Tantara mikasika ny Alzeria
Saripikan'ny Ramadany: Maka sary ny fotoana iombonana sy ara-panahy vitsivitsy
Fotoana ankalazaina be ao amin'ny tontolo Islamika ny Ramadany, satria manome fahafahana manokana ho an'ny vondrom-piarahamonina hivondrona hanapaka ny fifadian-kanina, hifanerasera ary hanome fiantrana.
Inona ny andraikitr'ireo mpitaona amin'ny media sosialy Alzeriana tamin'ny raharaha fisolokiana iray?
Mpitaona efatra no nampiasa ny media sosialin'izy ireo mba hampiroborobo orinasa iray izay nampanantena fahafaha-mianatra ho an'ny tanora Alzeriana any Okraina, Tiorkia ary Rosia, saingy nivadika ho fisolokiana izany.
Manasongadina ny manjo ireo Kristiana vitsy an'isa ny hira iray nandeha onjam-peo Alzeriana
“Nisedra sakana maro aho...Sarotra be ny milaza amin’ny olona eto Alzeria fa Kristiana aho.”
Gejain'ny lalànan'ny media lazaina ho noho ny COVID-19 ny fahalalahana miteny ao Alzeria
Satria mbola mitohy ny hetsika Hirak manohitra ny tsy fanomezana fahafaham-po ny hetahetan'ny besinimaro, nampiasa ny areti-mandringana ny governemanta Alzeriana mba hanakanana ireo sehatra media tsy miankina sy ny zo nomerikan'n'ny olona amin'ny alàlan'ny lalàna manafay.
Tontolo Arabo: “Tsy miteny hoe Israely intsony izahay…”
Nahoraka be tamin'ny hetsika manerana ny tontolo Arabo ny hafatra iray tao amin'ny Twitter miantso ny Arabo hitsahatra hanonona hoe Israely nandritra ny fihodinana farany tamin'ny ady an-tserasera taorian'ny fanapoahan'ny Israeliana baomba an'i Gaza. Mitatitra avy eny ifotony i Anas Qetyh.
‘Atsaharo ny fampanginana ireo feon'ny tsy manaiky lembenana ao AAAA,’ hoy ny mpikatroka tamin'ny taratasy misokatra ho an'ny Twitter sy Facebook
Folo taona taorian'ny fitroarana niankina be dia be tamin'ny media sosialy hanesorana ireo mpanao didijadona manerana ny faritra, melohin'ny mpandala ny zon'olombelona ny fanilikilihan'ireo sehatra ny feo manivaka mbola mitolona hisian'ny fahafahana.
Ampiarahana amin'ny fanakatonana gazety ny ady amin'ny COVID-19 ao Afovoany-Atsinanana
Ho ampahany amin'ireo fepetra hiadiana amin'ny COVID-19, i Jordania, i Oman, i Maraoka, ary i Emirà Arabo mitambatra sy i Yémen dia samy nandràra avokoa ny gazety an-tsoratra mandra-pisian'ny toromarika vaovao indray.
Mitohy amin'ny fanagadrana mpanao gazety ny famoretana ny mpanohitra any Alzeria
Herintaona mahery taorian'ny nanombohan'ny fihetsiketsehana manerana ny firenena tany Alzeria nitakiana ny fanavaozana ara-politika sy ara-toekarena dia mbola nanohy ny paikadiny amin'ny famoretana ihany ny governemanta mba hampanginana ireo mpitsikera sy mpanao gazety.
Alzeria : Niondrika teo anatrehan'i Etazonia i Alzeria, niverina ny saina
Nahatonga saina ny Alzeriana ihany ny fanantenana sy ny fahadisoam-panantenana fa tsy mahavita hahazoana fandresena amin'ny lalao football raha ny fitiavan-tanindrazana irery ihany. Nanjavona tokoa manko ny fanantenan'ny Alzeriana tamin'ny Alarobia nandritra ny lalao nifanandrinana tamin'ny ekipa Amerikana tao Pretoria. Resin'ny ekipa Amerikana tamin'ny isa 1 sy 0 i Alzeria.
Andao hikarajia Twitter amin'ny #WritingTowardFreedom an'ny Global Voices amin'ny 11 desambra 2019
Ahoana ny mahalasa fandrahonana ny fahalalaham-pitenenana antserasera eto Afrika ny kabary fankahalana foko, ny fahadisoana sy ny fandisoam-baovao, ny fandotoan-drindrina ataon'ny governemanta? Miaraha aminay amin'ity adihevitra ity ao amin'ny karajia Twitter.