Tantara mikasika ny Aostralia
Ampikarohana ny koala sarobidin'i Aostralia
Noho i Aostralia mety hiatrika doro tanety mandravarava amin'ity fahavaratra ity toy ny tamin'ny taona 2019–2020, tandindonin-doza amin'ny lafiny maro hafa koa ny iray amin'ireo biby tiany indrindra, tsy inona izany fa ny koala.
‘Matilda': Voambolana Aostraliàna ho an'ity taona ity, taorian'ny fandresena miezinezina nandritra ny Fiadiana ny ho Tompondaka Vehivavy – FIFA 2023
Nanao ny sorona faratampony ho afaka hanatrika ilay lalao ampahefa-dàlana nifanandrinana tamin'i Frantsa ireo sasany mpankafy— 'Naleoko nafoy ny tapakilako hijerena Taylor Swift mba hanotronana ny Matildas'
Aostraliàna mpanao gazety manohitra ireo “mpanaratsy” mpankahala LGBTQ+ trolls …. Aostraliana mpanao gazety manosika ny resabe manohitra ny LGBTQ+
"Tsy tiako hahatsapa ny olona hoe tsy mpampita vaovao ho azy ireo aho. Fa toy izany koa, raha tsy tena mitazona ny maha-izaho ahy aho dia tsy afaka hanao tsara ny asako."
“Afaka mahita ny lanitra manontolo aho izao” : Afaka izao ilay Aostraliana mpanao gazety Cheng Lei
"Fihina mafy, hiakiaka an-dranomaso, mamihina ny zanako amin'ny tara-masoandron-dohataona. Nahofahofan'ny tsio-drivotra ny hazo. Affaka mahita ny lanitra manontolo aaho izao! Misaotra anareo Aostraliana.."
Miandry fahombiazana ara-diplaomatika amin-tebiteby ireo Aostraliana mpanao gazety migadra ao Shina
Efa mihoatra ny roa taona izao ilay Aostraliana mpanoratra tantara foronina no niandry ny didim-pitsarana momba ny raharahany ao Shina rehefa noampangaina ho manao asam-pitsikilovana. Ankehitriny izy matahotra ny ho faty any am-ponja.
Mampitsangam-bolo ny mpandala ny mahazatra ny tantara maha-raimanandreny pengoay pelaka
Hatrany Aostralia ka hatrany Etazonia, sakanan'ny mpandala ny mahazatra ny fampidirana ny tantaran'ny pengoay pelaka any an-tsekoly sy tranomboky.
Takian'ireo feo ao Pasifika ny hihetsehana maika momba ny toetrandro maneran-tany
Hetsika maromaro manasongadina tantara, fitantarana, ary fampisehoana zavakanto izay manambara ny antson'ireo firenena nosy Pasifika amin'ny hetsika eran-tany mivaingana kokoa hampihenana ny famoahana etona mangeja hafanana
Aostralia: Fihetsehampo mifangaro manoloana ny fitomboan'ny famatsiambola omena ny Haran-dranomasina Lehibe (GBR), mialoha ny fifidianana
"Tsara ny mahita fa misy ireo ezaka miavosa natokana ho amin'ny fitantanana ny haran-dranomasina, saingy ny fiovan'ny toetrandro no mbola loza goavana mitatao ho an'ny Haran-dranomasina Lehibe".
Mampisaraka an'i Pasifika ilay Hetsika “Fehikibo sy Làlana”
Mijery ny fiantraikan'ny fihitarana ara-toekarena sy diplomatikan'i Shina ao Pasifika i Mong Palatino, tonian-dahatsoratry ny Global Voices ao Azia Atsimo-Atsinanana sy Oseania
Aostralia, mitady izay fomba hatao hiadiana amin'ny fiparitahan'ny famotsiana ny fandefasana entona karbôna manafàna ny tany
"Raha ireo mpanjifa miha-mifantoka bebe kokoa amin'ny fividianana vokatra maharitra, ny atahorana bebe kokoa dia ny hanaovan'ireo orinasa sasantsasany fanentanana diso amin'ny fampiroboroboany ny fanondroana ny vokatra avy aminy ho maitso na manaja ny tontolo iainana"