Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana
Hira vaovao ‘Ny tsiambaratelon'i Neny’ manasongadina ireo reny mpikatroka manohitra ny adin'i Rosia
Renim-pianakaviana avokoa ireo vehivavy nasongadina tao amin'ny lahatsary ho an'ilay hira, sy i Monetochka tenany, ary ireo mpikatroka malaza manohitra ny ady sy ny fitondrana.
Nahita fianarana ny vehivavy any Moldavia, saingy kely kokoa ny karamany ary manambady aloha loatra izy ireo
Angon-drakotra momba ny vehivavy monina ao Moldavia amin'izao fotoana avy amin'ny birao nasionaly misahana ny antontanisa ao Moldavia
Mahatonga ny valan'aretina koha-davareny ny fisalasalana hanao vakisiny any Makedonia Avaratra
. Mitaky ny hanambarana ny fisian'ny areti-mifindra koha-davareny any Makedonia Avaratra ireo manam-pahaizana momba ny fitsaboana, satria, tamin'ny 8 febroary, nandrakitra tranga 28 vaovao ny Ivon-toerana momba ny Fahasalamam-bahoaka, izay zazakely tsy vita vaksiny ny ankamaroany.
Tompondakan'ny laza ny andian-tantara Rosiana iray momba ireo andian-tanora jiolahy tamin'ny vaninandro Perestroika, nankahatra ireo ezaka fandraràna azy
Noforonin'ireo Rosiàna mpanome tolotra fandefasana sarimihetsika ny andian-tantara "Slovo Patsana. Krov" na asphalte" (Ny tenin-drazazalahy: rà mameno ny tara). Tanaty volana iray monja, izy no tompondakan'ny laza ao Rosia.
Soavaly atakalo fiara — angano iray amin'ny diplaomasia maoderina misy eo amin'i Torkia sy Hongria
Manana zavatra iraisina mihoatra noho ny fitiavany herin-tsoavaly ireto mpitarika roa ireto. Samy manohitra mahery vaika amin'ny fidiran'i Soeda ho ao amin'ny OTAN ary samy manana fironana tsirefesimandidy.
Voarara ao Rosia saingy alefa amin'ny YouTube ilay fanadihadiana mikasika ny mosary tany Volga tamin'ny andian-taona 1920
Noho ny antony tsy mazava, noraran'ny governemanta Rosiana ilay fanadihadiana Rosiana iray mampiseho ny mosary tamin'ny taona 1921 hatramin'ny taona 1923 tao amin'ny faritr'i Volga, saingy azo jerena amin'ny aterineto ao amin'ny YouTube.
Nahatohina ny fianakaviana ny fasan'ny nepaley miaramila mpifindramonina any Rosia
Mitady Nepaley mitady asa amin'ny fifanarahana Bemidina ara-miaramila Manokana hiady amin'ny ady Rosiana-Okrainiana i Rosia ary Nepaley maro no maty.
Nasehon'i Moldavia tamin'ny fomba ‘antonony nefa mazava’ ny fanohanany ny UE tamin'ny fifidianana tany an-toerana
Manondro ny fanohanana antonony nefa mazava ho an'ny antoko PAS am-perinasa izay mpanohana ny UE ny vokatra savaranonando tamin'ny fifidianana tany Moldavia. Niresaka momba ny fitsabahan'i Rosia amin'ny fifidianana ny manampahefana talohan'izay.
Mpanao gazety ao Makedônia Avaratra, manohitra ny didim-pitsaràna manome alàlana ny sivana
"Tsy misy na iza na iza afaka ny hanampina ny vavanay na hakanana anay tsy hanandratra ny feonay na hamoaka ny marina, izay zavadehibe ho an'ny olom-pirenena"
Nahazo sazy henjana ireo mpikambana avy amin'ilay tarika Bielôrosiàna nanao ireo hiran'ny hetsipanoherana tamin'ny 2020
"Tsy biby fiompy izahay, biby fiompy sy kanosa, vahoaka velona izahay, Bielôrosiàna izahay!" hoy ny hiran'ny "Tor Band". Ankehitriny, any am-ponja ireo mpikambana ao aminy, mizaka sazy henjana hatramin'ny sivy volana.