Tantara mikasika ny Eritrea

Fomba fijery avy any an-tandrok'i Afrika

  07 Jona 2019

Feno  fifanakalozan-kevitra momba ny sehatry ny kolontsaina sy ny politika ny tontolon'ny bilaogy ao amin'ny Tandrok'i Afrika sy Sodàna. Zavatra iraisana, izay toa nipoitra teo amin'ireo bilaogera Etiopiana ny tsy fisian'ny fangorahana ho an'ny governemantan'ny fitondran'ny Praiminisitra Meles Zenawi.

Nahoana No Miresaka Fanandevozana Ireo Tantara Noforonin'ny Afrikana Sy Haisiana ?

  15 Oktobra 2018

Nahoana no atsidika kely fotsiny ao anaty tantara Afrikana sy Haisiana noforonina ny resaka fanandevozana? Io no fanontanian'i Kangni Alem, Togoley blaogera monina ao Frantsa, nalefany tao amin'ny fampidirana am-biloagy miparitaka be iray sy voasaina tsara. Malahelo izy fa ny tantara afrikana dia tsy ahitana an'ireo andalan-tsoratra maro mikasika ny onjam-panandevozana izay nanafay ny tanibe ary tsipihany fa tsy manan-danja lehibe amin'ny literatiora haisiana ihany koa izany, hitany ho azo leferina ihany ireo antony'ny fanesorana izany ho an'ireo haisiana mpanoratra.

Fijery Avy Any Amin'ny Tandrok'i Afrika Sy Sodàna

  06 Septambra 2018

I Etiopia no iray tamin'ireo firenena Afrikana efatra monja tsy voazanaky ny fitondrana Eoropeana mihitsy. Na dia mahaleotena aza, niharan'ny fibodoana nataon'ny Italiana i Etiopia tamin'ny taona 1936 hatramin'ny taona 1941. mamerina amintsika indray ny tantara ny ethiopundit - 110 taona lasa izay - tamin'ny Adin'i Adwa, izay nandresen'ny hery Etiopiana an'ireo Italiana mpanjanaka nanana teknolojia avolenta.

Banjina Iray Mikasika Ny Tontolombolongana Ao An-tandrok'i Afrika Sy Sodàna

  15 Aogositra 2018

Revo amin'ny fandanjalanjàna ny teo-draharaha politika ao amin'ny fireneny ireo Etiopiana bilaogera taorian'ireo fifidianana solombavam-bahoaka natao tamin'ny volana May 2005, izay nandresen'ny antokon'ny Praiminisitra Meles Zewani eo amin'ny fahefana. Tao anaty lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe Politics is the Continuation of War by Other Means, (Fitohizan'ny ady amin'ny fomba hafa ny politika) kianin' i Ethiopundit ny governemanta Etiopiana noho ny fomba izay nitantanany ireo fifidianana sy ny famonoana an'ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny volana Jona, ankoatra ireo zavatra hafa.