Tantara mikasika ny Hong Kong (Shina)
Lehilahy nogadraina telo volana noho ny akanjony misy teny faneva fanoherana
Lehilahy iray avy any Hong Kong no nosamborina teo akaikin'ny vavahady fiondranana amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisampirenena Hong Kong tamin'ny volana Novambra lasa teo taorian'ny nahitana azy nanao t-shirt misy teny filamatra fanoherana.
Hong Kong: miatrika fandrahonana ara-pitsarana ireo mpamandrika amin'ny fantsona sy blaogin'ny mpikatroka
Nilaza i Ronny Tong, mpanolotsainan'n governemanta fa mety azo heverina homelohina araka ny Lalànan'ny Filaminam-Pirenena izay mamandrika votoaty natsangan'ny "olona karohina".
Taham-pahavitrihana ambany indrindra tamin'ny fifidianana filankevitry ny distrika ‘tia tanindrazana irery ihany’ tao Hong Kong
Noraisin'ny Vondrona mpikatroka ho toy ny fanamelohana ny politikan'ny famoretana ataon'i Shina ao Hong Kong ny fahavitsian'ny mpifidy :
Ao anaty fitotonganan-toe-karena, antsoina hoe ‘relika’-n'ny foibe ara-bola iraisampirenena i Hong Kong
Nitontongana ara-toekarena fatratra i Hong Kong tao anatin'ny telo taona farany, mifandray amin'ny fanombohan'ny valan'aretina COVID-19 sy ny fandaniana ny Lalàm-pilaminam-pirenena napetrak'i Beijing.
Andro iraisampirenena ho an'ny ankizy: Post-Covid, tsy maintsy miantoka ny zon'ny ankizy i Hong Kong
"Tamin'ity taona ity, mpianatra 269 no nanandrana namono tena, ary 37 no nahomby tamin'izany. Tamin'ireo olona 10.279 no voasambotra tamin'ny taona 2019, zatovo latsaky ny 18 taona ny 1.754 tamin’izy ireo, ary 11 taona ny zandriny indrindra. "
Fankalazana tsingerintaona nitarika onjan-katezerana sy lolom-po tao Hong Kong
Mpiasam-panjakana am-polony avy ao amin'ny governemantan'i Hong Kong no nandray anjara tamina fety iray fanalazana tsingerintaona, nahavory olona 200 mahery, nanitsakitsaka ireo fepetra fanarahamaso ny COVID-19 manankery ao an-tanàna.
Nolavin'ny fitsarana ao Hong Kong ny fangatahan'ny governemanta handràra ny hiram-panoherana manohana ny demaokrasia
Mihevitra ny mpitsara fa ny olona tsy manan-tsiny mihitsy no mety hijanona tsy handray anjara amin'ny hetsika ara-dalàna mifandraika amin'ny hira noho ny tahotra ny fandikana ny didy.
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna #04
Ato anatin'ny fizaràna “Les mots ont la parole - An'ny voambolana ny fitenenana”, asongadinay ireto voambolana na fomba fiteny telo ireto: Macho, avy amin'ny espaniôla; 麻甩 amin'ny cantonais ; ary Chique fiteny pôrtiogey ao Brezila.
Namoaka lalàm-panabeazana vaovao tia tanindrazana i Shina hanamafisana ny rafi-pitondrana antoko tokana
Kinendriny ny hampitombo ny fitiavan-tanindrazana ao amin'ny Shinoa rehetra na ao an-toerana na any ampitan-dranomasina, indrindra ireo olom-pirenena avy any Hong Kong, Makao ary Taiwan.
Mihapotika ny demaokrasian'i Hong Kong, miha-voatosi-bohon-tanana ny olompireneny ao Taiwan
Raha miharatsy hatrany ny demaokrasia sy ny fahalalahana ao Hong Kong, nampitombo ny isan'ny sakana amin'ny famoahana fahafaha-monina fotoana maharitra ho an'ny Hongkongers i Taiwan.