Tantara mikasika ny Belarosia
Nahazo sazy henjana ireo mpikambana avy amin'ilay tarika Bielôrosiàna nanao ireo hiran'ny hetsipanoherana tamin'ny 2020
"Tsy biby fiompy izahay, biby fiompy sy kanosa, vahoaka velona izahay, Bielôrosiàna izahay!" hoy ny hiran'ny "Tor Band". Ankehitriny, any am-ponja ireo mpikambana ao aminy, mizaka sazy henjana hatramin'ny sivy volana.
Raha tsy misy ny fahafahana manavao ny pasipaoron'izy ireo any ivelany, ao anaty limby ny Belarosiana any an-tsesitany
Nanasonia didim-panjakana ny mpitarika Belarosiana Lukashenka milaza fa tsy afaka manavao ny pasipaorony any amin'ny kaonsilà any ivelany ny Belarosiana monina any ivelany.
Mbola mitohy ny famoretan'ny fitondrana Belarosiana ny fiarahamonim-pirenena
Mihamiakatra ny isan'ny gadra politika ao Belarosia; araka ny filazan'ny Foiben'ny Zon'Olombelona Viasna, tamin'ny faran'ny volana Jona teo dia 1.496 no nidoboka am-ponja noho ny fiampangana ara-politika.
Nihira ny ‘Zhyve Belarus’ (Ho ela velona i Belarosia!) ny tarika nambaran'i Lukashenka fa mahery fihetsika
Zara raha resahana ao amin'ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena, mampiasa famoretana tahaka an'i Stalin amin'ny olom-pireneny ny fitondran'i Lukashenka. Notazonina sy enjehina ireo mpanohitra ary, amin'ny tranga maro ankehitriny, dia toy izany koa ny fianakaviany.
Noroahina avy any Moskoa ho any Moldova misy diam-bono ilay TikToker Nekoglai
“Mihamaro hatrany ny fampiasan'ny polisy Rosiana io fombafomba fanamelohana sy manala-baraka io” mba hanehoana ampahibemaso ny “fanenenana” sy ny fampitahorana ireo mpanao fihetsiketsehana.
Fiainana, nitsahatra: Aina nafoy tamin'ny fanoherana tao Belarosia
Namoaka lohahevitra iray tao amin'ny Twitter i Hanna Liubakova, Belarosiana mpikambana ao amin'ny Atlantic Council, mpanao gazety sady mpampiofana media, momba ny tranga farany sady nanafintohina indrindra mikasika ireo gadra politika ao Belarosia.
‘Tena sarotra ny mahita fanoherana rehefa tsy ahitàna sarina fihetsiketsehana an-dalambe': Antsafa nifanaovana tamin'i Hanna Liubakova, Belarosiàna mpikatroka,
Mpanao gazety malaza miaina an-tsesitany, mpikambana tsy mipetraka maharitra ao amin'ny Filankevitr'i Atlantika no sady mpampiofana ireo media momba izay tokony hataon'ny media mpanohitra ao amin'ny firenena rehefa tsy misy hetsipanoherana hita maso ao anaty jadona
Niverina ny diam-pireharehana Prague rehefa naaton'ny valan'aretina nandritra ny roa taona: Andra-tsary
Heverina ho anisan'ny goavana indrindra tao Eoropa Afovoany, niverina an-dalambe ny Reharehan'i Prague tamin'ny 13 Aogositra rehefa niato roa taona, ka nahazo olona enina alina teo ho eo.
Olompirenena sy mpandraharaha Kroaty maneho amin'ny fomba samihafa ny fanohanany an'i Okraina
Namelatra ny sainampirenena Kroaty ireo mpandray anjara amin'ny hetsipanoherana, nihiaka tenifaneva ary nihira hira okrainiàna. Nisongadina tamin'ilay hetsipanoherana ihany koa ny sorabaventy misy sary mampitaha an'i Donbas sy ny fahirano ary daroka baomba nanjo ny tanàna kroaty tao Vukovar tamin'ny 1991
Ady mari-panondroana: Nahoana i Kremlin no milaza ho miaro ireo ‘mpiteny Rosiana’ ao Okraina?
Nanandratra ny tenany ho mpiaro ny mpiteny Rosiana manerana ny habakabaka taorian'ny Sovietika i Moskoa kanefa maro no tsy miombon-kevitra amin'i Rosia. Ankehitriny izy mampiasa ireo vondrom-piarahamonina samihafa hanafihana an'i Okraina.