia nihoatra sisitanin'i Afrika Atsimo izany fankalazana izany ka niarahan'izao tontolo izao niaramihira sy nitehaka ny nahatratra ny fety. Andeha ary hiaramankalaza izany koa isika amin'ny alalan'ity fitetezam-paritra ity hamakiana ny fifaliana misongadina manerana ny kaontinanta afrikana ity.