Tantara mikasika ny Afrika Mainty
Topimason'ny tontolon'ny media ao Tanzania
Manamarika ihany koa ny Reporters Sans Frontières fa maro ny seha-baovao no politisiana na olo-manandaza no tompon'ny seha-baovao, ka mahakitika ny fahaleovantenana ara-panoratan-dahatsoratra ary mitarika ho amin'ny fitongilanam-baovao.
Antsoin'ny mpikatroky ny zon'olombelona ny filohan'i Ghana hitsipaka ny lalàna hanenjehana ny LGBTQ+ nolanian'ny parlemanta
"Mitondra loza mitatao ho an'ny firenentsika tokoa ity volavolan-dalàna ity ary manantena ny filoham-pirenena izahay hanandratra ny soatoavin'ny firenentsika sy ny lalàmpanorenana."
Nahoana no miatrika fanamby isan'andro amin'ny fidangan'ny vidim-piainana ny Nizeriana
Ao anatin’izao krizy ara-toekarena miharatsy izao, nitombo nanerana ny firenena ny isan’ny fakana an-keriny takalo vola.
Manimba ny tahiry voajanahary ao RDC ny hazakazaka fakàna kôbalta (cobalt)
Ny RDC no mamatsy ny 70 % amin'ny tolotra kobalta erantany, mineraly iray ampiasaina amin'ny vatoaratra sy fiarakodia mandeha herinaratra. Ankehitriny dia any anatin'ireo valan-javaboahary natoraly no ahitana ireo toeram-pitrandrahana.
Inona no fiteny ao an-toerana be mpampiasa indrindra ao Togo ?
Fiteny nasiônaly afrikàna roa no ananan'i Togo : ny éwé sy ny kabyè. Fa ny mifanohitra amin'izany, ny "mina" no mipoitra ho ny fiteny be mpampiasa indrindra ao amin'ny firenena.
Fikatsaham-bahaolan'ny fampiharana Dase hiadiana amin'ny jono tsy ara-dalàna
Araka ny nohamafisin'ny tatitra nataon'ny Environmental Justice Foundation (EJF), manohintohina ny tontolo iainana an-dranomasina sy ny olona miantehitra amin-dry zareo ny jono manimba (IUU fishing) .
Ao Bénin, tena misy fahamaroana gazety, saingy tsy afa-bela amin'ny sivana anefa
Tamin'ny 1991, taorian'ny fiafaràn'ny rafitra antoko tokana, nambaran'i Bénin ny fifikirany amin'ireo fotokevitra demaokratika. Na izany aza, mbola faneriterena marobe no zakain'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety.
Any avaratr'i Ogandà, ‘miaraka sitrana’ ireo sisampaty tamin'ny ady sy ireo alika mpampionona
"Ny fitsaboana amin'ny alàlan'ny biby dia miorina amin'ny fifamatorana efa nisy nialoha teo amin'ny olona sy ny biby. Asehon'ireo fandinihana fa ny fifandraisana amin'ny biby fiompy azo iaraha-monina dia afaka manampy amin'ny olana ara-batana sy ara-tsaina isan-karazany."
Nahoana ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena ao Afrika Andrefana no manentana ny ECOWAS hanao laharam-pahamehana ny fampidirana ny fahasembanana.
Ny fampiatiana ireo olona sembana any Afrika dia tsy resaka rariny ara-tsosialy fotsiny; tena ilaina amin'ny fampandrosoana maharitra sy ny fitombohan'ny fihariankarena izany.
Misedra fanoherana mivaivay ankehitriny ny CEDEAO, màndan'ny fampiatina isam-paritra ao Afrika Andrefana
Hatramin'ny 1975 ny Fiombonambe ara-Toekarena'ireo Firenena ao Afrika Andrefana (CEDEAO) no nitàna anjara toerana goavana tao anatin'ny fampiatiana isam-paritra. Saingy 50 taona aty aoriana, misedra olana izy