Tantara mikasika ny Kyrgyzstan
Hita faty tao am-ponja ny milaza tena ho ‘andriamanitra vaovao’ tao Kyrgyzstan sady efa kandidà filoham-pirenena in-telo misesy
Tranga iray hafa mankany amin'ny fironana mampatahotra miseho eo ambany fitondran'ny filoha ankehitriny Sadyr Japarov ny fahafatesan'i Abdyldaev
Hiangana manoloana ny fanafihan'ny governemanta any Azia Afovoany ve ny tambajotran-jiolahy mahery vaika?
Mihemotra ireo vondrona mpanao heloka bevava voarindra ao amin'ny faritra, saingy mbola mihatra ny fanontaniana raha hahomby amin'ny fanafoanana ny herin'izy ireo ny fanafihana ataon'ny governemanta.
Mandrahona ny FTMF-ONG ny lisitra ‘masombahiny’ ao Kazakhstan
Rehefa nivoaka tamin'ny septambra ny lisitra, ONG-FTMF iray farafahakeliny no voasingana hahazo fanadihadiana ara-bola fanampiny manokana.
Nankatoavin'ny parlemantan'i Kyrgyzstan ny fanovana ny sainam-pirenena
Fanazavana mampivandravandra no atolotry ny filoha amin'ny fanovana sainam-pirenena.
Ao anaty fanadihadiana iray vaovao, Ozbekistan mankalaza ny hetsika reformista Jadid
Toa mbola haharitra ela ny fiverenan'ny Jadid eny amin'ny habaka natao ho an'ny daholobe, miaraka amin'ny governemanta mampiasa ny lova navelan'izy ireo ho fitaomam-panahy.
Ny ondry Arashan goavambe sy tena lafo vidy any Azia Afovoany
Ny fahavitsian'ny ondry Arashan, ny habeny mahavariana, ary ny hafainganan'ny fitomboany no nahatonga azy ireo ho iray amin'ireo tadiavina indrindra amin'ny tsenan'ny biby any Azia Afovoany.
Mbola mamiratra sy manome aingam-panahy hatrany ireo taranaka nahazo medaly volamenan'ny mpanao ady tolona ao Kyrgyzstan
Mialoha ny Lalao Olaimpika fahavaratra 2024 any Paris, ankinina amin'izy ireo ny fanantenan'ny firenena handrombaka medaly volamena Olaimpika, izay mbola tsy azon'i Kyrgyzstan.
Manintona mpankafy vaovao manerana izao tontolo izao hatrany ny lalao nasionalin'i Kyrgyzstan, kok-boru
Tamin'ny Lalao Manerantany Nomad (WNG-ang) voalohany nampiantranoin'i Kyrgyzstan tamin'ny taona 2014 no nipoiran'ny kihon-dalana nampalaza ny kok-boru any ivelan'i Azia Afovoany.
Nanokatra ny akademiany voalohany ao Azia Afovoany ny FC Barcelona ary miroso hanangana maro kokoa
Faha-29-n'ny fananganana nataon'ny FC Barcelona manerantany ary voalohany tany Azia Afovoany io akademia ao Jalalabad io.
Maneho ny heviny amin'ny lalàna vaovao momba ny teny ao Kyrgyzstan ireo diplaomaty Rosiana, mampahatsiahy ny fanjanahantany taloha
Ampahany manan-danja amin'ny maha- mariky ny firenena ny fiteny Kyrgyz. Zava-dehibe amin'ny fahaveloman'ny vahoaka Kyrgyz amin'ny maha-vondrona foko misaraka azy sy Kyrgyzstan amin'ny maha-firenena azy izy.