Tantara mikasika ny Oman

Samborina ireo mafana fo noho ny lahatsoratra anaty tambazotran-tserasera mitsikera ireo tetikasa mety hanimba ny lemak'i Dhofar ao Oman

  25 Marsa 2021

Nampiasain'ireo mafana fo sy mpiaro ny tontolo iainana ny sehatra filazambaovao sosialy hanakianana ny fanapahankevitry ny governemanta Omani momba ny fanomezany fahazoandalana hanorina trano eo amin'ny lemak'i Dhofar, izay mety handrahona ireo mpiandry rameva sy ny fomba fiaina nentim-paharazana izay efa nisy an-jato taona maro

Oman: Notanana ilay bilaogera Muawiya Alrawahi

GV Mpisolovava  17 Avrily 2019

Notaterina tao amin'ny Twitter fa notanana noho ny bilaogin-dahatsoratra sy ny sioka sasantsasany izay nanakianany ny Sultan Qaboos bin Said, mpitondra an'i Oman ilay bilaogera Omani mivantambantam-piteny Muawiya Alrawahi , fantatra amin'ny heviny mampiadihevitra.

Oman: Fampianarana “fandaniam-potoana”

  05 Desambra 2018

Tsy mba noraisin'ny mponina ho rafitra ara-drariny noho ny antony samihafa ny rafitra fandraisana ireo mpianatra amin'ny ambaratonga ambony eny amin'ny oniversite any Oman. Ny rafitra fanabeazana teo aloha 'Thanawiyah Ammah' dia voatsikera noho izy mandrisika ny fianarana amin'ny alalan'ny fitadidiana fa tsy mba mampianatra ny tena fomba fianarana

Oman: Miverina tsikelikely ny fibilaoginina

  04 Desambra 2018

Niala tamin'ny Gonu, oram-baratra tropikaly namely ny firenena tamin'ny fiandohan'ity volana ity  ny sehatra fibilaogina Omaney. Niezaka nivoatra sy niresaka lohahevitra samihafa ireo bilaogera tamin'ity herinandro ity.

Masoarabo: Mahafatifaty ny vehivavy Ejypsiana

  04 Desambra 2018

Fivarotan-tena, famorana ny vehivavy ary ny fiarahan'ny vavy samy vavy dia tsy zava-dratsy ferana ho an'ny vehivavy Ejypsiana, hoy ilay bilaogera Ejypsiana Tamr Heneh, tamin'ny taratasy misokatra ho an'ilay mpanolotra fandaharana, Dr Hala Sarhan.